13 Jolay, 2008 23:46
Hira namelan-kafatra
Nampidirin'i kdaombaramita, Sokajy [ Tahiry tsy adino ][ (23) Hametraka hevitra ] | [ (0) Verindrohy (trackback) ]
Nankaiza daholo ireo "mpibadabada efa zatra" eto amin'ny pejiko ? Toa an-dry : Ikalamako, Pissoa, Lalasoa, Tokinao, Simp, News2dago, Lhltrs, Maintikely, Johary, ... sy ireo mpandalo mamela hafatra. Inty hira namelan-kafatra ho anareo mpitsidika eto, dia araho sioka, tandremo ny manadino solonify ka rivotra no hifofofofo
:
Rakoto "mafy loha" (Ny Railovy)
Ho takona tsy ho tazana any ambadika
Any ho any ilay tananako.
Ho saraka tsy ho hita hanoloana ny tavako ‘reo havako.
Hofa-tanan’olon-tiana, kopakopaka mosara no ilaozako.
Morontsiraka mafana, torapasika mandoro, no hovantaniko.
Any an-dranomasina any,
Ambany lanitra mangina no honenako.
Alin-kintana amam-bolana sy rivotra madio no malalako.
Eny an-tokontanin-tsambo miaraka @ gitara no hirako
Ireo hira izay fikalo, ‘reo hirahirantsika tena mamiko.
Ref : Veloma ry Iarivo, ry Iarivo mamin’ny fo.
Veloma mandram-pihaona, tsy hanadino
Anao, Rakoto matlo.
La la la la la la,
Raha sendra embonembona any ho any
Ka voatonona ny anarako.
Dia tsarovy fa manjoy anareo any koa ny eritreritro.
Ireo sarin’ny sakaiza sy ny sarinao ry tiana no fandrianako.
Isan’andro vao mifoha, na ny alina hatory, ho voajeriko.
Mety taona maro angamba,
Eny mbola tsy voafetra no hiverenako.
Aza malahelo foana, fa antenaiko
Hisy fihaonana ny anjarako.
Amin’izay fotoana izay, hifampiantoraka isika, hifamihina.
Ho eo imolotro indray irony teny mamintsika fahizay.





21/07/2008, 12:20
Pissoa et Ikalaako < merchiiii pour les compliments.
Johary < ary toa mahay ohabolana "tsy fantam-piaviana" ? Tandremo sao miteniteny foana ary !!! ha ha ha !
21/07/2008, 13:01
Fa angaha r'itony tsy mba nianatra ny hasina nentin-drazana nareo ka lazaina fa izahay no mahay ohabolana tsy fantam-piavina ? ah!ah!ah!
Ohabolana amelan-kafatra fotsiny ho an'i Kdaomba :"mahita anay votsa vava angaha ka manati-kabary isan'andro. Oadray re ry lanitra ô! Akoholahy no ho vonoina ka famaky be no lanjaina "
Kitankeny mialoha JOHARY ve ise io sa tehikely mialoha andriana?
ah! ah! ah! Zà mahay ohabolana betsaka ka mba tohizo aza "vazivazy iray an-dalana fa ...." dia hitako raha misy mahay !!!!
M'dola mipetrapetrak'ila !m'dola tsy amin-tsavony mavo ranjo !
27/07/2008, 15:52
FAHTSIAROVANA
Mikopa-mosara ny fahatsiarovana
Toronvandrovana,
Jemby tomany ny maso manjeny
Toa fahadiranovana,
Ny fahazazana, ny hatanorana,
Ny androko omaly
Nindaosiny teny , toa tazakoeny
Misarom-boaly fa manam-podiana e !
Etsy hafarako raha toa hifandao
Raha toa hifandao
Meteza hafarako ianao !