Mba nifoha maraina aho, nikarakara sakafo alohan'ny handehanana. Natokona ny laoka, ary natao anaty 'cocotte minute' mba halemy. Teo ampiandrasana izany dia nijery blaogy aloha ! Kinanjo variana teo ! Tsy tsaroako hoe naharitra no nijanonako teo, ka nony nandeha hijery ilay laoka aho dia SETROKA BE NO TAO AN-DAKOZIA !!!!! Ny olana dia io no mety hatao laoka farany tao anaty frigo ry reto a, izany hoe voatery hiantsena aho izany anio ! Nefa rehefa miantsena raha zavatra kely no kasaina ho vidiana, atsasaky ny caddie no mivoaka ao ! Loza be faharoa ! 

'Ty blaogy-blaogy ity kay ahitan-doza ... Sealed aleo asiana fisainana fa tssss ! Sosotra aho izany, aleo tsy aseho an-drangahy aloha fa asa fontsiny !

Misy fanontaniana faharoa izay nanitikitika ny saiko efa ho 3 andro izay : fotoana maro no laniantsika eto ary misy ary ireo tahiry izay irina tsy ho lefy dia apetraka eto toy ny manao diary. Rahatrizay, mety ho foana ve ity blaogy ity ? Amiko mantsy mety ho jereko rahatrizay izy ity ahatsiarovako ny hatanorako sy ny nataoko fahiny. Ka raha afaka 20 taona, mety mbola ho eto ve izy ity sa ho lefin'ny teknôlôjia vaovao ka ho foana izay voasoratra eto ? Asa ! 

 

- Aiza izy teo ?

- Hi hi hi, lasa niakatra any ambony any !

- any ambony any ?

– ie, itako niakatra ny tohotra teo ko !

- Hi hi hi, mihinan’ny fatiny ny any ambony any izany, sady nitokiky izahay !

 

Feo : PAN !VLAN ! BADABOUM ! KDAOMBARAMITA ! KDOAMBITA ! ............ velona ny vely kibay any ambony !

 

- Hay fa inona koa ary izany ! sady manoaka io aho mahare fanaka mikisakisaka sy tongotra mihazakazaka @ 3 ora maraina !

- izay ilay voalavo fa tratra ! hoy ny feo teo akaikiko

- grrrrrrrr ! ha ha ha !!!! Money mouth

 

 

Hafa indray ity :

- hay, taitra be aho fa nifanena tamina voalavo tao an-tohotra

- ie izaho koa mpifanena aminy rehefa maraina be iny izy midina avy any ambony any

- toa ilay vary amin’ny gony anie no handehanany ao e !

- ie, itako ireny kiloadoaka amin’ny gony ireny fa efa rovitra ilay izy

- dia angambany izy matory ao amin’ny lamba ao koa rehefa avy eo dia iny mody maraina iny ! ha ha ha !

- sady rehefa harivariva manidy trano iny aho no mifanena aminy, mba samy mitsamboatra izahay rehefa mifanena ao an-tohotra fa angaha tsy mampihomehy !

- tandremo ny manopa azy ireny anie fa tena manimba zavatra be mihitsy rehefa opaina hono!

- aiza koa, tena mba minomino foana tokoa ianareo izany koa ! Voalavo ve hahalala izay voalazan’olombelona e !

- eny ary fa ataovy koa.

- “R'ilay  voalavo alika maty tsy vanona ity a, matesa faingana” Cool…. Ho hita eo anie rahampitso ary e !

Maraina ny andro, naka akanjo aho ho pasohana :

- andray Surprised, tena rovidrovitra daholo ireto akanjo r’itony e !

- aiza ? ……….. io ary ilay nanopa voalavo omaly ! efa nolazaiko fa be kizitina, izao no vokany ! Undecided