teraka mba hahantra izy itony Hevitro irery ity, nefa mety hisy hitovy hevitra amiko ka mametraka fanontaniana koa. Isan’ny kaontinanta lehibe indrindra ny misy afrikana. Afrika izay misy ny isan’olona mahantra be indrindra @ lafiny rehetra eto amin’ny gilaoby koa. Maity hoditra ny ankamaroany. 

Eny mahantra ny tany misy ny afrikana. Tsy nivoatra ve ilay toe-tsaina fahiny, sa dia voazanaka daholo ny olona tao ka zatra nentina fa tsy mba nitarika ? Na misy ary ny mpitarika dia mivilana ny fitondrany azy, misy ilay maka be foana ho azy manokana ao aoriany ao ary mampiasa herisetra tsy hay tohaina. Marina fa ny fanjanahan-tany dia halatra tanin’olona no dikany, nefa azo lazaina fa nitondra zava-tsoa ihany izy io toy : ny fahadiovana, ny fomba fiasa, ny teknolojia. Nanandevo izy ireny fa nampivoatra ny toerana nisy azy koa : nanamboatra tanàna, nampianatra nikojakoja, sns. Fa injay nony lasa izy ireny ka mba nitondra ireto tompon-tany fa e e e, tsy tafavoaka e : potika daholo izay efa mba voavoatra tsara. Azoko an-tsaina aloha hoe tsy fitiavana ilay mpanjanaka no nanapotehina izany, nefa adalàna ihany koa satria mijanona hoan’ny tompon-tany izay navelany teo ! 

Ny mahagaga dia tsy ny ao Afrika ihany no milalotra ny fandrosoana, fa saika ireo tany misy olona maity hoditra rehetra dia saika toy izany avokoa. Tsy zarizary ny fari-piainana, tsy mba nahay naka tahaka ireo “mazava” amin’ny teknolojia sy ny foto-pisainana ! Lafo be ilay teknolojia, ka na lafo ary dia nahay nampiroborobo ny misy teo amin’ny taniny ireny olona ireny vao nahazo vola koa, naninona ary no tsy mba nanao izany ny afrikana ? Na atao ary hoe mba lasa mpangala-tahaka tsotra izao toy ny ataon’ireo kely maso ireo. Toa mifamono no tena hainy, ny mifanenjika @ basy sy ny lefona ! Marihiko fa misy ireo tany izay ao Afrika mandroso tokoa, toa an’i Algerie, Maroc, Egypte, sns … izany hoe ireo izay ao Afrika avaratra. Misy solika ireo hoy isika, nefa tsy ny solika ihany no mety mampanan-karena fa ny fahaizana mamolavola ny harena misy eo aminy koa. Ohatra koa ny fambolena, ny any Europe ny mamboly sy miompy no foto-piveloman’ny olona any, ny oram-panala anefa mamely saika mandritra ny taona. 

Moa ve ny toe-tany no tsy mahatonga ny olona hiasa tsara ? TSIA ! Tsy itako izay ifandraisany afatsy ny hakamoana satria mampatoritory fotsiny ny hafanana ! Moa ve ny lokon’ny hoditra no mety mahatonga izany ? MAIZINA hoy ny samy maizina aty an-dafy !!! Mety ho izay angambany ilay antony : pepo ny saina, maty lolo dia hoe tsy mety hahavita ny vitan’ny mazava mihitsy ve ? Nefa maninona ireo maizina aty ivelany no misy betsaka matsilo saina sy lasa lavitra noho ireo mazava aty ? Misy koa moa izy ireny rehefa lasa matsilo saina mandao ny taniny. Dia mifandripaka ao ny sisa, mifamono fa tsy mba mifanavotra ! Samy tia kely ary ny mpitondra dia mampiasa tsy ara-drariny toy ny mpanjanatany ! Maizina e ! Manginy fontsiny rehefa tsy miady an-trano dia tonga ny loza voajanahary, toy izao mahazo an’i Haïti izao ! Toa tsy ho tafakatra mihitsy rehefa dinihina e ! Ny an’i Madagasikara moa dia ny rivo-doza no tena mpahazo azy, misy faritra avaratra iny no tena voa matetika nefa soa fa tsy nampalavo ny voly vanila  izany.   

Ka hoy aho hoe : tsy fitiavana ny hivoatra ve, sa tsy ampy teknolojia (io aloha marina), sa tsy be harena ankibon’ny tany na karakaina loatra ilay toerana, sa ahoana ? Ny tena itako miharihary aloha dia sady efa mahantra matin-kanohanana ny maity amin’ny taniny no sady mbola mifandripaka toy ny valala an-karona. Tena tsy haiko hoe nisy inona ary no niseho tany aloha tany, raha tsy hoe ozona angaha ! Amiko, ny fambolena sy ny fiompiana dia mety hahatafita tsara ireny tany ireny raha mahay mampiasa ny teknolojia avy aty ivelany satria tsy nandroso ilay nentin-drazana h@ izay, manginy fontsiny ny harena an-kibon’ny tany. Fa ny tena fototra iaingany dia ny FOTO-PISAINANA no mila amboarina. Mbola ho avy ve ilay maraina ho an’ny taranaka any aoriana sa voaozona hahantra mandrakizay ireo maity @ taniny ?  

Farany asa raha efa itanareo ireto horonan-tsarimihetsika ireto fa ahitana ilay toe-tsaina maizina : Seigneur de la guerre (“Lord of war”) sy Blood diamond. Mila matanja-tsaina mijery azy, ao ilay foto-pisainana maizina !

Mba nifoha maraina aho, nikarakara sakafo alohan'ny handehanana. Natokona ny laoka, ary natao anaty 'cocotte minute' mba halemy. Teo ampiandrasana izany dia nijery blaogy aloha ! Kinanjo variana teo ! Tsy tsaroako hoe naharitra no nijanonako teo, ka nony nandeha hijery ilay laoka aho dia SETROKA BE NO TAO AN-DAKOZIA !!!!! Ny olana dia io no mety hatao laoka farany tao anaty frigo ry reto a, izany hoe voatery hiantsena aho izany anio ! Nefa rehefa miantsena raha zavatra kely no kasaina ho vidiana, atsasaky ny caddie no mivoaka ao ! Loza be faharoa ! 

'Ty blaogy-blaogy ity kay ahitan-doza ... Sealed aleo asiana fisainana fa tssss ! Sosotra aho izany, aleo tsy aseho an-drangahy aloha fa asa fontsiny !

Misy fanontaniana faharoa izay nanitikitika ny saiko efa ho 3 andro izay : fotoana maro no laniantsika eto ary misy ary ireo tahiry izay irina tsy ho lefy dia apetraka eto toy ny manao diary. Rahatrizay, mety ho foana ve ity blaogy ity ? Amiko mantsy mety ho jereko rahatrizay izy ity ahatsiarovako ny hatanorako sy ny nataoko fahiny. Ka raha afaka 20 taona, mety mbola ho eto ve izy ity sa ho lefin'ny teknôlôjia vaovao ka ho foana izay voasoratra eto ? Asa ! 

1 2 3  Manaraka»