Hono ho aho ry zareo mba te-hahalala aho : inona tokoa moa no tena atao hoe MIFOSA ?

- Miresaka zavatra ratsy momba ilay olona ve ? raha misy ratsy tokoa ary ilay olona dia ahoana ? ary misy ilay ratsy matoa mifosa iretsy ... 

- Dire tout haut ce que les gens pensent tout bas ? Tokony ho fantatr'ilay resahina ihany anie ts'inona e !

- Mitakoritsika ny ataon'ilay olona ve ? Maninona no manao izany raha tsara no ataony ? 

Tsy dia azoko loatra ilay hevitra raha toa ka milaza ny marina ny resaka any ambadika. Sa mbola misy fanampiny azonareo tenenina ampiarahina ohatra ve ? 

Hihomehy ianareo tantaraiko ity. Tao Antananarivo faran'ny taona t@ izay ! Nandeha nijery² teny Analakely teny ny tena moa. Mifanototra ny olona mikarakara fety faran'ny taona. Sendra ilay làlana teritery iny aho sy ilay olona niaraka tamiko, dia tafasaraka izahay. Nisy olona maromaro nanasaraka anay. Inona hoy ianareo ? Injay reko taorianako nisy nikitika moramora sady somary nisafosafo ny tapako ambany, eo @ ilay faritra mamoafady ! Nitodika aho, inty lehilahy no taorianako. Saika andeha hitabataba azy aho fa nieritreritra kely dia naleoko tsy niteny fa efa sarotra ny fiainana !

Izao ny antony : rehefa nojereko tsara ity lehilahy izay mody tsy taitra taorianako nikitika ahy ity, dia nisy olona nifampitantana taminy nanaraka azy, mino aho fa vadiny ilay izy ! Tsy izay ihany fa nisy olona hafa taorian-dry zareo nifampisarika t@ ilay ramatoa : zanany vavy somary efa teo amin'ny 13 na 14 taona teo !!! Nodinihiko tsara izy mba ho hitany ny masoko nivandravandra azy, izy mody maty etsy toy ny tsy nanao inon'inona ! Fa dia mba tsy hisian'ny ady mivady sy hanala baraka azy @ ity zanany kely, mba manan-janaka ihany ny tena, dia nalefako nihoatra ahy ry zareo sady niandry ilay olona niaraka tamiko aho.

Ô rey olona e, ianareo lehilahy itony dia tena tsy mahay mipetraka mihitsy marina. Mba ampirimo iny tànana iny rehefa mba miaraka amin'ny vady aman-janaka, indrindra mba omeo ny hajany izy ireo ! Hajao koa ny tenanareo sy ny tokatranonareo !  

Mba sendra vonona hijery sarimihetsika iray tato an-trano izahay t@ alahady alina lasa teo. Tsy vao sambany aho akory vao nahita sarimihetsika fa inty indray mitoraka ity dia mampatahotra : tsy ilay tantara namboarina ireny fa tena zava-nisy daholo no tao anatiny. Izany hoe tena tsy nisy natao fandikana ilay izy fa tena niainana ny nojerenay. Vao haingana ilay tantara anefa fa tsy hoe tamin'ny andro fahiny akory.

 

Mikasika ny fiainan'olona mbola tsy azon'ny sivilizasiona anaty alan'i Amazonie moa ilay izy, ka tena hafa ilay fiainany ! Sady manginy fontsiny dia mbola mihinan'olona mbola manta izy ireto fa tsy mbola mahandro sakafo. Mamono olona @ fomba mahatsiravina isan-karazany izy ireto. Misetrasetra zazavavy izy ireto. Miaina eny ambony hazo izy ireto. Mamono zaza vao teraka izy ireto, sns. Aoka fontsiny fa ny fandehan'ny tantara dia tena tsy nampoiziko. Toa raha tsy diso aho dia vao haingana no nisy fiaramanidina nanidina iny faritr'i Amazonia iny nahazo sary ireto fokon'olona miaina anaty ala tsy mbola voazaha. Angambany ireny ilay izy. Tao anatiny tantara dia nampiseho habibiana ratsy koa moa ireto fotsy hoditra sivilizé nandeha tany ka niharan'ny vokatry ny natao tsara ! 

 

Nefa na dia tena nampihoron-koditra sy naharikoriko aza anefa dia tena nampi-te-hijery h@ farany ilay izy ! Niafarany dia vitako ihany ilay izy, ary dia nisalebolebo aho tamin'ny farany. Ny tena loza dia tena tsy nahita tory aho fa tena voadona mafy loatra ilay saina, eny mila mafy saina tokoa ny mijery ilay izy, ka nihodikodina tao am-pandriana tao foana fa niverimberina tato an-doha ireo sary mahatsiravina. Efa tamin'ny 5 ora maraina aho vao natory moramora, nefa tsindrian-daona ihany na dia izany ary tao anaty torimaso, mbola nitaitaina fatratra. Fa dia mbola h@ izao aho mbola lasa saina foana ary tsy te-hijery sary @ fahitalavitra misy ireny ambanivohitra ireny aloha fa mbola miahiahy. Aleo omeko anareo eto ihany ny lohatenin'ilay izy sao misy te-hahita ianareo na misy efa nahita : "Cannibale holocaust". Mazotoa e !

 

Hay toy izany no fandehan'ny fiainan'ny zanak'olombelona taloha ! Loza be ! Tsy mahagaga raha mbola misy ny vonoan'olona sy ny habibiana isan-karazany. Nefa moa ve toy izany ihany ny endriky ny habibiana sa misy endriny vaovao ankehitriny ? 

«Mialoha   1 2 3 ... 24 25 26 27 28 29 30 31 32 33 34 ... 41 42 43  Manaraka»