Androany aho nanao pikinika niaraka tamin'ny olona tao ampiangonanay. Maro tokoa ireo sakafo hita tany toy ny : civet de canard, saosisy sy pitipoà (ny ahy), carry "baba figue" , rougail tamarin pimenté, gateaux isan-karazany ! Androany aho ry zareo vao nihinana izany carry baba figue izany. Inona ary izany ? "Carry" moa ny dikany amin'ny tenintsika dia laoka, araka ilay hira hoe : carry langouste, avec piment vert ... etc, tadidinareo ? Fa ilay antsoina hoe "baba figue" no tsy haintsika : izy io dia ilay vonin'akondro, aty misy mivarotra eny an-tsena. Asa raha tadidinareo rehefa manome voankazo ny akondro dia ery amin'ny tendrony ambany misy voniny miendrika fo ary volomparasy no lokony. Aty dia tapahina io ary atao laoka, sady @ izay koa mitombo tsara ilay akondro. Tetehina madinika izy io ary ritina amin'ny henan-kisoa fumée asiana saosy voatabia miaraka @ sakay be tsy masiaka ireny ! Tsara ka, nisy izao teo an-tokontaniko teo dia mba naka koa aho ho andramako ny fanaovana azy fa efa hita iny izao fa matsiro. Mbola tsy hitantsika izany ô ? Betsaka ny azo hanina fa mbola tsy fantatsika gasy nefa ahitana azy ireny marobe any amin'ny tanàna.

 

Kdômbitah 

Tsaroako ilay fotoana iray hanambara amin'ny ao an-trano fa nisy olona iray nifidy ho taolan-tehezany aho ary handao azy ireo ! Taona maro lasa izay no niseho ny tantara ! Saikatra aho, nefa tafavoakako ihany ilay izy. Ny tena moa efa maty ray aman-dreny t@ izay koa dia ireo zoky no nilazana ity vaovao, raha vazaha aho dia tena rakatra mena tanteraka angambany ny endriko. " Hanambady izahay, hoy aho ", izay no itako nilazana azy. Itako toa akona ihany ireto zoky, izaho koa nalahelo ny foko satria handao azy ireo tanteraka. Tao anatin'ny 20 andro no nikarakarana azy ary tanteraka soa aman-tsara ! Madama aho tao anatin'ny 20 andro monja. Resin'ny fitia ihany taty aoriana ilay mbola rohy tao anatiko tamin'ny fianakaviana izay nitaiza ahy mandra-panambady ahy !  Izay monja !

Un couple de parisiens décide de partir en week-end à la plage et de descendre au même hôtel qu'il y a 20 ans, lors de leur lune de miel. Mais, au dernier moment, à cause d'un problème au travail, la femme ne peut pas prendre son jeudi. Il est donc décidé que le mari prendrait l'avion le jeudi, et sa femme le lendemain. L'homme arrive comme prévu et après avoir loué la chambre d'hôtel, il se rend compte que dans la chambre, il y a un ordinateur avec connexion Internet.  (tohiny)

Nandray taxi (R5 efa "reraka be") tetsy Belaire izahay ho any Vavambiby (anelanelan’I Soarano sy ny tohatohabaton’Ambondrona). Ny amboteiazy eto Ampandrana moa tsy hay lazaina intsony ka dia lasa ny tantara mahonenan’ity saofera. Satria tsy ho afaka hanodidina ary Soarano anoloan’ny Pochard hono izy fa tena tena mandany esansa no mbola ho mafy koa ny amboteiazy mandra-pahatonga any fa dia hapetrany etsy @ tohatohabaton’Ambodrona hono izahay. Izao ilay tantara : (tohiny)

Ny hiran'izy ireo no niangaly ny anganontsika rehefa alakamisy hariva taloha !
Misaotra an'i Johary manokana aho !
«Mialoha   1 2 3 4 5 6 7 8 9  Manaraka»