Izao indray ary no azoko entina apetrako eto anio. Hetraketraka satria nanimba sy nanome fo ahy ilay izy ary nandany ny androko tsy araka ny nampoiziko azy.

T@ sabotsy alina aho no nahita tampoka raha nisavasava tao anaty findaiko hoe misy mis à jour vao tonga indray ny momba ny Androïd lasa 2.3.3. Efa tamin'ny 23h30 aho vao nahita ilay izy, saika tsy nahita torimaso fa maika ny ampitso hanaovana ilay izy hoa ! Vao tamin'ny 6 ora sy fahefany aho dia nitsangana ary nampirehitra moramora ordinatera. DIa raikitra ary ny fanaovana ilay izy efa tamin'ny 7ora sy fahefany fa mbola nikarakara ny tao an-trano fa alahady koa moa ka maika handeha nivavaka : sakafo, nipasoka, ... ! Lety e, lany teo ny fotoanako fa nataoko ihany ilay izy hoe ho mora ny ho fandehany. Kanjo ....... tsy vita alohan'ny nandehanana tany ampiangonana ilay izy, fa misy Baiboly moa tao anatiny ka izay no nahamaika ahy hoe tsy maintsy vita io alohan'ny hivoahako ny trano. Kay tena nandà impiry ilay finday fa misy olana foana !!!!! May ny endim-boanjoko dia navelako teo aloha fa lasa aho. 

 

tonga ny atoandro dia notohizana ny raharaha vao avy nisakafo. Tapak'andro teo aho nanao ilay izy foana, sosotra mihitsy ! Tsy hoe tsy mahay fa nanadala ilay finday sy ordinatera ... "nifamaly" ry zareo altLOL. Ny hariva efa tamin'ny 7 ora alina vao vitako ihany ilay izy. 

 

Saingy nisy pitsony kely tsy nampoiziko : tena tsy noraharahiny intsony ireo sauvegardes nataoko tanaty carte SD. Lety e, tao daholo anefa ny fika rehetra ..... indrindra ny contacts, sns e ! Sosotra mihitsy. Nony nandeha nijery forum aho, kay voa daholo ny olona rehetra niakatra Androïd 2.3.3 toa ahy : ilay izy hita rehefa jerena anaty ordinatera fa dia tsy fantatr'ilay finday intsony. Nikatso ny raharaha !!!!! Sosotra mafy ny tena, hery very maina, ary nanafatrafatra ny tao an-trano hoe aza ampiakarina aloha ny findainareo fa tena olana ilay izy, ary na ny mpanao ny Androïd ary tsy manana vahaolana. Tsy tafaveriko intsony ireo applications, contacts, ...... teo aloha, ary tsy misy fika hiverenanana amin'ny Androïd teo aloha koa anefany. Ny tena nahasosotra dia toy ny mihidy lakilé ilay carte SD tao anatiny, izaho anefany tsy te-hi formater koa. Dia NIANDRY ! 

 

Ny tena nampihomehy tamin'ilay izy dia misy manome solutions ihany fa tsy mety e. Dia nisy iray izay noraisiko ihany ny zavatra nasainy no-télécharger-na, eo ambany izany ireo olona isan-karazany manome fisaorana azy daholo hoe tena nety ilay izy fa misaotra indd fa récupérer toy ny teo aloha ny tao anaty cartes SD-ny sns !!!! Iny koa aho mba lasa naka ary, ary ITY no tao antiny, mety ilainareo ihany fa alaivo dia jereo anie e ! Tapaka be ny tsinaiko fa notehiriziko ato ihany ilay izy aloha fa ilaina koa, ary misaotra azy aho na dia tsy vahaolana nilaiko amin'ny findaiko ary no nomeny. 

 

Betsaka mihitsy ny mpitari-bava vilam-bato 

......... mpitari-bato vilam-bava mantsy e ! LOL !

 

Nahita vahaolana ihany aho omaly no niafarany ary dia natory alina be indray, hi hi hi ! Fa tadidinareo ity lahatsoratro ITY ? Nanome ahy vahaolana momba io Androïd 2.3.3 fa ataoko point d'émetteur wifi ho an'ny ordinaterako izao ilay findaiko ! Milay an alt

Ela tokoa izany tsy niblaogevana izany. Koa dia manararaotra ity gripa mahazo ahy ity aho anoratako eto : satria misy ny fotoana, ary mba tsy hatoriako fa te-hatory foana aho. Ny zavatra ho lazaiko eto anio, dia zavatra vao itako 5 andro izay, ary nahavariana ahy. Itony finday itony anie ka tena mahavita zavatra betsaka mihitsy ankehitriny e. Mitselatra kely fotsiny dia ahitana vaovao ao anatiny. Amin'ny fomba ahoana nefa no itselarany ? Amin'ny alalan'ny antsoina hoe FLASHCODE. Teknolojia kely vaovao tsotsotra nefa itako betsaka no ilàna azy, indd rehefa miantsena. Izao ary ilay izy : 

Ilay FLASHCODE dia code-barre 2D nataon'ny Association Française du Multimédia Mobile, araka izany dia eto France no misy azy. Ny mpikambana ao anatiny dia Bouygues Télécom, Orange, SFR, GESTE ary i ACSEL. Ao amin'ny flashcode izany dia misy zavatra kely efajoro kely be dia be mitambatra, toy ny itanareo eto ambany, afaka vakian'ny finday izay manana famakiana azy. Io famakiana azy io dia application kely afaka télécharger-nareo amin'ny Mobile Market ary mila installer-na, misy ny finday efa misy azy io avy hatrany. Betsaka ny sita internet ahafahana mi-télécharger azy io, arakaraky ny finday io, ohatra iray ITY, fa ny tsara dia ao amin'ny Mobile Market etsy ambony voalazako no akàna azy satria fantany avy hatrany ny momba ny findainao (Androïd, Iphone ...) ary finday misy fankàna sary ihany no mety aminy.

Ny ampiasana azy io dia betsaka, ary efa azo ahitana io izao ny entana rehetra ireo vita frantsay (farafaharatsiny) : 

- afaka mahita avy hatrany amin'ny tranokala ianao mikasika ilay produits eo anatrehanao raha tiana ny ahafantatra bebe kokoa azy (io dia rehefa miantsena eny amin'ny grandes surfaces). 

- afaka mandefa SMS na MMS na courrier mails ianao (izay mbola tsy nandramako)

- afaka manao carte de visite ianao : apetraka amin'ny taratasy avy aminao na ny orinasanao. Efa ahitako izany ny amin'ny relevé de Sécurité Sociale saingy tsy manome ny antsipiriany satria personnelles daholo ny ao anatiny, fa manome ny numéro an'ilay taratasy fontsiny, interne angamba no ampiasainy azy.

- mijery musique avy hatrany

- afaka mampahafantatra ny blog-nao na site-nao ianao : ity izao ny ahy

Flashcode du blog de Kdaombaramita 

Misy karazany izy io : akoatra ny ahy eto ambony (mety ho QR Code na Datamatrix) dia misy koa ny toy ny code barre kely izay, tsy ilay aampiasaina eny amin'ny caisse (iny mandeha ihany saingy alefany amin'ny google ianao mijery ilay entana) fa tena hafa mihitsy, kelikely toy ity forme voalazako ity ilay izy ary tsy misy numéro, saingy tsy nety nahavaky mihitsy aho na iray ary, maninona angaha.

Fa kosa rehefa nandramako, ireo fanafody izay ahitana flashcode dia tsy mamoaka ny momba azy noho ny antony efa fantatrareo angambany : tsy afaka ny hanao dokotera tenany ny olona.

Betsaka ny azo ampiasaina azy noho ny fivoaran'ny finday fa vitsivitsy ihany ireo voalazako etsy ambony ireo. Ary tsy maintsy connecté ianao rehefa mampiasa azy mba anomezany anao ny valiny ao anaty tranokala.

"Alika ny vazaha mopera" !

«Mialoha   1 2