Asa, mety misy azo ampidirina ho teny ôfisialy malagasy ve izy itony satria misy ny tena efa fampiasa andavan'andro, sady ny teny anie mivoatra koa. Misy kosa anefa ireo tsy mety satria manapotika ny teny malagasy tsara rafitra toy ny " fahafinaretana (fafiny) ", fa ireo teny vaovao no tena tiako ho lazaina. 

Milay = favy : tsara ----> tsy fantam-pihaviana

Raitra = tsara

Manal'azy : stress ve no esorina ?   

Môly, daina : rongony  --- > hanamôly, midaina = hisotro na hifoka rongony

Misangôjy = misaritaka, misavoritaka, mifamahofaho

Motika = sakafo ---> himotika = hisakafo : nalaina t@ teny hoe " potika ", nafohezina dia nanome io teny io 

Fika = traikefa na zavatra na koa " truc " @ teny frantsay

Traikefa = hevitra nahazoana vokatra tsara 

Fafiny : fanafohezana ny hoe " fahafinaretana ".

Kobo = fantatra 

Bôfitra : mandefa rivotra Yell

Mikaozy : causer

Sipa : Passe-passer-na hono dia natao hoe sipa, moa ve @ vehivavy ihany io no ampiasaina ? Ny bandy koa anie mba ..... voapasipasy na manapasipasy tena e  ! Ha ha ha Cool

Pawa : tsy dia haiko loatra no niandohan'io

Tsikoa : (mampihomehy be izy io ! Laughing ) Tsy misy quoi, na tsy misy inona mety hahataitra. 

Pi = vtoaka ---> hanapi = hisotro toaka 

.............. Betsaka ireo hafa fa tsy mbola tadidiko ! Raha misy diso dia azonareo ahitsy.