31 Martsa, 2008 20:08
ARGOTS gasy mahavariana
Nampidirin'i kdaombaramita, Sokajy [ Hehy ][ (8) Hametraka hevitra ] | [ (0) Verindrohy (trackback) ]
Asa, mety misy azo ampidirina ho teny ôfisialy malagasy ve izy itony satria misy ny tena efa fampiasa andavan'andro, sady ny teny anie mivoatra koa. Misy kosa anefa ireo tsy mety satria manapotika ny teny malagasy tsara rafitra toy ny " fahafinaretana (fafiny) ", fa ireo teny vaovao no tena tiako ho lazaina.
Milay = favy : tsara ----> tsy fantam-pihaviana
Raitra = tsara
Manal'azy : stress ve no esorina ?
Môly, daina : rongony --- > hanamôly, midaina = hisotro na hifoka rongony
Misangôjy = misaritaka, misavoritaka, mifamahofaho
Motika = sakafo ---> himotika = hisakafo : nalaina t@ teny hoe " potika ", nafohezina dia nanome io teny io
Fika = traikefa na zavatra na koa " truc " @ teny frantsay
Traikefa = hevitra nahazoana vokatra tsara
Fafiny : fanafohezana ny hoe " fahafinaretana ".
Kobo = fantatra
Bôfitra : mandefa rivotra 
Mikaozy : causer
Sipa : Passe-passer-na
hono dia natao hoe sipa, moa ve @ vehivavy ihany io no ampiasaina ? Ny
bandy koa anie mba ..... voapasipasy na manapasipasy tena e ! Ha ha ha 
Pawa : tsy dia haiko loatra no niandohan'io
Tsikoa : (mampihomehy be izy io !
) Tsy misy quoi, na tsy misy inona mety hahataitra.
Pi = vtoaka ---> hanapi = hisotro toaka
.............. Betsaka ireo hafa fa tsy mbola tadidiko ! Raha misy diso dia azonareo ahitsy.





31/03/2008, 20:32
Joba = Sipa
Bôfy = Reny
Baina = Ray
Fôlaitra = Nandiso
Poinsa = tafita
Gly = Jokona = maty
mbola hitohy...
31/03/2008, 23:10
hiaps = handeha, hiala
dizina ; makafoka = mamo
01/04/2008, 00:12
Allo allo (incrustation sy spam be fa asa gaga)
mila hanaovana dictionnaire marina mihitsiny io fitenin-jatovo io (ikalamako mbola hitako mampianatra teny eto dray annnn)
Bises
01/04/2008, 02:07
hikrapa-> handeha tongotra vs hande taxibe :)
01/04/2008, 02:08
jogany,
zay ve tsy voatsangana ihany ilay site rakibolana manao dikan-teny argots an'ny tanora @ tenin'ny antitra eee :)
01/04/2008, 06:10
- Mihani-kazo = Manamôly, midaina, mifoka rongony
- Sôrah = sigara
- Mibako = mividy
-Mitsôda = manoroka amin' ny vava
:-)
01/04/2008, 10:27
Raitra sy traikefa kosa ve dia lazainareo fa argots? sa ...
define:argots
01/04/2008, 17:25
simp>oui sefo oui sefo (mbola tsy leo ihany lol)
keep the malagasy teny up zany!