02 Oktobra, 2008 00:46
Ny any aminay
Nampidirin'i kdaombaramita, Sokajy [ Tahiry tsy adino ][ (9) Hametraka hevitra ] | [ (0) Verindrohy (trackback) ]
Efa mirefarefa
sy tsy ho tana ny hazavàna 
Ventso ihany sisa
no voatanisa fa tsy tamàna
Tsaroako indray e
Ny any aminay
Ireo vorona mody e
misodisody mikopaka eny
Ampombaiko veloma
fa tsy hay antsoina
i Kaky sy i Neny
Toa hitako sary eto anoloana
mijinja vary eny am-pamoloana
Ny nanovo rano
miloloha siny
mitantara angano
toy ny fahiny
Manako moramora
toa manakora ny rian-drano
Ny nofy eny manga
ny maso foana manganohano
Singany irery ts'isy mpijery
Erika mifafifafy ny onja mihamafy
manao patrakala
Sarin'ny foko ao anaty
toa tsy mahatanty
fa lavi-malala (Bouboul)





02/10/2008, 13:20
de ahn no hevitra zany!
zay koa aty efa manina anareo ery!lol
02/10/2008, 13:50
efa mirefarefa ka tsy ho tana ny ganagana
gisa ihany sisa no voatanisa fa tsy tamana
tsarovy indray e, ny laokanay...
02/10/2008, 17:48
Mampahatsiaro ny taloha
Ity tononkalo ity
Tsarovina ilay loharano
Fandehanana maka rano
Siny ambony loha
Fatsakana ivelan-tanana
Madio sy manganohano .
Lasa lavitra izao ilay fahazazana ...
02/10/2008, 19:46
N2D < Misaotra manina anay e, ny fitadiavana mahazaka maniratra. Ampy torimaso tsara ve ? Ikalamako < hi hi hi, eo koa ny akanga tsara soratra sy ny vorombola izay betsaka aty ! Tritriva < Tena fahatsiarovana tokoa ny "hira fahiny" an !
02/10/2008, 23:42
aiza io sary io?
toa misy hoe shell?
03/10/2008, 22:43
Ankamantatra e : taiza ary io sary io ô ?
04/10/2008, 11:54
etsy @ SOLIMA sy Televiziona - sa tsy ao intsony ny télé ? - etsy Antaninarenina io ; biraon'ikalamako taloha (ilay trano no birao fa tsy ny toerana an - hahaha)
04/10/2008, 12:38
Ikalamako < Kay, tsy nampoiziko indray iny ! Ha ha ha ! hay nisy olona niasa tao eto amin'ny nety !
04/10/2008, 17:06
Tsy mpiasan'ny SOLIMA aho t@ zany fa birao nindramina ny anay tao no tena izy, satria ny SOLIMA no partner-n'ilay projet-n'ny fiaraha-miasa rainiboto momba ny angovo niasako tamin'izany.
QG-nay tamin'izany io e !