13 Jolay, 2008 23:46
Hira namelan-kafatra
Nampidirin'i kdaombaramita, Sokajy [ Tahiry tsy adino ][ (23) Hametraka hevitra ] | [ (0) Verindrohy (trackback) ]
Nankaiza daholo ireo "mpibadabada efa zatra" eto amin'ny pejiko ? Toa an-dry : Ikalamako, Pissoa, Lalasoa, Tokinao, Simp, News2dago, Lhltrs, Maintikely, Johary, ... sy ireo mpandalo mamela hafatra. Inty hira namelan-kafatra ho anareo mpitsidika eto, dia araho sioka, tandremo ny manadino solonify ka rivotra no hifofofofo
:
Rakoto "mafy loha" (Ny Railovy) (tohiny)
26 Mey, 2008 16:07
Neny tiana
Nampidirin'i kdaombaramita, Sokajy [ Tahiry tsy adino ][ (6) Hametraka hevitra ] | [ (0) Verindrohy (trackback) ]
Mère,
J’ai de toi une image
Qui ne vit qu’en mon cœur
Là, tes traits sont si purs
Que tu n’as aucun âge.
Là, tu peux me parler
Sans remuer les lèvres
Tu peux me regarder
Sans ouvrir les paupières.
Et lorsque le malheur
M’attend sur le chemin
Je le sais par ton cœur
Qui bat contre le mien.
Maurice Carême
09 Mey, 2008 00:04
Sombin'ny fiainako
Nampidirin'i kdaombaramita, Sokajy [ Tahiry tsy adino ][ (12) Hametraka hevitra ] | [ (0) Verindrohy (trackback) ]
24 Aprily, 2008 11:35
Boky fahiny
Nampidirin'i kdaombaramita, Sokajy [ Tahiry tsy adino ][ (5) Hametraka hevitra ] | [ (0) Verindrohy (trackback) ]
Lasa ny saiko, mitamberina ny fahiny !!! Variana aho mahatsiaro ilay boky nahafinaritra ahy ny namaky azy satria feno tantara maro nitaiza tao anatiny.
Niatomboka tamin'ny boky tany amin'ny kilasy ambany indridnra ary tena nalaza tokoa : " LALA sy NORO " ! Ha ha ha : " milalao lolo i Lala ... " dray dray dray, misy ilay sarina zazalahy kely milalao lolo ngôdabé !!!!! Tandremo letsy ! Iny ve tsy hanaikitra ? (tohiny)
21 Aprily, 2008 12:31
Tendrombohitra sy Ny Havana
Nampidirin'i kdaombaramita, Sokajy [ Tahiry tsy adino ][ (3) Hametraka hevitra ] | [ (0) Verindrohy (trackback) ]
Iry tendrombohitra tomandavana, soa malomaloka mavamavana, topazo maso fa raha tazanina, manerinerina mahamanina, izay tsy ho manina hoy aho mandainga, fa olon-te hody ka te-hanainga.
Irony aviavy toa maro taroka, mahate-hipetraka hialokaloka, tsy mba arovana tsy mba ambenana, kinanjo atonina itombenana, ny maso mijohy toa patrak'ala, ka vao tafatombina dia miala ....
Ity ilay tohiny fahatelo fa i Pissoa no nampitamberina azy tato an-tsaiko :Ity rivodrivotra an-tanin'olona, mitsoka maraina toa mitambolona, hariva ny andro vao mba miritsoka, kanefa malefaka mahaditsoka, raha ny maso no ditsoka leoko ihany, fa ny fo re no ditsoka ka tomany !
Ny Havana Ramanantoanina





