Maditra, mpandazalaza, mihanta, be tomany, mafy loha, mandreraka, ... nefa dia : mahafatifaty, lalaiko, tsy foiko. Raha hendry ianao sombinaina, tsy misy maha-ory ireo havizanana mampitaraina, tsy tsapako akory. Satria hendry ianao sombinaina, izaho manantena fa manana olona azo antenaina.


Manahoana daholo e ! Henoko tamin'ny radio vao teo fa "journée internationale de la gentillesse" anio. Dia misy ny olona izay nalaina feo tamin'ny radio milaza ny nataony : 

- J'ai emmené des croissants pour mes collègues ce matin, hé hé hé !

- J'ai donné 2 euros à un sdf, ce n'est pas beaucoup mais c'est déjà pour s'acheter un café 

- C'est pas fatigant ? hoy ny mpanontany. Valiny : "Oui, sourire avec tout le monde fatigue le visage, mais je me reposerai demain !" (tapaka ny tsinaiko) 

Izaho kosa izao vao nahare ity andro ity h@ izay niainako ary itako fa tsara. Tsy fantatro izay mbola hataoko fa dia efa reko izao, na dia rahampitso ary tsy maninona fa hoy ny vazaha hoe : "Mieux vaut tard que jamais". Soa aloha fa mba gentille tamin'ny tenako aho nividy zavatra niriko h@ izay, sady efa feno kilalao eny amin'ny magasins ! ha ha ha ! (Inona ary izany hoy ny sasany ?).

Fa ny anareo : inona no mba mety hataonareo izao na dia tara kely ary tsy maninona e ! Raha nisy olona nahasosotra tany ho any dia mba zakaina ny @ ity indray mitoraka ity dia hadinoina noho ity andro voatokana ity e, samy hahasoa ny andaniny sy ny ankilany izay e ! Sa ahoana ?

Izay ary, mazotoa daholo ô ô ô ! 

"BISOUX SPECIAUX" androany ho anareo rehetra Kiss 

Mahafinaritra fa mba nitsangatsagana harivariva omaly dia mahita izao. Asa na izao no atao hoe tatamo na voahirana, tsy haiko loatra ny manavaka ireo. 

 

 

Veloma hono hoe, mampamangy any ho any, ny fitadiavana mahazaka maniraka. Lavi-kavana mantsy izahay reroy, manimanina ny akany tiana tsy fohy.

Dia manal’azy ity miresaka amin’ny mpiray tanindrazana eto ity. Lany eto anoloan’ny tarazava ny ora, ary raha atambatra dia efa mahavita andro maromaro. Faly ery ny ratsana toy ny misy masony tsirairay avy manindry ireto bokotra mamoaka soratra. Dia amboamboarina eto izay felana efa vonona voatolotra, mampihaingo araka izay mety sisa azo atao, na dia ovaovaina loko eo ary dia atao ampy, hi hi hi !  

Dia variana tokoa mamaky ny hevitra maro sy mamoaka mba hitovy amin’ny besinimaro. Indraindray dia misy ny teny fihaviako tena izy, nefa mbola mila fanitsiana. Misy ny “fiteny finday” no hita, hi hi hi, tsy maninona fa rehefa fantampatatra izay tiana ho lazaina dia izay, hi hi hi ! Io ary fa misy mamay an, tandremo ny tosidrà re ! Any moa misy ilay iray izay tena tsy laitra akisoka mihitsy
Money mouth, ho hitanareo eo izy e, fa milay ka !  

Ny mampihomehy matetika dia rehefa varibariana mamoaka ilay hevitra, be koa ny mpamaky varimbariana mametraka ! Misy ireo nanindry bokotra an’arivony maromaro dia isa vitsivitsy no mifanandrify. Ny mpahazo tsindraindray dia hoy izy roa vavy hoe : “andao ka”. Dia mipetraka ihany ny fankasitrahana mba ho fampaherezana. 

Fa ny tena mahasosotra dia rehefa mba vonona ny hiteny ianao dia tapenan’ny Nety maso, tsy mahazo mijery eto hono !!!! Dray dray dray, ny sasany efa manindry in-5 mbola eo ihany no eo. Rehefa sokafana anefa ny fandrindrana dia io eo, miteny irery ianao hoe :” misy mazoto be izany !”, hay ilay teo ihany no teo. Akoatr’izay io koa misy masinina mametraka vaovao ratsy, soa ihany !

Manal’azy hoy aho izy ity, mandany andro fa faran’ny herinandro. Amin’izay koa mbola manginy fontsiny dia tsy miasa hono nefa efa tsy miasa androany, voa daholo ny mpiasa 5 andro rehetra tamin’ity indray mitoraka ity. Koa samia manao izay mety ary e ! 

Kdômbitah