Vitsivitsy ihany ireto fa be no mbola tsy tadidiko :

TSY TIAKO NY :

-      Rehefa misakafo dia mandeha mafy be ny télé. Tena tsy henoko mihitsy ny tsiron-tsakafo fa any loatra ny loha. No sady aleoko miresaka ambony latabatra fa eo no hahenoko ny zava-miseho rehetra mahazo ny fianakaviana.

-      Mifanena amin’ny olona be maro nefa voatery manao “bisous”  azy rehetra. Aza mba tonga @ ora farany mialoha fanatrehana fivoriana ihany fa tena leo mitodika ankavia sy ankavanana ny loha in-…….dimapolo ohatra Innocent !!!

-      Miaritra mihaino olona miresaka nefa tena tsy any mihitsy ny fironan’ny saiko. Nandeha nody aho avy nianatra indray mandeha ohatra, tafara-dàlana t@ ilay namako (izay miseho ho snob be) mitantara ny fiainan-dry zareo, izay tena tsy alehany ho an’ny gasy tsotsotra. Tsy nisy azo nialàna fa dia ny hany nataoko dia tsy nihaino azy fa nataoko radio teo fontsiny fa zavatra hafa no nalehan’ny saiko nandritra izany. Soa fa izaho no nivily làlana voalohany t@ izay !  

-      Ilay nividy kapila tena izy (original)  misy tantara gasy, ary tsy vita h@ farany ilay tantara fa tapaka, tsy voasikotra tsara ilay kapila … ! Anatra ho an’ny manaraka fa tsy nety nivoatra mihitsy ilay Malagasy @ “vita gasy” h@ izao hay ! 

-      Fomban’ny lehilahy gasy any @ tanàna rehefa mahita vehivavy dia mikitika fa tsy mba mijerijery fontsiny ! Tena rikoriko mihitsy ianao rehefa tratran’izay, tsy inon’inonao ve dia kitihina, efa tsy valahara mihitsy ny toy ireny ! Koa dia miovà toetrany lahilahy gasy ô !

-      Ilay manofy zavatra mampitahotra ahy. Tsy vitan’ny indray alina ihany fa mitohy ilay izy ny alina manaraka na aty aorina. Ny nanjo ahy ohatra dia mandeha amoron-dranomasina aho kanjo niakatra tampoka ny ranomasina dia nihazakazaka aho miala haingana, nefa tratra ihany ! Miverimberina io ! Tena sorena mihitsy rehefa mifoha.

-      

GAGA AHO ANKEHITRINY : 

-      Fa tena havanana miteny anglisy andavan’andro ny tanora Malagasy, tena midoka azy ireny aho. T@ izaho nandalo tany Dago farany, dia variana mihaino ireo zaza 11 sy 12 taona miresaka @ io teny io. Fa hay ve tsy ny frantsay ihany no teny vahiny e ! T@ fotoan’androny mantsy dia io frantsay io no toy ny teny faharoa fampiasa tao Madagasikara. Nanomboka oviana ary izao ? 

-      Nefa kosa, ho setriny dia itako ho tena lasa nalefaka ny fahaizana teny Malagasy indrindra rehefa manoratra. Manginy fontsiny moa noho ny fahatongavan’ny finday vao maika lasa very ny atsasa-manila. 

 

                                                                      Mbola betsaka ny mahalasa saina e !

 NB : tsidio koa I T Y