13 Novambra, 2008 14:00
13 nov : journée internationale de la gentillesse
Nampidirin'i kdaombaramita, Sokajy [ Etsy sy eroa ][ (7) Hametraka hevitra ] | [ (0) Verindrohy (trackback) ]
Manahoana daholo e ! Henoko tamin'ny radio vao teo fa "journée internationale de la gentillesse" anio. Dia misy ny olona izay nalaina feo tamin'ny radio milaza ny nataony :
- J'ai emmené des croissants pour mes collègues ce matin, hé hé hé !
- J'ai donné 2 euros à un sdf, ce n'est pas beaucoup mais c'est déjà pour s'acheter un café
- C'est pas fatigant ? hoy ny mpanontany. Valiny : "Oui, sourire avec tout le monde fatigue le visage, mais je me reposerai demain !" (tapaka ny tsinaiko)
Izaho kosa izao vao nahare ity andro ity h@ izay niainako ary itako fa tsara. Tsy fantatro izay mbola hataoko fa dia efa reko izao, na dia rahampitso ary tsy maninona fa hoy ny vazaha hoe : "Mieux vaut tard que jamais". Soa aloha fa mba gentille tamin'ny tenako aho nividy zavatra niriko h@ izay, sady efa feno kilalao eny amin'ny magasins ! ha ha ha ! (Inona ary izany hoy ny sasany ?).
Fa ny anareo : inona no mba mety hataonareo izao na dia tara kely ary tsy maninona e ! Raha nisy olona nahasosotra tany ho any dia mba zakaina ny @ ity indray mitoraka ity dia hadinoina noho ity andro voatokana ity e, samy hahasoa ny andaniny sy ny ankilany izay e ! Sa ahoana ?
Izay ary, mazotoa daholo ô ô ô !
"BISOUX SPECIAUX" androany ho anareo rehetra





15/11/2008, 22:04
Finonaranoray < angaha tsy nividy kilalao tokoa moa ity izaho hoy ianao ? Mampihomehy be anie !
14/11/2008, 15:32
Fa angaha rehefa gentille dia hoe jentilisa ? Fanagasiana koa izany an, aza mba tratran'i Tokinao ihany @ izany, hi hi hi !
14/11/2008, 12:44
Hay ve misy koa ny andro iraisam-pirenena ho an'ny fahajentilisana e!
tssss, simplex koa manjary alaiko tahaka le!
14/11/2008, 02:12
Zany hoe andro iraisampirenena natokana hoan'i Jentilisa zany androany?
ouh la la
quelle classe ce mec hu hu
14/11/2008, 00:55
en toute gentillesse dia mamela bizorka be ho an'i kdaombah ikalamako :-)
13/11/2008, 21:27
Hay ve... ny ahy angamba hitondra kilalao (inona ary izany?) ho an'i Kdaomb...
Misaotra tamin'ilay Biz ry Mangamaso a...
Ary rahampitso "journée internationale" n'inona...Diabète...tandremo ny "coca" a...
13/11/2008, 20:40
Izao vao henoko izany journée de la gentillesse izany, tsy nihaino radio na télé aho, ary dia tsy nalaza teto akaikiko izany, i kdaomb no mitondra vaovao soa e! ka misaotra. Biz ho an-dry, sy izay te ahazo avy amiko :-D