Apetrako eto ity tantaran'Ambondrombe ity satria nahaliana ahy, fahiny izy ity no nandeha radio. Tiako ho tehirizina eto, koa mazotoa mamaky ary e. Misaotra ilay olona nametraka azy tatsy amin'ny forum tatsy.

 

Misiterin’Ambondrombe, Mitantara Ing. Latimer Rangers

 

Nahoraka tato ho ato ny resaka Ambondrombe. Manjavozavo amin’ny maro, fa indrindra ho an’ireo tanora vao misandratra ny nomba ity tendrombohitra feno misitery ity. Heverinay fa hampisinda, na ny ampahany fotsiny aza, amin’ireo fanontaniana mifamahofaho mikasika ity toerana manan-tantara ity ny famohazana indray ny fitadidian’Ingahy Latimer Rangers, ilay mpanao gazety fahiny tao amin’ny radiom-pirenena malagasy, fanta-daza efa nihanika ny tampon’Ambondrombe.

Ohabolana fampiasa matetika tety Imerina ny hoe : « Rafotsibe maty andro nandroana, sady tsy henina ny ety, no tsy henina ny any Ambondrombe ! ». Tsy vao androany no nampisy sahoan-dresaka momba an’ity faritra manan-tantara ity. Fahiny, ny finoana nentin-drazana dia nametraka fa mamonjy an’Ambondrombe daholo ny fanahin’ny malagasy rehetra izay nodimandry, fa tsy mankany an-danitra na any amin’ny helo akory. Raha faritana tsotsotra ara-jeografia, manolotra avaratry ny tendrombohitra Andringitra, ao anatin’ny distrikan’i Ambalavao Tsienimparihy, no ahitana an’Ambondrombe. Ny kaominin’Ambohimahamasina no mamaritra azy, izay sahabo ho 50 km miala ny tanànan’Ambalavao Tsienimparihy, faritra Matsiatra Ambony. (tohiny)