16 Mey, 2008 13:21
Karakarao ny sakafo ô
Nampidirin'i kdaombaramita, Sokajy [ Sakafo ][ (6) Hametraka hevitra ] | [ (0) Verindrohy (trackback) ]
Aza adino ambony afo intsony ny sakafo
fa karakarao tsara. Aza ilaozana mijanona ela eto anolon’ity nety ity no mety
ho marina kokoa
! ha ha ha ! Mahakamo be ny mahita azy maity be avy eo sady
ianao efa noana be iny
tena sorena mihitsy rehefa tratran'izay
! Mbola
hanadio vilany koa manginy fontsiny
!
Fa izao misy fika : raha misy sakafo may miraikitra ny vody vilany dia izao no anaovana azy mba hampiala azy.
- En émail : asiana sira betsaka sy rano ary avela hilona iray alina. Rehefa avy eo dia ampangotrahina io ranontsira ao anaty vilany io dia sasana amin'izay rehefa zaka ny hafanana, na matimaty ary tsy maninona.
- Raha vilany tsotra : asio rano sy vinaingitra mitovy habetsahana, avela ao io mandritra ny alina fa ho hitanao fa mora kikisana ireo sakafo may miraikitra rehefa maraina.
- Raha nandoro kaserôla kosa ianao dia raraho vovoka karibônetra dia avelao hilona ora vitsivitsy dia sasao toy ny mahazatra avy eo
Mazotoa manasa ô, aza manao “voky
izy
dia natory” ô !





26/05/2008, 14:00
karakarao ny gamela ô !
17/05/2008, 18:12
Inty indray misy tantara kely tena tsy mety adinoko. Annif-ko tamin'izay dia tena adinon'i leiry ! Ny sakafo nataony koa mbola ilay tsy tiako ireny, sady hoy ianareo : efa noana be iny no mbola may ilay motika ! Raha naniry nify ny akoho dia efa vita teo ny tantaranay !!! Ha ha ha ! Tandremo izany ry Pissoa, fa rehefa reraka dia misy ny atao hoe : sandioitsa na ronono sy céréales dia lasa tonga dia matory ! Tsy voatery himotika be anie amin'ny alina e, sady ny ravitoto mavesatra ihany. Ô ry Noeline a, sao dia syndrôme-na paresse izany fa tsy phénomène physio e ! ha ha ha ! Ravakamalala : aretina vaovao io e ! Ny aty dia mahita ny matory amin'ny 1 ora alina mihitsy dia domelina rehefa mifoha maraina ! "Syndrôme internet" hono izany ! Tsy hihinanan-kanina mihitsy izy ity izany ? Giravy klé ! Simp angaha mba mikarakara sakafo ? Tsy fihomehezana fontsiny eo anoloan'ny vilany ?
17/05/2008, 15:24
ié! ity aterineto ity mihitsy no efa nahavoa ahy imbetsaka izay!! ary tena manome krizy mits a!
pissoa > tandremo zany torimaso zany fa sao sanatria voatono ao koa ny saka! tena resaka serieux fa sao mba danzéré zany sady matory no mahandro sakafo zany!
17/05/2008, 03:53
merci eeee
16/05/2008, 21:49
Misaotra amin'ny torohevitra kdaombaramita !
Ny ahy indray tsy ny net no mandoro ny vilaniko fa ny torimaso lol. Rehefa mahandro kaly amin'ny alina be iny, rendika eo dia efa setroka be ao andakozia vao taitra. (Tena mampitomany mihitsy ny mahita ilay ravitoto efa notadiavina hatraiza nefa may be fotsiny tao ha ha ha).
16/05/2008, 15:58
Mila karakaraina tokoa ny vilany fa sao vetivety dia goaka. Nefa fombantsika ihany koa anie ny mamela ambina vary ao anaty vilany mba hanaovana ranon'apango e.
Ilay hoe "voky izy dia natory" kosa anie phenomene physiologique tsy azo hidifirana e.