I Soa kelin'i Dada sy i Mama
 

(Tiako be ity lahatsoratro iray ity dia averiko eto indray na dia efa tamin'ny volana jolay ary !) 

Fony mbola tanora saina, rehefa mitso-drano ireo nahitana masoandro, na tsy voateniny daholo ary ireto teny ireto dia tsapa fa tao anatin'ny tiany ho lazaina daholo. Rehefa miatrika fiainana vao tena mahatsapa azy fa eo ampihainoana azy matetika tsy takatry ny saina mihitsy. Henoy tsara anie rehefa miteny izy ireo fa mifono zavatra lalina ny resaka ataony :


Tsofina rano ireo sombin'ny aina mba ho tafita amin'ny ambony indrindra. Ho olon-kendry sy marina koa, ho reharehan'ny fianakavina sy ny tanindrazana. Ho arahin-jazalahy sy zazavavy, ary ho fenitry ny tanora ankehitriny.



Koa dia ario sy ialao lavitra ny ditra, ny rongony, ny toaka, ny fijangajangana, ny sigara, ny tsy fanajana ray aman-dreny, ny vonoan'olona, ny fialonana, ny tsy fitiavana, fiatsarambelonatsihy, ny fitiavan-tena, ny lolom-po... sns.



Manàna herim-po sy herin-tsaina, mahaiza mandanjalanja ny tokony hatao, aza adino ny fanajana olona, ny firaisan-kina, aza mora kivy satria ny tsy mety atao no angalana anatra eo amin'ny fiainana, hajao ireo ray aman-dreny sy ny fianakaviana, aza mora tezitra, mahaiza misariaka aman'olona sy mandray olona, hajao ny asa fa io no ivelomana ... sns.



Akoatr'ireo ny fampianarana mitondra tokatrano sy ny fahaizana mikarakara izany dia hita tamin'ireo fihetsika andavan'andro izay ataony, toy ny fanasana lamba, ny fandrahoana sakafo, ny fanadiovana ny trano, ny fahaizana manao économie, ny fiantsenana, ... sns.


Eny, betsaka ireo tiany ampitaina satria tiany ho anisan'ny olona feno fahendrena, fahalalàna, fahaizana ary fitiavana i Soa kelin'i Dada sy i Mama. Ireto farany koa dia tia anao lalandava ka na tsy izao ary dia efa tanteraka ireo izay nokatsahany ho anao dia mitohy ihany ny teniny satria fantany fa mipetraka ao an-tsainao izay voateniny ka ho ampiasainao sy ho ampitainao rehefa tonga ny fotoana.



Mahobiaza rahavako.

Kdômbitah