26 Febroary, 2010 13:25
Ho an'ny mpinety rehetra :)
Nampidirin'i kdaombaramita, Sokajy [ Ankapobeny ][ (6) Hametraka hevitra ] | [ (0) Verindrohy (trackback) ]

Bonne journée e !
03 Febroary, 2010 16:54
Nandrombaka ny "Prix Shoan '09" aho
Nampidirin'i kdaombaramita, Sokajy [ Ankapobeny ][ (11) Hametraka hevitra ] | [ (0) Verindrohy (trackback) ]
Misaotra anareo aho fa nandrombaka ny "PRIX SHOAN" (coup de coeur public '09). Raha vao nanokatra mail vao maraina dia ity no hafatra tonga tao :
Ce matin, j'ai reçu ce courriel :

Mankasitrana anareo sy ny hafatra ary ny fifaneraserana aminareo aho na dia tsy mifankahafantatra ary isika. Amin'ny mahasamy malagasy antsika no ifandraisana ary tohizantsika amim-pifanajana ny tsirairay izany. Fifaliana, teny tsotra, eritreritra mandalo, fahatsiarovana, fifampitantarana fiainana no eto koa dia malalaka ny sehatra ho antsika tia fihavanana, fifandraisana. Tohizantsika ny mahamalagasy antsika na dia eran'ny vazan-tany ary ny tsirairay.
Mahazo toraka bà kely daholo izay mandalo eto any ho any
Je vous suis reconnaissante d'avoir voté pour moi, de vos passages et de nos échanges sur mon blog même si on ne se connaît pas personnellement. Continuons de partager la joie, la vie, des petits mots simples, des souvenirs, des pensées en flash et cela dans le respect de chacun. Certains sont loin de la terre de nos ancêtres, mais les blogs (entre autres) sont là pour nous rappeler le "Fihavanana" (lien d'amitié) notre coutume précieuse malgache
Biz à tout le monde.
KDAOMBARAMITA
24 Desambra, 2009 19:02
FIRARIANTSOA HO ANAREO
Nampidirin'i kdaombaramita, Sokajy [ Ankapobeny ][ (4) Hametraka hevitra ] | [ (0) Verindrohy (trackback) ]
Io sisa no isan'ny andro dia tonga ny andro krismasy andrandrain'ny maro. Andro natao ahatsiarovana ilay nahaterahan'i Jesosy Kristy tonga hanavotra ny mpanota teto an-tany ho an'ny kristianina maro ny 25 desambra. Amin'ny hafa kosa dia natao fanaovana fety, fifanolorana fanomezana, fanomezana fahafahampo ny ankizy ao anaty lainga hoe ingahibe Noely no nanatitra teo. Misy koa anefa ny mipitrapitra satria tsy manana atoraka ny ray aman-dreniny, na kamboty, na tsy ao anaty ny finoany fontsiny izany. Ny tena mampalahelo moa dia ny mahantra, ary mahalasa saina ahy matetika hoe dia ahoana tokoa moa izany ? Ny efa itako teny Analakely ohatra dia milalao valala kely izy ireny, izay dia efa mahafaly ny fony. Ny ahy izay manoratra kosa h@ izao dia mbola fanontaniana mipetraka. Matetika koa anefa dia tsy mampaninona ahy na dia tsy mahazo ary aho satria faly ery ny foko rehefa mahita ny zanako manokatra ireo fanomezana natolotray ho azy sy ny fisaorany anay avy eo. Efa zava-dehibe ho ahy ny fifaliana eo anivon'ny fianakaviako. Hay, misy fanontaniana izy izany angambany hoe fa firy taona izy ireo ? Ao anelanelan'ny 4 sy 15 taona ary 3 no isany. Fa saingy dia tsy nofahananay lainga momba an'i ingahibe noely mandalo, lazainay azy ireo hoe "olona mi-se déguiser ilay ingahibe noely ". Dia izahay no ifaliany fa tsy ny zavatra tsy misy. Nahatsiaro ilay tantara aho hoe nodarohan'ny ankizy ilay ingahibe noely taty aoriana fa mpandainga, ary avy eo tsy nahatoky ny ray aman-dreniny intsony ireto ankizy taty aoriana. Izay ny amin’iny fa dia mirary fahasoavana ho anareo rehetra amin’ity faran’ny taona ity aho, veloma ny aina hahatratra ny taona 2010 ka hiara-paly indray ny Malagasy rehetra. Ny faniriako dia ny hahatapitra izao krizy any Madagasikara izao, ka hitohy hazava indray ilay efa mba jiro nitsilopy tsy hita hatry ny ela teo aloha. Enga anie ka ho fampandrosoana tanindrazana tokoa no iarahan’ireo ankolafy telo ireo fa tsy politika hifandrombaka toerana hanapotika firenena indray no miandry. Koa maninona tokoa moa raha izay vavaka izay no ataoko fanomezana ho ahy ? Satria hoy ny teny hoe : “ny finoana dia mino izay zavatra angatahina na dia mbola tsy itan’ny maso ary” , koa dia MINO aho fa hilamina ny tanindrazako. N’est-ce pas que c’est un beau cadeau ? Koa dia matezà ao anatin’ny fahasalamana ny aina hahita izany aoriana kely ao.
<<< MANAOVA KRISMASY SAMBATRA DAHOLO >>>




