23 Oktobra, 2008 00:18
'Nareo lehilahy ireto tena tssss !
Nampidirin'i kdaombaramita, Sokajy [ Hehy ][ (46) Hametraka hevitra ] | [ (0) Verindrohy (trackback) ]
Hihomehy ianareo tantaraiko ity. Tao Antananarivo faran'ny taona t@ izay ! Nandeha nijery² teny Analakely teny ny tena moa. Mifanototra ny olona mikarakara fety faran'ny taona. Sendra ilay làlana teritery iny aho sy ilay olona niaraka tamiko, dia tafasaraka izahay. Nisy olona maromaro nanasaraka anay. Inona hoy ianareo ? Injay reko taorianako nisy nikitika moramora sady somary nisafosafo ny tapako ambany, eo @ ilay faritra mamoafady ! Nitodika aho, inty lehilahy no taorianako. Saika andeha hitabataba azy aho fa nieritreritra kely dia naleoko tsy niteny fa efa sarotra ny fiainana !
Izao ny antony : rehefa nojereko tsara ity lehilahy izay mody tsy taitra taorianako nikitika ahy ity, dia nisy olona nifampitantana taminy nanaraka azy, mino aho fa vadiny ilay izy ! Tsy izay ihany fa nisy olona hafa taorian-dry zareo nifampisarika t@ ilay ramatoa : zanany vavy somary efa teo amin'ny 13 na 14 taona teo !!! Nodinihiko tsara izy mba ho hitany ny masoko nivandravandra azy, izy mody maty etsy toy ny tsy nanao inon'inona ! Fa dia mba tsy hisian'ny ady mivady sy hanala baraka azy @ ity zanany kely, mba manan-janaka ihany ny tena, dia nalefako nihoatra ahy ry zareo sady niandry ilay olona niaraka tamiko aho.
Ô rey olona e, ianareo lehilahy itony dia tena tsy mahay mipetraka mihitsy marina. Mba ampirimo iny tànana iny rehefa mba miaraka amin'ny vady aman-janaka, indrindra mba omeo ny hajany izy ireo ! Hajao koa ny tenanareo sy ny tokatranonareo !





29/10/2008, 16:19
Tsy izaho io. Mbola boay kely zara raha ampy taona aho tamin'izaho nanao SN dia kely endaka ihany koa. Sady fotsy kely sahala amin'ny tsy nahazo taninandro ireny.
Tao amin'ny 1RM1 aho no nanao SN
29/10/2008, 09:53
Inty ilay rohy ry Kanjo Jentilisa fa sendra ilay kary lahy io ianao dia analany azy eo : http://kdaombaramita.blaogy.com/resource/861/4219
Ô ry ilay Tokinao a, manararaotra toy ny banga mihomehy alina an ! hi hi hi ! Ilay rohy nomenao io kosa no saika anontaniako anao hoe sao dia ... ?
29/10/2008, 00:33
oupss. diso ilay rohy napetrako hihihi.
http://kdaombaramita.blaogy.com/album/861/436
29/10/2008, 00:30
Zany hono ry jentilisa mba jereo a!
(tsy ilay ao @ natiora hafahafa akory a!
hihihihihi).
Mihomehy foana aho isaky ny mahita an'ireo :).
Misaotra kdaomba a!
.
.
.
.
.
.
.
.
.
.
.
.
.
.
.
.
.
.
.
.
.
.
.
.
.
.
.
.
.
.
.
.
.
(zay dia mbola nosokafana ilay izy nefa efa noteneniko fa "tsy io" ilay izy) hihihi.
Miala tsiny fa mba te hanala azy RaToky e :).
28/10/2008, 12:03
Romlus < ha ha ha, fiarahabana ? koa maninona izao raha ny madamany no ataony toy ireny eny an-tsena fa tsy ny an’olona ? Misy dia ratsy toetra mihitsy hoa !
Mpijery< aiza kosa dia hoe kaozatra ny eto amin’ny tanàna e ! Itanao ihany ireny mampahia tena ireny dia lazaina ho kaozatra e ? Samy en forme daholo na ny eto n any any e, fa ilay toe-tsaina tsy manaja vady mihitsy no tsy mety ! Misy foana ny mpitsiriritra fa azo atao koa ny maso mijery tsy mitondra mody e !
Maintikely < an an an, ampirimina iny tànana iny rehefa mbola manam-bady ka ! hi hi hi !
Gravy be tokoa raha izany bisou-paraky izany koa ! Hi hi hi !
Jentilisa < jereo kely ilay sary SN dia sao dia ianao ny 1 amin’ilay 3 mianadahy ireo ? Toy ny misy itovizana mantsy.
27/10/2008, 19:05
Ny nahatratra ahy tanaty bus (t@ izany fotoana) dia nisy nandidy lame ny patalohako taoriana !!! Tena tssss, soa fa itan'ilay sipa namako nony nivoaka aho hoe hita ny tao anatiny tamin'izay, ary soa fa tsy naratra aho. Ary tena hafa kely mihitsy anie ianareo lhl ireto e ! Mibaradaka ny fomba ratsy fanao eto daholo !
27/10/2008, 18:51
Misaotra e!
misy mpanaraka io topchretien io tokoa tany amin'ny fiasako taloha fa izaho tsy dia nanaraka io loatra
27/10/2008, 18:03
Mihinam-paraky angaha ilay nanao bà amin'ny vava ?
27/10/2008, 17:01
Raha revirevy anie ny tery miaraka aminao ao anaty taxiBe inona ny olana ??? nampin'ny vintana ka mitraka mampiakatra kirika!
27/10/2008, 16:51
Be koa anie ny tsy mba mitandrina: fitaratra fiara ve dia ampidinina tanteraka, ny mpangalatra mety manaraotra misintona na ny mpitondra fiara na ny entana (car jacking)!!! Azoko an-tsaina ilay bà amin'ny vava avy amin'ny lehilahy mihinam-paraky !!!
27/10/2008, 16:01
Eny amin'ireny taxiBE no tena misy lhlh mpanararaotra e! indrindra rehefa mipetraka tery be eo strapotin eo kah!
Ary ilay tantaran'ny lehilahy nanararaotra ny "vitre baissée" ny auto teo amin'ny feu rouge, ka nanoroka tampoka eo am-bavan-ilay sipa tao, dia lasa nandositra aingana avy eo...tena tsy rariny kosa izany an!
27/10/2008, 14:52
"Hihomehy ianareo tantaraiko ity" hoy ny voalohan-teninao. Manamarika izany fa tsy tezitra ianao !!!
Ary mbola tsy tratry ilay mifanesika mitsangana ao anaty bus angaha ianao ? Izahay lehilahy mantsy amin'iny miandry ilay coup de frein matetika !!! Misaotra anao aho ry fiara fitaterana !!!
27/10/2008, 14:38
Azo atao daholo anie izay tiana atao,tandremana fotsiny tsy ho tratra !!!
Ifaliana izay misy rehetra : ny lanitra mangamanga no banjinina, ny raozy mamelana asiana oroka kely. Madamakely nandalo akaiky loatra nanaitra ny maso ary nanintona ny tanana. Tsy aleonao ve misy mpitsiriritra toy izay tsy misy mpijery !!!
27/10/2008, 14:13
"...Mba ampirimo iny tànana iny rehefa mba miaraka amin'ny vady aman-janaka, indrindra mba omeo ny hajany izy ireo!..."
midika ve izany ry kdaomb hoe rehefa tsy miaraka @ vady aman-janaka dia afaka mikitikitika ry zareo :p
mba tsetsatsetsa tsy aritra e :)
27/10/2008, 12:22
Tokinao < misaotra @ fanzavana e !
Et puis, rehefa miaraka @ "ikala" ianao dia "mikasokasoka" no ataonao aminy sa "misafosafo" ? Itanao @ izany ny tsy mampitovy ireo ? Tonga dia fantatra avy hatrany ny mipetaka aminao ! Sa tena tsy misy mahasamy hafa azy ireo aminareo lhl itony e ?
27/10/2008, 00:32
Tsara rehefa tsy manao am-po sady tsy tezitra nareo e :). Hay kay nareo 'reto tena mpifankatia miits 'ko. mahita an'ze mifanoratra any @ takontakona any fa eto no manao vazah mody miady hihihi.
>>>>Kdaomba :
- Momba ilay resaka spam : raha ny fahalalàko azy dia ilay "AuthImage" ihany no fiarovana @ spam eto @ blaogy.com. Io dia tsy manakana ny fametrahana rohy mihitsy fa manery ny hanoratana an'ilay tarehimarika fotsiny. Na izany aza anefa, zah dia mahita "spam" voasakana betsaka ao @ blaogiko ao ; ka matoa anefa izy ireo hitako dia nanoratra an'ilay tarehimarika @ "AuthImage" zany izy. Koa mieritreritra zah hoe : mety misy "filtre" hafa any ho any : nataon'i Hery. Ohatra hoe : efa misy "base de données"-na IP mpandefa spam :). Thanks to the chief.
- Raha te hanontany zavatra amin'olona marobe (fa tsy ny mpi-blaogy fotsiny) dia atsy @ dinika no fametrahana azy : http://forum.serasera.org/ . Misy karazana dinika bedabe ao : fivavahana sy finoana, diaspora, sns. Ary azo apetraka ao daholo izay rehetra fanontaniana (ankôtran'ny tenindratsy hihihi). Ka :
1°- mampidira solonanarana sy tenimiafina, dia lasa 'zao :).
2°- Safidio izay "dinika" mifanandrify @ fanontanianao ; ohatra hoe : fivavahana sy finoana, diaspora, sns.
3- Dia avy eo tsindrio ilay hoe "[Hanoratra hevitra vaovao]". ary farany dia :
4- jerijereo matetika ilay pejy mba hahitànao ny valiny apetraky ny olona.
"Pratika" be io satria afaka tsy mitonona anarana (atao "xxx") hihihi. Fanaoko moa io, dia avy eo, izay olona fantatro hoe mety hahavaly an'ilay fanontaniako no resahiko aty am-badika hoe : mba jereo ilay "fanontaniako atsy" sao hainao :). @ lafiny iray koa anefa dia tsara ny mampiseho solonanarana, @'zay vao hitan'ny namana tonga dia valianay. Be mpananihany kokoa noho ny eto @ blaogy.com aloha ao fa 'zany hoe : matetika dia misy valinteny mahafa-po koa. [à 98,75% des cas hihihi].
>>>>jentilisa : tôpikretien re zany a! (topchretien hihihi).
26/10/2008, 23:02
izay io vao tadidiko. Tena tsy arako mihitsy io topc io. Tena tsy haiko ka noheveriko ho diso fanoratra ianao. Tsy fantatro mihitsy io noho izany tsy nanakavaly aho.
fa rehefa tsy mahavaly am blog aho anontanio amin'ny serasera.org mihitsy akia a! zany no fanaon'i Tokinao rehefa tsy hitany ny heviny na tsy voavaliko ny fanontaniana. Io izy anontanio.
Tsy misy tezitra kosa eo Tokinao a
26/10/2008, 20:07
Ary ahoana koa ary no mbola ahafan'i Tokinao mametraka lien eto amin'ny fametrahana hafatra ? Hazavao hoe fa efa no-décocher-ko izy io ! Izaho tsy manao ampo izany re ry ilay koto a ! Fa tsy io ilay fanontaniako ka, efa hitako io valiny io, toa nanontany aho hoe sao manana profil ao amin'ny topc ve ianao ? Niresaka momba ny sekoly alahady izy tamin'izay ! Mais bon, izaho aloha tsy tezitra amin'i Jentilisa fa mba samy namoaka fanamarihana fotsiny izahay @ fo madio !
26/10/2008, 03:35
Mihavàna fa aza miady e :).
Mba namariniko tokoa ilay fanontanian'i kdaomba tatsy @ blaogin'i jentilisa.
Hitako fa namaly ihany jentilisa ... fa mety tsy naha-afa-po an'i kdaomba 'zany ilay izy :).
Tsy fifankazahoan-dresaka fotsiny re 'zao fa dia mifankatiava a hihihi
-i kdaomba aza manao am-po loatra ;).
-moa i jentilisa: ezaho valiana tsara hono ny fanontanian'ny mpametraka hafatra ;).
--------------------------------
Izay mitambatra vato izay misaraka fasika e :).
26/10/2008, 00:15
Ny momba ahy dia tsy mamaly izay fanontaniana tamiko. hihihi... hay va re!
sa izay ilay hoe De maninona no tsy mamaly izay nolazaiko sy hoe maninona no tsy mametraka hevitra?
Tsy maninona ry aiko! haha