18 Oktobra, 2008 11:26
I Soa kelin'i Dada sy i Mama
Nampidirin'i kdaombaramita, Sokajy [ Tahiry tsy adino ][ (11) Hametraka hevitra ] | [ (0) Verindrohy (trackback) ]
(Tiako be ity lahatsoratro iray ity dia averiko eto indray na dia efa tamin'ny volana jolay ary !)
Fony mbola tanora saina, rehefa mitso-drano ireo nahitana masoandro, na tsy voateniny daholo ary ireto teny ireto dia tsapa fa tao anatin'ny tiany ho lazaina daholo. Rehefa miatrika fiainana vao tena mahatsapa azy fa eo ampihainoana azy matetika tsy takatry ny saina mihitsy. Henoy tsara anie rehefa miteny izy ireo fa mifono zavatra lalina ny resaka ataony :
Tsofina rano ireo sombin'ny aina mba ho tafita amin'ny ambony indrindra. Ho olon-kendry sy marina koa, ho reharehan'ny fianakavina sy ny tanindrazana. Ho arahin-jazalahy sy zazavavy, ary ho fenitry ny tanora ankehitriny. (tohiny)
07 Oktobra, 2008 18:18
Tsikaritra
Nampidirin'i kdaombaramita, Sokajy [ Etsy sy eroa ][ (14) Hametraka hevitra ] | [ (0) Verindrohy (trackback) ]
Mba tena nahatalanjona ahy koa ny zvt itako tany Dago farany. Faran'ny taona 2006 t@ izay ary nandeha nanao ttsy teny Anosy aho. Niditra ity birao iray fa tonga ny anjarako fa efa niandry elaela tao ihany aho. Olona 2 no miasa amin'io birao io ary latabatra 2 izany no tao. Ny latabatra voalohany dia misy ramatoa efa bebe taona ihany ary machine à écrire éléctronique no ampiasainy, ny faharoa misy ordinateur ary tovolahy no miasa eo. Ilay ramatoa no tena mandray olona, fa ilay tovolahy kosa mandeha² etsy sy eroa fontsiny. Nefa inona hoy ianareo ? Isaky ny misy olona tonga dia misy zavatra taper-na lavabe foana, la même chose ! Nefa ilay ordinateur iray etsy tsy miasa fa mirehitra fontsiny. Ny filaharana lava ary nefa entre 9h sy 11h ihany no fandraisany olona. Tena lasa ny saiko hoe vita vetivety izy ity raha mampiasa ordinateur satria ilay anaran'olona fontsiny no ovana dia ny texte ambiny tsy misy miova. Ilay olona @ birao iray etsy tsy mihetsika, fa mivoaka sy miditra miresaka etsy sy eroa, nefa matoa misy io ordinateur io eo dia afaka mampiasa io izy ary mahay, itako ihany izy nikitika teo ts'inona.
Ô rey olona e, dia tena bloqué sy tara amin'ny taratasy atao amin'ny machine à écrire isika ! Ary betsaka ny olona tsy tonga saina mba hifanampy mba handrosoan'ny firenena. Izay koa angambany rehefa mpiasam-panjakana ve ? Na izany ary dia midera ilay ramatoa aho satria vitany araky ny fotoana vitsy nomeny ireo taratasy nilaiko, ary tsy nisy risoriso mihitsy izany an !
Misy ny olona miasa tsara, ary misy ny olona tsy tia miasa ! Fanetriben'ny firenena ny tsy fifanampiana eo amin'ny mpiara-belona indrindra amin'ny mpiray birao ! Mandany volam-panjakana fontsiny ! Izaho no eo amin'ny toeran'ilay tovolahy dia manampy aho satria tsy tiako ny mipetrapetraka, ary satisfaction ho ahy ny mampiasa io ordinateur io sy ny mahazo ny fifalian'ny be sy ny maro indd ny manampy olona ! Asa aloha e !
02 Oktobra, 2008 00:46
Ny any aminay
Nampidirin'i kdaombaramita, Sokajy [ Tahiry tsy adino ][ (9) Hametraka hevitra ] | [ (0) Verindrohy (trackback) ]
Efa mirefarefa
sy tsy ho tana ny hazavàna 
Ventso ihany sisa
no voatanisa fa tsy tamàna
Tsaroako indray e
Ny any aminay
Ireo vorona mody e
misodisody mikopaka eny
Ampombaiko veloma
fa tsy hay antsoina
i Kaky sy i Neny
Toa hitako sary eto anoloana
mijinja vary eny am-pamoloana
Ny nanovo rano
miloloha siny
mitantara angano
toy ny fahiny
Manako moramora
toa manakora ny rian-drano
Ny nofy eny manga
ny maso foana manganohano
Singany irery ts'isy mpijery
Erika mifafifafy ny onja mihamafy
manao patrakala
Sarin'ny foko ao anaty
toa tsy mahatanty
fa lavi-malala (Bouboul)





