12 Mey, 2008 20:53
Mbola tsy hitantsika gasy indray ity
Nampidirin'i kdaombaramita, Sokajy [ Etsy sy eroa ][ (4) Hametraka hevitra ] | [ (0) Verindrohy (trackback) ]
Androany aho nanao pikinika niaraka tamin'ny olona tao ampiangonanay. Maro tokoa ireo sakafo hita tany toy ny : civet de canard, saosisy sy pitipoà (ny ahy), carry "baba figue" , rougail tamarin pimenté, gateaux isan-karazany ! Androany aho ry zareo vao nihinana izany carry baba figue izany. Inona ary izany ? "Carry" moa ny dikany amin'ny tenintsika dia laoka, araka ilay hira hoe : carry langouste, avec piment vert ... etc, tadidinareo ? Fa ilay antsoina hoe "baba figue" no tsy haintsika : izy io dia ilay vonin'akondro, aty misy mivarotra eny an-tsena. Asa raha tadidinareo rehefa manome voankazo ny akondro dia ery amin'ny tendrony ambany misy voniny miendrika fo ary volomparasy no lokony. Aty dia tapahina io ary atao laoka, sady @ izay koa mitombo tsara ilay akondro. Tetehina madinika izy io ary ritina amin'ny henan-kisoa fumée asiana saosy voatabia miaraka @ sakay be tsy masiaka ireny ! Tsara ka, nisy izao teo an-tokontaniko teo dia mba naka koa aho ho andramako ny fanaovana azy fa efa hita iny izao fa matsiro. Mbola tsy hitantsika izany ô ? Betsaka ny azo hanina fa mbola tsy fantatsika gasy nefa ahitana azy ireny marobe any amin'ny tanàna.
Kdômbitah





13/05/2008, 01:52
sao d mba mahafaty less zany? :)
tsy te ahita ah
mavokely :P
13/05/2008, 08:35
mety ho tena matsiro tokoa
13/05/2008, 08:40
Ohatran'ny tsy azoko an-tsaina ny mety ho tsiron'izany vonin'akondro izany , ohatran'ny mitovy @ tsirona inona izao izany?
13/05/2008, 10:43
Ny tsirony aloha dia lazaiko avy hatrany fa tsy mangidy na mamy araka ny mety ho fihevitra azy, toy ny sakafo matsiro miaraka amin'ny henakisoa ireny, tsy itako hoe mitovy amin'ny inona fa mifanakaiky amin'ny anana (sais pas laquelle ?) mendy tsara. Porofo dia mbola velona tsara aho manoratra eto izao, ary natory tsara t@ alina, hi hi hi ! Fa jereo ity :
http://www.goutanou-cuisine-reunionnaise.org/html/recettes/plats/recettes/boucane_baba_figue.php