Manohy ny resak'i Simp amin'ilay hoe "andao ho fenoina ny voambolana malagasy aho" eto. Herinandron'ny teny malagasy hono any amin'ny fb, efa itako io talohan'ny nialako tany (sao misy milaza indray eo fa hay mitsikilo any aho, ha ha ha), fa tsy tafa any intsony aho dia eto no anehoako ny ahy.

Ny ahy indray ny mba tiako ho asiana fanagasiana dia ny mikasika ny "ordinateur", efa nisy siosion-dresaka ihany izy ity taona 2 na 3 lasa izay tany amin'ny fifanakalozan-kevitra (forum) moov tany. Tsy haiko aloha na efa nisy voambolana vaovao mikasika ireo fitaovana @ ordinatera toy ny : souris, écran, clavier, unité centrale, ordinateur portable ...... sy itony momba ny téknolojia vaovao mivoaka toy ny : tabs, Ipod, Ipad, mp3, lecteur dvd ..... Tsaroako fa raikitra ny resaka tao amin'ny forum tamin'izay fa nisy olona tao nilaza fa mpiasan'ny académie malagasy (moa ?) ka naka ny hevitry ny olona manome teny vaovao mikasika ny ordinatera, dia ny natolotro momba ny écran tamin'izay dia hoe tarazava, izany hoe fitaratra+mazava no nakambana, ny souris dia totozy ihany, nefa mety misy tsara noho io ohatra hoe "biby maloto" LOL ! 

Ny curseur ohatra dia atao hoe : maivana, sa maninona mihitsy moa raha atao hoe tsirelanja satria tsy heno akory ny lanjany nefa dia mora afindra, LOL, unité centrale : foibe mpiketrika na koa hoe fiketrehana, clavier ohatra dia hoe tendry, ....

Anareo ny ambiny raha misy teny itanareo fa mety hanendrena ireo fitaovana ireo, dia ho itantsika eo fa hahafinaritra ny mahita teny malagasy fahiny mipoitra moramora ampiasaina amin'ny zava-baovao ankehitriny.  Be mantsy ny tenindrazana izay tsy hay intsony ny mampiasa azy na tsy fantatra intsony ny fisiany nefa maro ny mitaraina fa tsy ampy ny voambolana malagasy hanehoana hevitra.  

----------------------

Fa izany eo ihany fa ity anaran'ny blaogiko KDAOMBARAMITA ity no tiako asiana teny kely satria voambolana malagasy koa izy ity no nalaiko : 

kidoana (fototeny "doana") + varatra + mita : misy diso kely izany ilay Kdaombaramita anaran'ny blaogiko fa tokony hoe KIDOAMBARAMITA no tena teny malagasy, fa tsy maninona fa efa io anarana io no ahafantaran'ny be sy ny maro ny blaogiko.

Dia ny mahatonga ilay hoe KIDOAMBITA aorian'ny ilay teny kidoambaramita dia satria : 

kidoana + vita izany hoe vita ilay feo nikidoana be teo. 

Fa io teny io dia entina ilazana ny feon'aponga tany fahiny midobodoboka, hany ka entina manaraka ny fidoboky ny aponga ireo teny roa ireo matetika.

KIDOAMBARAMITA   KIDOAMBITA !!!!!!