Nandeha izahay tamin’ny sabotsy fa nisy olona ho jerena. Nipaozipaozy ery niala ny trano re ity izaho. Làlana teo amin’ny 1h15 no novakiana tamin’ny fiara, maika ery hahita izay hasehon’ilay olona. Tonga tamin’ny toerana nifanaovana fotoana. Niala ny fiara, jenitra ery. Kinanjo nibolisatra kely ny tongotra somary nivadika kely. Ny kapa nanaovana toy ilay skobido ireny, fa endriny mihaja araka ny lamaody ankehitriny. Tapaka re ity izy e !!!!!!!!!! Nihezaka ny namindra fa tsy nisy fanafodiny e, ilay tahony iray avy aty havanana no nanondrana moa. Hany hery dia niteny moramora hoe ; “tapaka ny kiraroko, fa aleo hajanoko any anaty fiara” (Hi hi hi, mihomeheza e !). Dia lasa nijery izay zavatra ho jerena ihany moa nandeha tongotra no niafarany. Fa ny tena olana dia nony niala avy eo nandeha nijery kiraro tany amin’ny mpivarotra : somary lavitra ihany ny parking nasiana ny fiara. Niala nanao dia tongotra tao anaty fiara fa tsy sahiko nirahina koa ity olona niaraka tamiko sao tsy araka ny tiako no entiny miverina. Oaina be e ! Nitsaitsaika mandeha mba tsy ho hitan’ny olona, nefa inona no teo fa feno embouteillage ny làlana ka toy ny hoe nijery ny tongotra ny olona no fahitako azy, sady ilay rehefa mijanona kely ny fiara mamela anao hiampita no tena tsy tantiko. Ha ha ha, aza manody marina !