Bonne journée e ! 

Mahatsikaiky ahy ity notantarain'ny namako ahy ity fahiny fa mbola tonga ato an-tsaiko foana ilay izy matetika. Mety hahatsiaro ahy izy raha mandalo eto mahita ity. Izao ary ilay izy.

Nisy bandy namany izay hono nanana sipa. Taty aoriana dia tsy te-hiaraka taminy intsony ilay sipa io, nefa leiry mbola tara be mihitsy. Dia nitalaholaho teny ny bandy mba hijanonan'ilay sipa hiaraka aminy : 

- Inona no tianao ataoko na omeko anao mba tsy hisarahantsika ary e ?

Namaly an'avona i rakalakely nahita lazaina tampoka, zavatra tsy azo eritreretina ny navaliny azy :

- Volamena iray gony !

Sadaikatra ihany leiry satria valin-teny tsy azo tanterahina mihitsy ity nomena azy, koa dia any heriny mba ho fara-doboka nataony dia namaly izy hoe :

- Raha mba soloina fasika ve ilay atao anatiny tsy mety ?

Ilay namako io nitsikanikany nitantara ahy ilay izy t@ izany, fa rehefa nodinihiko ilay izy dia tena nampihomehy tokoa Laughing ! Ataoko fa nilaozan'olon-tiana ihany ilay bandy no niafarany raha izany.Cry

Angano angano, arira arira, fa zava-nisy io ! 

 

Indreto sary vitsivitsy itako tetsy sy teroa, ahatsiarovako ny fahiny, misy moa azo t@ izaho mbola tsy teraka koa aloha e. Ilay loharano ao Faravohitra moa dia  izao aho vao mahalala ny fisiany, taiza ho aiza ary izany ? Itanareo ao koa angambany ny tranonareo t@ izany, ny làlana izan-karazany. Jereo tsara anie ! Mbetika koa aho toa mahita ny sarin'ny dadanay sy ny mamanay teny Analakely. Fahatsiarovana e !

 

                                                                                                                                           Vita tompoko ô !