30 Martsa, 2008 20:28
TENINDRAZAKO
Nampidirin'i kdaombaramita, Sokajy [ Ankapobeny ][ (3) Hametraka hevitra ] | [ (0) Verindrohy (trackback) ]
TENINDRAZAKO
Ilay teny, tenindrazako
Dia haiko tsy nindramiko
Nanaovana ny lelako
Ka haiko tsy avelako
Lalaiko f'io ny teniko
Iombonako amin-dreniko
Tsy afaka ao am-bavako
Mambabo ny fitiavako
Vao vaky ny fibadako
Teo an-trotron'i dadako
Dia io no nisantarako
Ny angolam-pahasambarako
Fiteny aombiazako
'Lay teny soa an'ny razako
Nanaovana ny fiainako
Namboatra ny fisainako.
Kdômbitah !





30/03/2008, 21:00
tsotra fa mahafinaritra kely! misaotra kidaombaramita a!
30/03/2008, 22:46
mankasitraka sy mankatelina e!
kdaombitah
04/04/2008, 23:30
Tsianjery tany ampianarana tamin'ny classe de 7ème io anie ! Mbola tadidiko foana.