29 Martsa, 2008 15:32
Bouboul nihira azy !
Nampidirin'i kdaombaramita, Sokajy [ Sary ][ (5) Hametraka hevitra ] | [ (0) Verindrohy (trackback) ]
Iza no mahatdidy ity toerana ity ?
Efa tamin'ny 1974 aho no tany nefa mbola itako ao foana io baobab io t@ izaho nandalo tany tamin'ny janoary 2007.
Firy taona ary izy io ?

Kdômbitah





29/03/2008, 17:23
io ve tsy ilay Baobab-Be ao Jangil ? Asa tokoa re raha firy taona izy io ...
29/03/2008, 18:22
ie, Jangil koa io amiko ry LhLhTsRs : izay vao manitsaka ny renivohitra sakalava dia mila mihodidina an'io impito hono :-)
Izaho aloha efa nanao e, faly hanitsaka ny corniche koh...
Firy taona ? asa re.
Eee, tsy ho ela io dia ho tanànan'i DadaRabe !
29/03/2008, 21:06
Maherin'ny 800 taona hono izy io ry kbaombaramita a! Jereo ange ato e.
Dia natao amatorana an'ireo izay voaheloka ho faty hono izy io fahiny.
Mahatsikaiky ny tantara an :-).
30/03/2008, 02:36
800 taona a?
tsy mampino :)
03/04/2008, 00:08
MAJUNGA
Ranomasina tony sy mangina
Feon-kira arahin-damako
No re sy henoko manako
Manambara fifaliana
Majunga
Tànana ,maha te-ho tia
Ireo tsy nahita, ka avia
Miandry anao hikorana
‘Ty morontsiraka mafana
Majunga (in-8)
Tora-pasika mahavariana
Ahi-maitso kanto sy soa
Mampiavaka anao tokoa
Ry renivohitr’i Boina
Majunga
Malahelo fa hanainga izao
Fa handao anao ry Majunga
Hasambarana ho ahy
Ny hiverenako eto aminao
Majunga