Itantarako ity ianareo fa mba nampalahelo ahy. 

Izahay moa dia mipetraka ambany rihana, izany hoe misy vehivavy iray nilaozan'ny vadiny mipetraka sy birao ray no ao ambony, dia izay. Tamin'ny zoma 18 mey aho no nantsoin'ilay tao amin'ny birao ao ambony hoe : 

- oviana no itanao farany ilay ramatoa ato ? 

- toa tamin'ny talata izy izay, hoy aho, araka ny nolazain-janako. 

- Fa maninona ?  

- tsy izany fa araka ny filazan'ny olona mandalo rehetra ato dia misy fofona maimbo ao an-tohotra ao, ary misy lalitra mihaodihaody.

- An an an, raha misy manjo azy tokony ho efa nivezivezy tao ny fianakaviany satria toa mankany foana izy isan'andro mikarakara an-dreniny moa sa rahaviny misy kilema.

- Ka inona no tokony ataoko izany ? hiantso pompier ve izaho sa ahoana ? sa hiantso ny angence immobilière ? 

Lasa tokoa aho nijery ary dia nisy fofona hafahafa tokoa, fofona maimbo. Asa raha mahatsikaritra ianareo rehefa mandalo cimetière fa izahay rehefa mandalo ireny dia misy fofona maimbo foana, anaty fiara io dia re an. Ary dia nandondona tao amin-drafotsy, fa efa mandroso taona ihany ity olona mipetraka irery no sady misotrosotra rahateo. Tsy nisy namaly, ary dia norohoko ny manodidina ny varavarana ka injay tokoa ilay fofona fandreko, ary dia misy lalitra mihaodihaody tokoa manodidina eo. Koditra aho ! Ary dia niantso ny angence immobilière mitantana ny trano. Nilaza io anefa fa tsy manana ny numéro téléphone-ny, efa fantatro fa tsy tian-drafotsy nomena io izy, fa hijery ny dossiers-ny ihany sao mahita numéro tampoka ao. Nony kelikely dia naneno ny téléphone-ko hoe : "maty izy, fa nahazo ny rahavaviny aho, ary toa eo am-pandevenana mihitsy izy araka ny fandrenesako ny manodidina tamin'izaho niantso azy" hoy ny  agence .... Izany hoe tsy maty ao an-tranony kay izy izany fa maty tany amin'ny havany ! Ouf ! Maika aho fa fantatro fa tsy maintsy ilay fiangonana catho etsy ankilanay etsy no tsy maintsy hidiran'ny fatiny, koa raha iny ndeha hanontany ny olona efa nijorojoro teo iny aho hoe iza no olona maty andrasanareo eto, dia indro ny vadiny itako nitondra ny voninkazo mialoha ny corbillard. Izany hoe 5mn taorian'ny naharenesako hoe maty ilay olona no nidiran'ny fatiny ny fiangonana tetsy. Tampoka loatra tamiko ilay izy. Efa voalazako aminareo TATO moa fa ny aty raha maty anio dia rahampitso dia tonga dia alevina. Hatramin'izao anoratako izao aho dia mbola tsy mino foana hoe ilay olona fiarahabako isa-maraina sy mpanome voankazo anay iny tsy eo intsony ! Ny nahalasa saina ahy moa dia hoe mba nisy fampandrenesana "nataony taminay" ihany izany ny nahafatesany, tsy mitompo teny fatratra ny fahamarian'izany aho fa mba izay fontsiny no tato an-tsaiko amin'ny mahanofo sy rà ahy, tsy haiko izay fandehan'ny zava-mitranga any an-koatra any fa dia mahalasa saina fontsiny hoe mba nisy signe ka nahafahanay nanotrona azy farany tao ampiangonana izahay. Izahay rahateo moa sy nifanerasera tamin'ny fianakaviany satria tsy mpakao aminy ireo olona ireo. Ny vadiny izay nandao azy no hany fantatray.

 

Zavatra hafa indray ity resahako ity. Voamariko fa isaky ny misy olona maty ao amin'ny fianakavianay, dia misy olona teraka koa ao anatiny. Izany hoe fotoana fohy aoriana na mialoha ilay fahafatesana io zava-mitranga io. Fanamarihana fotsiny ny ahy fa tsy araka ny anaty Baiboly izay inoako. Ka mahalasa ny saiko hoe moa ve ny fanahin'ireny maty ireny omen'ilay Nahary 2ème chance indray fa nisy tsy fahatanterahana tsy hahazoany miditra ny fiainana mandrakizay, ka averiny hiaina fanindroany indray ? Eritreritro fotsiny io hoy aho an. Asa re, fa soa fa tsy afaka ny hanamarina izany aho. Ka raha toa ary ka ho faty ny tsirairay dia soa fa tsy misy tadidiny ny zava-nitranga teo aloha.

 

Amin'ny manaraka .................

......... vita teo ny fiainana ! "Tornade" na tadio no nisy teny amin’ny masoandro tamin’ny 25 septembre 2011 lasa teo. Izy ity dia niseho teny amin’ny fanambonin’ny masoandro : rivotra mamay mahatratra 2 000 000°C no voatsikaritri’ireo manampahaizana britanika, mahatratra 300 000km/h kosa no fifindrany teny amin’ny habakabaky ny masoandro. Ny habeny dia mahatratra in-5 ny haben’ny tany izany, ary azony natao tsara mihitsy ny nitroka ny tany raha tsy voatanan’ny endrambin’ny masoandro ilay izy. Asa raha azonareo an-tsaina ny nitranga tany Japon, ilay nanapoahan'ny amerikana baomba atomika, fa tena may kila daholo ny olona manodidina, tsy haiko na nahatratra diry ny manodidina tratra, fa izay mbola velona dia nitondra takaitra. Koa raha ny masoandro no ho tonga aty dia asa fotsiny fa dia tena na ny maty anaty volokano aza mbola tsy mety hahalaza azy, pitika lavenona toy ny loham-panjaitra sisa no hiafarana angambany an ! Pouaaahhh !

Dia mivanaka ny saina hoe : tsy ny fananako eto an-tany mihitsy anie no hanavotra ahy rehefa ho tonga ny farany. Mahita ireny olona lasa mialoha ireny ny saina dia lasa an’eritreritra hoe misaraka 2 ny olombelona : vatana ny fanahy, ilay natsofok’Andriamanitra tamin’ny fofon’ainy tanatin'ilay fotaka misarin'olona tamin’ny andro fahafito. Rehefa maty ny olona dia ilay vatana miverina ho tany tsy misy ahafantarana azy intsony. Tsy ilay olona manam-pahaizana sy tsara tarehy sy nanao ratsy na ny tsara intsony fa mitovy daholo : VOVO-TANY. Fa ilay ambiny faharoa kosa, dia miakatra miverina amin’ilay nanome azy. Eo dia fantatra fa tsy hisy hahalala intsony ianao satria efa fanahy sisa, Izy irery ihany no mahafantatra anao. Lasa manidina amin’ny hafainganam-pandehan’ny hazavana “année de lumière” ianao eny anabakabaka eny, adino daholo ny rehetra, tsy misy tadidy intsony ny teo aloha (fianakans, fahaizana, fananana, ….) nilaozana daholo izany rehetra izany ! Fa izao kosa : ny tsy hitovizan’ny rehetra dia nikarakaranao io fanahinao iny fony tety an-tany. Izay nahakarakara izany mba hiverenany amin’ilay Nahary dia hiverina any.

Ny tiako ahatongavana dia hoe : mety ho tonga tampoka ny tsy ampoizina atsy ho atsy, voasolelaky ny tadio mahamay anabakabaka toy io voalazako etsy ambony io ohatra, ka ho fongana sy misy ho raisina intsony fa lasa lavenona tsy ho lasa vovo-tany akory ary. Koa samia mikarakara ilay fanahy fony izao mbola velona izao mba hiverenany amin’ilay nanome azy rehefa tonga ilay fotoana tsy ampoizina.

Marefo dia marefo ny fiainan’ny olombelona mihoatra amin’ny zava-miseho amin’ny habakabaka. Moa tsy izany ve no nahafongana ny dinoazaoro fahiny ? Soa anefa fa maty daholo izy ireny fa raha tsy izany dia ny “raptor” sy ny tyrannosaures sns no ho fahavalo tsy mety ho resintsika.  eto 

Tadio teny amin'ny masoandro

«Mialoha   1 2 3 4 5 6 7 8 9 10 ... 38 39 40  Manaraka»