Toa hevitra tsara indray ity hoe ny friandises no taxer-na be ! Tena MANAIKY be mihitsy aho fa tsy ny PPN akory no fantsihina nefa atao mivandravandra isan'andro hoe : " Evitez de manger trop gras, trop sucré, trop salé " sy ny hoe " Manger au moins 5 fruits et légumes tous les jours ". OUF, ..... un soupçon de sagesse!  

Ho anay tsy nandia tany betsaka, dia ny tv no atao mahamay ! Eo no hitsidihina ny toeran-kafa ary variana tokoa : Ushuaïa, Iles .. était une fois, J'irai dormir chez vous etc. (tohiny)

Mety resaka science (eritreretiko hoe éléctricité) ilay izy fa izaho efa nahita ity zavatra ity : rehefa matory amin'ny alina ka pihina ny jiro ary ao anaty aizina, ilay mbola tsy mahita tory iny fa mivadibadika dia mahita zavatra lavalava kely toy ny tapa-kahitra manify tokony mirefy eo amin'ny 2 cm eo ho eo, mitselatra aingana be mihitsy ary miloko maitso. Tsy mbola matory amin'io an, fa ilay izy tsy mety jerena maharitra fa rehefa sendra azy dia mahita. Ao an-trano mihidy io fa tsy eny hanabakabaka akory, ary tsy matetika ilay izy. Efa nahatsikaritra io ve ianareo ?    

Nankaiza daholo ireo "mpibadabada efa zatra" eto amin'ny pejiko ? Toa an-dry : Ikalamako, Pissoa, Lalasoa, Tokinao, Simp, News2dago, Lhltrs, Maintikely, Johary, ... sy ireo mpandalo mamela hafatra. Inty hira namelan-kafatra ho anareo mpitsidika eto, dia araho sioka, tandremo ny manadino solonify ka rivotra no hifofofofo Surprised :  

Rakoto "mafy loha" (Ny Railovy) (tohiny)

I Soa kelin'i Dada sy i Mama
 

Fony mbola tanora saina, rehefa mitso-drano ireo nahitana masoandro, na tsy voateniny daholo ary ireto teny ireto dia tsapa fa tao anatin'ny tiany ho lazaina daholo. Rehefa miatrika fiainana vao tena mahatsapa azy fa eo ampihainoana azy matetika tsy takatry ny saina mihitsy. Henoy tsara anie rehefa miteny izy ireo fa mifono zavatra lalina ny resaka ataony :


Tsofina rano ireo sombin'ny aina mba ho tafita amin'ny ambony indrindra. Ho olon-kendry sy marina koa, ho reharehan'ny fianakavina sy ny tanindrazana. Ho arahin-jazalahy sy zazavavy, ary ho fenitry ny tanora ankehitriny. (tohiny)

«Mialoha   1 2 3 4 5 6 7 8 9  Manaraka»