28 Jolay, 2008 11:16
Efa nahita ve ianareo ?
Nampidirin'i kdaombaramita, Sokajy [ Ankapobeny ][ (16) Hametraka hevitra ] | [ (0) Verindrohy (trackback) ]
Mety resaka science (eritreretiko hoe éléctricité) ilay izy fa izaho efa nahita ity zavatra ity : rehefa matory amin'ny alina ka pihina ny jiro ary ao anaty aizina, ilay mbola tsy mahita tory iny fa mivadibadika dia mahita zavatra lavalava kely toy ny tapa-kahitra manify tokony mirefy eo amin'ny 2 cm eo ho eo, mitselatra aingana be mihitsy ary miloko maitso. Tsy mbola matory amin'io an, fa ilay izy tsy mety jerena maharitra fa rehefa sendra azy dia mahita. Ao an-trano mihidy io fa tsy eny hanabakabaka akory, ary tsy matetika ilay izy. Efa nahatsikaritra io ve ianareo ?





28/07/2008, 14:39
Resaka "electrostatique" araka ny voalazanao io 'ka.
Eo amin'ny bodofotsy, na lamba, na "rideau" na lay aro-moka no matetika itrangany satria ireny dia mora "electrifié par frottement".
Raha misy bodofotsy iray ohatra, ka ny tapany amkavia ohatra misy herin'aratra miiba, ary ilay tapany ankavanana misy herin'aratra miabo. Rehefa andeha hatory ianao, raha sendra ampifampikasohanao ireo dia hisy tselatra kely (decharge electrique). Kely dia kely izy io, ka rehefa tena maizina be vao hita.
Izaho moa rehefa matory anaty lay any Mkara dia mahita foana : efa ho isan'alina mihitsy. Izy io moa dia arahina feo mitselatselatra kely raha henoinao tsara.
28/07/2008, 16:24
Asa re ry kdômbitah, fa ohatry ny lasa litera Grika daholo ireto lahatsoratra nosoratanao rehefa jerena avy eto amin' ny ordinateur-ko.
28/07/2008, 18:25
tena efa mahita kintana manadrambo koa injy zany marina! sao dia mba feeling hafa kosa izany miakatra izany satria efa ao anatiny maizina ao nareo mitsam e!lol
28/07/2008, 20:39
Rashid < ka manao ahoana izao fahitanao azy izao ary fa nosoloiko ny karazan-tsoratra e ?
News2dago < ie, efa nahita kintana manan-drambo tokoa aho fony kely, nasaina nijery mihitsy fa hoe tsy hahita io raha tsy efa antitra indray, nefa mbola tsy tonga saina tamin'izany ! Fa tena misy io resako io fa tsy vazivazy anie r'ise e !
Tokinao < misaotra amin'ilay fanazavana, tsy eo ambony bodofotsy ihany izy io fa akaikin'ny rindrina koa mety ahitana azy.
28/07/2008, 23:56
Ande haory a zao de aiza no jerena raha te ahita an'ilay zavatra?
29/07/2008, 05:47
Misaotra indrindra an'i Kdombitah nanova "font" fa izay vao voavaky tsara e.
Angamba tokoa izany hazavana kely lazainao izany dia sahala amin' ireny tsipalotra herin'aratra madinika vokatry ny fifanakaikezan' ny recto sy ny verso amin' ny bodofotsy kah.
Izaho kosa aloha mbola tsy sendran' izany, fa toa mety hahafinaritra tokoa ny mahita an' izany angamba.
29/07/2008, 10:56
News2dago < ataovy maizina be dia jereo eny ho eny, akaiky anao no mety ahitana azy kokoa na akakain'ny rindrina mise prise, aza mihetsika mihitsy fa mety hahita ianao raha tena tsy misy hazavana.
Mampahatsiahy ahy rehefa eny amin'ny grande surface ka mitondra caddie ianao fa ireny koa misy herinaratra matetika, ary tena re ny fisehony, toa izany angambany ilay feo ren'i Tokinao etsy ambony.
29/07/2008, 18:30
Ny mahatonga izany indraindray dia misy synthétique na nylon na ny akanjo anaovanareo na ny lamba rakofana!
Izahay moa tsy mampiasa hafa-tsy la soie,alpaga sy lamba landy ka mampalahelo fa tsy mba mahita izany. Atao ahoana ê! Samy manana ny vintany, izahay niangarany!!!
30/07/2008, 00:23
Ny tena mba mahatalanjona ahy koa ry 'zareo dia izao :
Izaho rehefa tonga ao an-trano, rehefa mikasika "poignet"vy-n'ny varavarako (varavarana hazo) , na koa mikasika ny ordinaterako (izay vy koa, ary mipetraka ambony latabatra hazo) dia maheno "decharge éléctrique". Atsipiny kely foana aho, (manaikitra zany le izy e) ; izany moa dia misy feony kely. "isolé" tsara daholo ireo zavatra. Ny ahalalàko hoe misy "decharge" moa dia satria ilay vao voalohany kitiako iny ihany izy no manaikitra fa avy eo efa miala manko ilay "difference de potentiel".
Ny mahagaga ahy dia izao : ny olona izay mandalo ao amiko hono tsy mahatsapa an'io.
Tsy haiko hoe : izaho ve no mora "electrifié", sa "mora mahatsapa zavatra".
Ny hoe "mpanonofy" na koa be "imagination" aloha dia diso satria zavatra tsapako tsara izao ilay izy.
30/07/2008, 01:55
sao d mamo kdom t@ zany? :-P
30/07/2008, 16:26
Simp < tena tsy manonofy aho ka ! itanao fa tsy izaho irery no mahita ?
Tokinao < Ny fahafantarako azy dia misy charge daholo ny olona rehetra. Fa misy ny bebe kokoa araka ny zavatra kasihiny isan'andro (ohatra mety mandalo toerana na miasa @ toerana mi-charge be ianao, na ny akonjonao koa synthétique be) dia ireo no mahabe ny charge entinao. Fa io araka ilay torohevitry ny mpandraharaha informatika hoe rehefa hanokatra UC-na ordinateur dia safoy aloha ilay UC alohan'ny hamohana azy mba tsy hisian'ny décharges.
FIGAMA < tsy misy resaka vintana io ry ise a, fa na mijery ny rindrina manakaiky prise ary ianao dia mety hahita. Io ilay voalazako hoe amin'ny rindrina koa no ahitako azy, eo akaikin'ny prise ilay izy moa.
04/08/2008, 15:40
kidaomb > tena izay tokoa! misaotra amin'ny fanazavana.
FIGAMA > Tena marina koa io anao io. Arakaraka ilay lamba ilay izy. Ny aro-moka moa mazàna dia "synthétique".
Misaotra e :)
05/08/2008, 01:19
Marina mafy aho raha mbola nahita an'izany?
Izaho vao midaboka dia miesona! :-)
05/08/2008, 11:28
Ry Lalasoa koa dia tena maty eritreritra mihitsy kosa ka ! Aiza ve dia hoe tonga dia miesona !!!!
06/08/2008, 00:46
Inday andro aho nifanoroka tamin'olona ka tonga dia nisy tselatra ary henon'ny rehetra mihintsy ilay feon'ny court-circuit;
Izany ve ry kdaomba no atao hoe coup de foudre ?
06/08/2008, 15:24
FIGAMA < tantarao @ antsipiriany aloha izany coup de foudre izany e !!!