Ity trangan-javatra iray ity no mba manitikitika ny saiko. Resaka ankizy izy ity ka manahirana ihany satria tsy zanakao no manao azy fa an'olona. Aty andafy mantsy dia tazaina libre ny ankizy, hany ka tsy ananany intsony ny fahalalam-pomba, tsy manaja olona fa dia manao izay tiany.

 

Rehefa tonga ato an-trano ny zanaky ny namako, dia tena gaga aho tsy mba teneniny rehefa manao ny tsy tokony atao ilay zaza. Ny taonan'ireo zaza dia tena ao amin'ny tokony fotoana hanamboarana azy mihitsy anefany : 5 taona h@ 10 taona. Izao ny zava-miseho matetika : manimba zavatra ilay ankizy (oh : mamaha finday tsy mahazo alalana), mikarokaroka eran'ny trano tsy mahazo alalana @ tompon-trano, maka zavatra tsy azo kitihina anaty vitrine (oh : collections). Ny zanako naterako ary tsy mahazo maka ary atao fantatry ny ankizy vao tonga mihitsy fa na dia ny ahy ary tsy mahazo mandray sy manao toy izany fa bediko ... be ireo zavatra tsy tokony hataonao rehefa any an-tranon'olona ! Nefa dia manao izany ireo ankizy eo imason'ny ray aman-dreniny izay manatrika ny zava-miseho tsy miteny koa. Sosotra ianao, satria toy ny tenanao no lasa mpiambina ny zanany fa izy tsy mi-réagir, tsy miteny. Tsy lazaina intsony ny kilalaon-janako potika rehefa mandalo ry zareo : toy ny natao ho simbany ny nividianako azy. Miverina manao ireo ankizy nefa dia mbola tsy rototra ihany ilay parents !!!! Tezitra ianao ary lasa sosotra @ ireto ankizy, efa fantatry ny parents-ny anefa ny zava-miseho !!!! Inona no hatao ary ? Dia torak'izany foana : lasa mitaiza ny zanany ianao rehefa tonga izy fa izy tena miala voly tanteraka tonga ao aminao !!!!!!! 

Asakasakatsika izay manan-janaka e ! Ny ahy afarako tsara rehefa miditra an-tranon'olona !