12 Aogositra, 2008 18:12
Tantarao !
Nampidirin'i kdaombaramita, Sokajy [ Etsy sy eroa ][ (3) Hametraka hevitra ] | [ (0) Verindrohy (trackback) ]
Tsotra dia tsotra ny hafatra : manaova vakansy tsara dia tantarao eto @ izay ilay tena nahaliana anao tany ! Tena mba hahafinaritra ny fitantarana isan-karazany ho hitako eto angambany raha samy mitondra ny anjara birikiny. Izaho moa tsy nandeha fa dia ny fitondrana ny ankizy tsindray² no atao eny amoron-dranomasina. Variana aho androany nahita ilay "bateau de sauvetage" niala ny port handeha hamonjy olona nefa ny ranomasina tena nanonja aok'izany, nahatratra 5 m ny onja, fa tafita ihany aloha leiry teny ambonin'ireo vagues ngôzabe. Nahatsiarovako ilay film iray nisy ilay pelletier maty daholo ny tao anatiny, mbola tsy nalaza i Georges Clooney t@ izany nefa tao anatin'ilay film izy. Nony niverina ilay sambo avy eo dia niandry tery amin'ny large elaela tery aloha niandry ireo onja hitony, kanjo indro naka verilina ny niafarana, môtera à fond, ary dia nanaraka avy aoriana ilay onja mafy be mihitsy. Indro fa tafita soa aman-tsara ilay sambo kely. Nahavariana e ! avy eo re tamin'ny vata fandraisam-peo teny am-podiana fa maty niaraka t@ alikany vehivavy iray raha nandeha namonjy ny alikany lasan'ny onja ! Danz ny fitiavana alika fa namoizana aina izany !





13/08/2008, 02:37
ny ahy toa na ranomasina aza mbola tsy hitako lol
13/08/2008, 02:42
Hi hi hi - zaho koa miandry mpitantara fotsiny.
13/08/2008, 16:08
Ikalamako < mandehana maka rivotra kely aloha i Madama fa aza variana manao Wii be loatra ka hoe ranomasina ary tsy mbola hita nefa etsy Italie !
Pissoa < ndry angaha mbola tsy vakansy foana ?