05 Aogositra, 2008 12:25
Tsidika tany hafa
Nampidirin'i kdaombaramita, Sokajy [ Etsy sy eroa ][ (7) Hametraka hevitra ] | [ (0) Verindrohy (trackback) ]
Ho anay tsy nandia tany betsaka, dia ny tv no atao mahamay ! Eo no hitsidihina ny toeran-kafa ary variana tokoa : Ushuaïa, Iles .. était une fois, J'irai dormir chez vous etc. Ny toe-tsaina moa dia ny films matetika no ahafantarana azy satria hita amin'ny fotom-pisainan'ny tantara ihany ny fotom-pisainan'ny olona amin'ilay tany matetika.
Aza hiomehezana aho fa mpanaraka films ilay tsy mety tapitra ireny, matetika tsy vitako h@ farany ilay izy (ary tsy mbola tonga koa moa ny farany), dia miova hafa indray aho ary miezaka mahafantatra ny fandehan'ny tantara. Dia variana aho mahita ny toe-tsaina amerikana :tena lavitra ny toe-tsaina malagasy, betsaka ny tsy ankasitrahako. Fa kosa, ny tsara azoko raisina dia ny persévérance-ny. Ohatra rehefa mitady asa dia tena mi-insister mihitsy, mampiseho fa vonona ny hanao ilay asa aho, ary vonona ny hiezaka fa haiko io satria ... ! Nisy olona niteny ahy nampihomehy ahy indray andro hoe tsy tiako ny mandeha any USA fa sao mihodina amin'ny kihon-dàlana aho ka voatifitra tampoka ! Samy manana ny fijeriny tokoa.
Fa kosa tena mampi-te hitsidika ahy ny faritr'i Ameriques Latines. Feno toerana mahafinaritra sy zavatra mahavariana : mba te-hifanena @ izany anaconda izany aho ! Ny toerana tsara tiako koa dia i Australie nefa mandreraka be ny douaniers asehony télé ny fisavana, ka na kiraro kely misy fotaka ary dia sarotriny be ry zareo sao mitondra aretina hono, dia asainy misasa aloha, na rehefa ahiany mitondra sakafo ianao ka tsy mety mamapiseho valizy fa miteny ampahamarianna dia ampijaliany vao tafavoaka na dia tsy marim-pototra ary ny ahiahiny. Mahasosotra be ilay miditra fa tany tsara mampi-te hitsidika ahy koa io. Nanana namana russe izay koa aho ary nipetraka tany Petersbourg izy. Nampisehoany ny boky mbola io toerana io koa aho ary dia variana nahita azy an-tsary tamin'ny tv fa tsara tarehy tokoa. Ilay mitanik'andro miboridana ny olona nefa à 0°C pour se brozer !!! Ha ha ha !
Na izany ary anefany dia matetika izay zavatra tsara ihany no asehon'ny tv sy anaovany reportages fa tsy tena fantatra izay ao am-badika. Ataoko fa ny JT no ahitana ny zava-misy tena izy @ ilay toerana. Betsaka ireo tany mampanonofy tokoa, nefa tsy izay mahafinaritra dia mahasoa daholo.





05/08/2008, 13:58
aty madagasikara mandeha e!lol sa efa tapitra hianao ny taty
05/08/2008, 14:02
Efa hita ny tao Madagasikara na dia tsy voatsidiky ny tongotra ary voatsidiky ny maso. Fa aza matahotra fa anisan'ny tsara indd ny taniko ! Feux de l'amour no jereko aloha @ izao fotoana.
05/08/2008, 15:08
Kay le tantara tsy mety tapitra iny!!! Ilay mampiady tele commande anay mitsam mihitsy kay zany jerenao izany kano.
05/08/2008, 19:00
Marina akia izany ry Kdaombitah. Mampanonofy tokoa ny mijery an'ireny fandaharana mikasika ny zava-mahafinaritra misy any amin' ireny firenena lavitra ireny. Indrindra indrindra moa rehefa ny tena mihitsy no any alavitra...
06/08/2008, 00:42
Tsy dia nahasarika ahy ny tanin'ny Bekitana noho n toe-tsain'ireo mponina izay maro no hita fa tena nandra be mihintsy. Mieboebo tery saina ka ohatry ny akoholahy maneno ambony zezika. Sady taviny no volony fotsiny ny ankabeazany ary miteniteny foana sy matikambo ho firenena mandroso indrindra eran'izao tontolo izao...Vitsy ny tena mandalina ny fiainana, ny hafa dia mino izay lazain'ny gazety. Mba diniho sy jereo tsara anie !
Tsy Kdaomba irery anefa no misento ny amerikanina fa misy hafa koa any ho any !!! Indrisy mantsy!!!
06/08/2008, 02:08
ny ahy hijery ny tany efitra izao no mba revireveko (mbola cousin-n'androy io tsinona lol)
06/08/2008, 22:54
FIGAMA < Misento ny amerikana ahoana moa izany fa tsy azoko tsara ny tianao ho lazaina ? Amérique Latine no toerana tiako zahana, fa ny pérseverance ny amerikana bekintana rehefa misy zavatra tadiavina misy akana hevitra tsara. Izay ihany ry ise a ! N2D < miady télécommande ahoana e ? iza no tena mila ilay téléc rehefa mandeha ilay film ? Ah ah ah ! Lhltrs < Hay ve tsy izaho irery e ! Ikalamako < Sao ilaozan'ny chameau any ndry ! Ary ilay sables mouvant ?