Efa mirefarefa 
sy tsy ho tana ny hazavàna 
Antananarivo no tsara trano ka vakiniadiana no sola vatony.
Ventso ihany sisa 
no voatanisa fa tsy tamàna 
Tsaroako indray e 
Ny any aminay 

Ireo vorona mody e 
misodisody mikopaka eny 
Ampombaiko veloma 
fa tsy hay antsoina 
i Kaky sy i Neny 

Toa hitako sary eto anoloana 
mijinja vary eny am-pamoloana 
Ny nanovo rano 
miloloha siny 
mitantara angano 
toy ny fahiny 

Manako moramora 
toa manakora ny rian-drano 
Ny nofy eny manga 
ny maso foana manganohano 
Singany irery ts'isy mpijery 

Erika mifafifafy ny onja mihamafy 
manao patrakala 
Sarin'ny foko ao anaty 
toa tsy mahatanty 
fa lavi-malala                                                        
(Bouboul)