Alahady hariva fiala-tsasatra, avy orana, matroka andro. Ny zavatra tiako rehefa toy izao dia ao anaty bodofotsy mafana. Niezaka natory ary aho avy nisakafo atoandro io, nefa tsy nety nikipy ity maso re. Nitamberina tao an-tsaina daholo ireo natao fahiny tamin’ny mbola kely. 

Rehefa alahady voalohany dia any ambanivohitra mivavaka maraina any dia hariva vao mody. Raha tsy izany dia matetika dia mandeha mitsangatsangana izahay ao an-trano, tonga hatrany Ambatofotsy atsimo, na manodidina mitovy halavirana toy izany. Sady manararaotra miantsena io, mividy ny entana varotana eny an-tsisin-dàlana eny. 

Fa raha sendra ilay tsy mivoaka iny kosa aloha dia ny lalao eny an-tokontany no atao. Nitamberina tao an-tsaiko ny lalao fanaoko taloha : dimbazà , sabaka, zedelastika, sôtaôtera, tsobato, fangalam-piery, zedekapôka, manao kilalao ... sns. Ary inty iray ity tsy dia fanaoko fa rehefa hoe raikitra io no ataon’ny hafa dia mijery fontsiny aho : "tantara-tantara" no iantsoanay azy, asa raha hainareo ilay manoritra trano amin’ny tany dia vatokely no atao olona ary ampitenenina. Tsy alahady ihany akory no fanovanay ireo fa ny alakamisy hariva sy asabotsy manonolo. Hany ka rehefa asaina mody aho ny hariva² dia tsy maharay tena intsony eo ambony latabatra, nefa asaina misakafo mialoha io, fa mikipy ho azy fontsiny ny maso sisa ! Fa taloha koa rehefa hariva mafana iny dia raikitra ny hoe andao hividy gilasy etsy Ampandrana, dia lasa daholo, na kely ary ny anjaran’ny tsirairay dia faly ery miara-mihinana sy niaraka nandeha tany.

Zavatra iray nahafinaritra ahy koa dia rehefa harivariva iny, ka nahazo naoty tsara tany an-tsekoly, dia entin’i dada sy i mama mandeha etsy Andravoahangy (tsy lavitra anay mantsy io toerana io) dia ividianany zavatra kely fampaherezana ! Tsy ratsy an ! Faly ery ny tena fa tena tia ireo ray aman-dreny. 

Fa efa ho 1 volana latsaka moa izao dia ho tonga ny noely, dia io indray dia tena hafa kely mihitsy fa finaritra ery mandeha mivoaka eny an-tsena, indrindra any Analakely ! Kilalao izany, mitsiriritra, sady efa mijery² ilay kiraro sy ny ravin-damba hatao akanjo ho vidiana ! Tsy maintsy hiakanjo vaovao sy tsara mantsy @ krismasy any ampiangonana ! Dia mararaotra io fotoana io koa mijery izay kilalao tiana ho vidiana @ ilay noely, inona moa fa tsy dinety sy saribakoly matetika ! Dia variana koa mahita an’i Jacques Dallès : manao Père Noël mandalo @ fiara sy mizara vatomamy. Matetika teny Antaninarenina no fahitako azy. Koropaka moa ny olona rehefa sendra azy. Ary ny Mpitsoka mozikan’ny Gouvernemanta koa etsy an-daniny, matetika eo Antaninarenina eo foana koa. 

E e e, tsy adino koa ilay rehefa alakamisy hariva misy angano kely, misinda daholo aloha ny lalao rehefa @ 4 ora sy sasany, samy mamomjy ny any an-tranony avy. 

Fa dia tsy itako intsony ireo kilalaoko nony taty aoriana, very daholo na tsy haiko ve ? Dia tsy hay e, ny fahatsiarovana mipetraka na dia tsy hita intsony ary ireo kilalao sy ny namana tamin’izany fotoana. Nisy iray t@ izy ireo izao nodimandry tamin’ny volana mey teo, nalahelo ery ny fo na dia efa ela tsy hita ary izy talohan’ny nandehanany. 

Izay ilay fiainana e !
 

Tapitra aloha iny tag momba an'i Afrika iny. Fa izao : hoy ny fiteniteny aty an-tany lavitra hoe : 

Relax Max,

Tranquille Bill,

Cool Raoul.

Fa hoy aho hoe mba tena nivaky loha aho nanova io blaogiko io ka izao aho vao mampiasa ireo fiteny ireo mahita ny zava-bitako. Hi hi hi, nataoko ity post ity mba hahitanareo azy sy mba hametrahanareo fitsikerana mety ilaiko na mety tsy ilaiko koa. Atao ahoana e, misy ny azo raisina misy ny tsy azo raisina fa tsy maninona fa mametraha ihany hafatra dia ho hitako eo ! Tsy masiaka aho akory fa mananihany re !  " MILAY VE ? " 

1 2 3 4  Manaraka»