Fetin'ny reny ...

NY LAMBANAONY LAMBANAO MIKOPAKOPAKA

Fa tsara sy mahate-ho tia ny lambanao mikopakopaka,
Toa miantso manao hoe avia ny lambanao mikopakopaka,
Ny fihetsikao malemy paika, tsy miraika, toa tsy maika,
Ny fitafy tsy misy haitraitra tena raitra ka manaitra ô !
Tena kanto, eny, kanto aoka izany ny lambanao mikopakopaka,
Ka nambabo ny foko avy hatrany ny lambanao mikopakopaka.

Ny akanjonao tsara didy, tarafin’ny elonao mena,
Mihatsara sy mitombo vidy ravahin’ireo volamena.
Manendrika anao avokoa, nefa asa ho aho, Ramatoa

Dia tonga ny lamaody vao nanampy ny nentim-bahiny,
Nanaraka izany ianao, ka hita fa tsy nisy tsiny.
Kanefa ho famenon’izany : ny lambanao teo ihany.

(H. Ratsimbazafy)                                        

                                        ....... ho fahatsiarovako an'i mama.