Asa, mety misy azo ampidirina ho teny ôfisialy malagasy ve izy itony satria misy ny tena efa fampiasa andavan'andro, sady ny teny anie mivoatra koa. Misy kosa anefa ireo tsy mety satria manapotika ny teny malagasy tsara rafitra toy ny " fahafinaretana (fafiny) ", fa ireo teny vaovao no tena tiako ho lazaina. 

Milay = favy : tsara ----> tsy fantam-pihaviana

Raitra = tsara

Manal'azy : stress ve no esorina ?     (tohiny)

Kdômbitah !

                
TENINDRAZAKO

Ilay teny, tenindrazako
Dia haiko tsy nindramiko
Nanaovana ny lelako
Ka haiko tsy avelako


Lalaiko f'io ny teniko
Iombonako amin-dreniko
Tsy afaka ao am-bavako
Mambabo ny fitiavako

 
Vao vaky ny fibadako
Teo an-trotron'i dadako
Dia io no nisantarako
Ny angolam-pahasambarako

 

Fiteny aombiazako
'Lay teny soa an'ny razako
Nanaovana ny fiainako
Namboatra ny fisainako.
   

Kdômbitah !

Iza no mahatdidy ity toerana ity ?
Efa tamin'ny 1974 aho no tany nefa mbola itako ao foana io baobab io t@ izaho nandalo tany tamin'ny janoary 2007.
Firy taona ary izy io ?
Kdômbitah

Ahatsiarovako ilay any aminay e ! Indrindra rehefa tonga ny hoe " litchis de Madagascar " eny amin'ny mpivarotra lehibe ! MIAMMMM ! Fantatrareo moa fa ny manga ny voankazo mahazo ny laharana faharoa tena be mpihinana indrindra eran-tany aorian'ny akondro ?

Kdômbitah !