Indreto sary vitsivitsy itako tetsy sy teroa, ahatsiarovana ny fahiny, misy moa azo t@ izaho mbola tsy teraka koa aloha e. Ilay loharano ao Faravohitra moa dia  izao aho vao mahalala ny fisiany nefa aho nianatra tao amin'ny Lycée Jules Ferry, taiza ho aiza ary izany ? Itanareo ao koa angambany ny tranonareo t@ izany, ny làlana izan-karazany. Jereo tsara anie ! Mbetika koa aho toa mahita ny sarin'ny dadanay sy ny mamanay teny Antanarenina. Ankafizo e !

 

                                                                                                                                           Vita tompoko ô !

Tsy haiko raha manjo anareo ity mpahazo ahy ity. Rehefa misy zavatra itako ahatsiarovako ny taloha dia tena manao "retour vers le passé" ny saiko.

Ohatra hoe misy hira izao, hira tena tiako be mihitsy tamin'izany fotoana na nanamarika ny fiainako, dia miverina mitamberina daholo ao an-tsaiko ireo fahatsiarovana mahafinaritra rehetra, toy ny tsy mipaika tany ny tenako fa lasa, mandrevy ny itako fahiny ! Nisy izao tao amin'ny Fb tao, nisy vidéo napetrak'ilay namana iray miaraka amin'ny hira, fa t@ ireo sary hoy ianareo dia tena nisy zavatra tsaroako tampoka : harivariva tany Madagasikara fahiny. Asa raha mahatsikaritra ianareo fa misy ny hariva toy ny menamena volo daholo ny jerena rehetra noho ny tanamasoandro, dia vao nahita ilay izy ny saiko tonga dia nilamina be nahatsiaro ireo fahiny fony aho tao an-tranon'i Dada sy Mama mitazana eo an-davarangana. Dia iny, nanidina indray ny saiko nanao tamberina. Ny mahatsara ilay izy aloha dia mba ny zavatra tsara matetika no miverina moramora ary indrindra mampifaly saina, fa ny zavatra ratsy dia tsy misy firy. Toe-javatra efa aman-taonany maro io tsaroana io. 

Dia hoy aho hoe : mety hisy ihany ve ny masinina hahavita hampandeha any amin'ny fahiny e ? Asa any aoriana any, fa dia hisy ny higoka ny mamy raha izany tokoa no ho tanteraka. Ny masinina tadiavin-dRaolombelona koa moa dia ahafahany manova ny ankehitriny mihitsyIzaho moa dia mahatsapa izany fontsiny aloha h@ izao @ alalan'ny hira sy ny jery. Mbola manidina kely fontsiny nefa mamy e ...... manonofy tsy mikipy/matory angambany no tena azo ilazàna azy !!! 

Raha ny zavatra mahasosotra indray dia zavatra vao haingana no tsaroana ! Mampiteny irery mihitsy hoe tahaka izay nataoko izao, na novaliako hoe, na ...... Io indray dia misy olona mitovy amiko ary gaga aho fa olona tsy misy ifandraisany amiko mihitsy ny toetrany anefany an, fa sendra tafaresaka izahay indray andro hoe tena mampiteny irery mihitsy ilay izy. Nihevitra mantsy aho hoe sao nivadik'atidoha, hay mpanjo ny olona izany ity tranga ity.

Miasa loatra hoy aho ilay saina, mandeha haingana ny fotoana ka ny taloha no miverimberina ao an-tsaina tiana hiainana maharitra. Matetika ny tokony atao tsy vita mampimenomenona.

Tsetsatsetsa tsy aritra iny ry zareo fa toy ny mangina ny blaogy tato ho ato nefa ny zavatra tiana ho lazaina betsaka. Mbola ho avy i Ketaka fa ny fotoana itendrena masinina no tsy misy ! Soava daholo e !