30 Mey, 2008 22:52
Hanitra
Nampidirin'i kdaombaramita, Sokajy [ Hehy ][ (7) Hametraka hevitra ] | [ (0) Verindrohy (trackback) ]
Kiiiii, tena te-hihinana trondro endasina aho izany ! Ilay trondro madinidinika fahita any Dago ilay atohitohy eny an-tsisin-dàlana ireny ! Maromaro izy amin'izay sady mora endasina mikarepoka tsara !!! Inona moa izy ireny fa toa hazan-dranomamy : tilalpia , trondro gasy ? ... ? Tsy maninona fa rehefa tonga eo ambony lapoaly tena ataoko mendy tsara mhitsy. Dia avy eo andrasako amin'ny vary sosoa maimaina, asiana ron'anamalaho. Dray dray dray, aoka fontsiny re !
Ela ny tsy nahitako izany fa ahatsiarovako ny any aminay, ilay nosy mevasoa, nahitako masoandro mifoha sy mody. Nahitako izany hoe mandahatra karné amin'ny 5 ora maraina mbola maizina, fa raha tsy izany tsy mihinam-bary ! Mba tratran'izany ve ianareo ? Dia nilaharako hatramin'ny 11ora sasany atoandro ilay vary rehefa tonga. Ny tena moa zandriny dia fanirakiraka e !
Ah, fanirakirana hoe ? Eny e, io ilay tenindrazana hoe "manan-joky afak'olan-teny, manan-jandry afak'olan'entana" ! Dia nangingina tokoa razandry ka misy ny zavatra tsy hainy ny milaza azy, nitaizana azy io ka tsy mahagaga fa nony lehibe dia tsy bebe teny loatra. Taty aoriana tonga saina ihany hoe tsy hampitaina amin'ny zanaka izany toe-tsaina izany satria manimba ihany rehefa dinihina : aiza ve dia tsy mba afaka ny hiteny hamoaka hevitra ianao ka tsy afaka handray anjara firy amin'ny ady hevitra ? Ny atahorana ary dia ny hoe sao tsy mahita hevitra havoaka mihitsy satria ireny zoky ireny no nianteherana hiteny fahiny. Soa fa nisy ny fivoarana sy ny fianarana ka mba mahalala ny tsara sy ny ratsy ihany avy eo.
Na tsara na ratsy koa ary io, tsy anjarako ny miteny izany aman'olona satria : "Tsy ny tsara sy ny ratsy no misy fa ny tiana sy ny tsy tiana" , izay no fahitako ny manodidina. Matoa ireny olona ratsy endrika ireny misy maka vady dia tsy noho ilay ohabolana manao hoe : "Ny sobika ary manana ny tandrifiny" akory, fa kosa misy tia izy ireny (azafady aminareo ratsy tarehy aho, oadray, tsy ratsy tarehy mantsy fa tsy tiako endrika e
). Hita amin'ny zavatra rehetra hafa koa io fa tsy ny endrika ihany akory an, ohatra hoe : ratsy ny daba DACIA, SKODA, ... midika fa tsy tiako izy ireny
!
Ha ha ha, vary amin'anana ny hanitra nentin'i Kdaombaramita androany. Amin'ny manaraka e !
Kdômbitah





31/05/2008, 00:13
tsss
manome litika koa le lahatsoratra, Trondro mendy ve nama no resaka ....
31/05/2008, 11:02
Trondro ohatry ny inona koa izany "atohitohy" eto Dago izany ?
Besisika ve ? Sa saloboboka ?
:-D
31/05/2008, 11:14
Ikalamako < Hé hé hé, io dia tonga amin'ilay fiteny hoe "samy manana ny tandrifiny", indry no mitady izay tiandry ao !!! Mandagigna ve ? :-))
Lehilahytsyresy < tsy tadidinao ve ilay trondro varotan'ny olona eny amoron-dàlana mitohitohy amin'ny tadin-jozoro ireny e ? Io dia mahalasa ny saiko ilay rehefa mitsangatsangan tany Ambatofotsy atsimo taloha, jonoina ao amin'ilay lac na ao amin'ny Sisaony ! Ie, io besisika io koa milay. Ilay saloboboka tsy mbola fandreko, sao ilay ery Masay izany ? ha ha ha !
31/05/2008, 19:15
Aaaaah - Matsiro le trondro resahin'i Kdaombaramita !!!
Fa ilay besisika sy saloboboka tsy fantatro lol.
31/05/2008, 21:58
ratsy sy tsy tiana ve tsy otran'ny hoe kotozafy ihany no lexis eee
Sa misy ol tia ny ratsy? :)
sa i satana? :P
31/05/2008, 23:01
za zany leo tsondro mihitsy! rehefa milaongy iny dia iny ny ahy no mba fihinako tilapia endasina! mendy tsara!
any ampefy ry kidaombaramita no tena milay a! tg de voky tsy mila vary fa ampiarahana @ anadrano! tsy misy mifakahita oa!lol
tena t@ androny ny arema zany nilahatra izany e! efa 20 taona lasa efa tsy tsarona intsony! efa tsy izany intsony izao fa delestazy no malaza e
01/06/2008, 22:55
Simp < Iny indray no tsy itako ry Simp ary marina ny hevitrao fa ilay Ratsy tena misy, satana io ! Misy ho eritreretina, fa dia hampiova ny fijeriko izay : tsy tiako ilay Ratsy fa tsy hoe ratsy ilay tsy tiako :b
News2dago < Ie, iny faritr'Itasy iny no tena be trondro fa tadidiko izahay nitsangatsangana tany fa nisy fety tany Ampefy dia nividy trondro bdb mamanay ! Fa ianao angaha milaongy foana no hoe leo ? Tsy mety mankaleo ireny, indd ny trondron-dranomamy ! Nareo koa tena mba mampilendalenda klé ! Andraso fa ataoko mamay ny mpivarotra rehefa mandalo aho ! Na aleo maka fy manjono mihitsy e, mba mampirevy kilonga koa amin'izay ! Ary mbola misy ve ny gogo aty Dago fa io koa no fihinanay, tena tsy nahatsikaritra aho tamin'ny nandalo taty farany. Fa hono ho aho (avadiko ny resaka) : efa lafo daholo ve ireo bungalows eny amoron'Itasy iny ry News2dago ? Ianao izao no mety mahalala ! Tsy atahorana amin'ny dahalo ?