21 Aprily, 2008 12:31
Tendrombohitra sy Ny Havana
Nampidirin'i kdaombaramita, Sokajy [ Tahiry tsy adino ][ (3) Hametraka hevitra ] | [ (0) Verindrohy (trackback) ]
Iry tendrombohitra tomandavana, soa malomaloka mavamavana, topazo maso fa raha tazanina, manerinerina mahamanina, izay tsy ho manina hoy aho mandainga, fa olon-te hody ka te-hanainga.
Irony aviavy toa maro taroka, mahate-hipetraka hialokaloka, tsy mba arovana tsy mba ambenana, kinanjo atonina itombenana, ny maso mijohy toa patrak'ala, ka vao tafatombina dia miala ....
Ity ilay tohiny fahatelo fa i Pissoa no nampitamberina azy tato an-tsaiko :Ity rivodrivotra an-tanin'olona, mitsoka maraina toa mitambolona, hariva ny andro vao mba miritsoka, kanefa malefaka mahaditsoka, raha ny maso no ditsoka leoko ihany, fa ny fo re no ditsoka ka tomany !
Ny Havana Ramanantoanina






21/04/2008, 16:57
Noheveriko fa ilay tononkalo feno no eto dia efa faly be aho hi hi. Ireo ihany koa no tadidiko :(
21/04/2008, 17:37
Enao koa nama manao soa tapany tsssss
21/04/2008, 22:08
OK - misy izany ilay hoe :
Raha ny maso no ditsoka leoko ihany
Fa ny fo re no ditsoka ka tomany.
Hi hi - izay ihany no tadidy. lol.