‘Nde hiblaogy kely aloha fa tssss !

Dia sondriana aho nahita ity mariazin’i William sy i Kate tany Angletera ity, tsara endrika tokoa razazavavy toy ny nahita an’I Barbie sy Ken aho nahita azy ireo. Fa dia nahasondriana koa ny zavatra rehetra manodidina ilay fanambadiana :

- tena faly aok’izany ny anglisy, nanao fety be tokoa ny rehetra na tany an-tany lavitra ary, ary natao andro tsy niasana moa io andro io, nefa tsy misy andro tsy fiasana izany amin’ny kalandrie anglisy hono, mbola nitohy izany ny alatsinainy manaraka.

- voalaza koa fa nanao fanekena an-tsoratra I Kate, fanekena alohan’ny mariazy, fa raha hisy ny fisarahan’izy mivady any aoriana any dia tsy mahazo alàlana hitaiza ny zanany izy fa tsy maintsy ny mijanona @ i William ireo zanany

- I Pippo koa dia nampitodika ny rehetra koa fa sady tsara tarehy no akanjo tsotra fa mihaja no nianjaikany. Nahatonga resaka be hoe : mety raha mba io koa no ho vadin’ilay Harry zandriny lahy. Ity farany ity koa moa efa nisôdisôdy tamin’io andro io. Efa mifanamby indray ny anglisy hoe io indray no mariazy manaraka. Lasa nalaza tampoka ikala.  

- be moa ny fanamby t@ io mariazy io, ka anisan’ny nampihomehy ahy ilay hoe : “afaka 10mn dia ho resin-tory ao ampiangonana ity vadin’ny mpanjaka vavy Elizabeta”, ha ha ha, mahita atao mihitsy ireto anglisy ireto ka !

- nahatsikaritra koa aho fa tena olona milamina ny anglisy, nahita ireo vahoaka marobe mitanjozotra nankeo anoloan’ny lapa, milamina tsy misy mifanosika, rehefa hoe mijanona dia mijanona daholo fa tsy misy mihoatra ireto miaramila mihitsy na manosika azy ireo …. Aiza re izany raha any amin’ny tany hafa e, na ireo mpanao gazety frantsay ary gaga hoe tsy eto France no hanao toy izao

- efa hita taratra izao fa tsy miraharaha fiandrianana intsony ny andriana rehefa manambady, efa nisy fivorian’izy ireo momba izany moa, ireo andriana eoropeana izany, ary tapa-kevitra ry zalahy fa tsy hanao izany intsony satria mety tsy ahita vady tsara. Roturière moa izany no iantsona ity fianakavian’I Kate ity. Asa raha mbola misy izany any amintsika na ahoana, ho sarotra tokoa ve ?

 

Fa resaka hafa indray, vaovao nanintona ny saiko : maty I Ben Laden. Dia androany nahare tamin’ny fahitalavitra aho fa halefa any anaty ranomasina ny fatiny !!!! Odry, dia tena fiantsiana ady mihitsy izany kosa klé ! Dia hoy aho hoe ho raikitra izany ny ady ary dia ho avy Jesosy LOL ! Fantam-poko fatam-pirenena moa fa mpampihorohoro (terroriste) izy io ary “wanted” efa ela. Dia hoy aho anakampoko hoe : tsy izy irery no terôrista fa i Frantsa koa tena terôriste-n’i Afrika, moa tsy marina ve izany e ? Firy ny olona maty niaro ny taniny sy mahantra sy very asa … sns noho ny politikana halatra izay ataony nefa dia nikipian’izao tontolo izao maso satria afrikana mahantra ireny tsy manan-danja, INDRISY ! Mbola hanontaniana ireo mpitondra ireo ny aina nafoin’ireny olona tsy manan-tsiny ireny.

 

Izay aloha ny anio fa dia soava tsara daholo ry mpandalo rehetra eto amin’ity blaogiko ity.