23 Novambra, 2008 21:45
Afrika : " Mbola ho avy ilay maraina "
Nampidirin'i kdaombaramita, Sokajy [ Etsy sy eroa ][ (20) Hametraka hevitra ] | [ (0) Verindrohy (trackback) ]
Notsongaina tao anatin’ny maro @ blaogy.com aho koa dia manaja ny safidin’i Jentilisa ary hanohy ity lalao momba an’i Afrika ity. Ataoko teny Malagasy ôfisialy satria afrikana gasy aho ary mbola mahatadidy ireo fitsipika rehetra momba izany.
Ny tonga avy hatrany ato an-doha aloha vao miresaka an’i Afrika dia FAHANTRANA. Tsy midika fa mahantra daholo ny tany ao Afrika fa ny ampahany lehibe @ io tany io dia mahantra BE mihitsy. Teo ampijerena fahitalavitra aho no mahita zazakely 2 taona mitomany, ary hoy ny teny mitantara hoe : “ Iza no olona mba afaka miandraikitra ny tadiavin’ity zaza ity izao ? ” satria amin’ny tany miady no misy azy. Latsaka ny ranomaso satria vao lohahevitra teo alohan’ity dia mikasika zazakely, ary satria reny ny tena dia malahelo. Na dia ny mijery ireny zaza eny amoron-dàlana ato Tananarivo renivohitra ireny apetraky ny reniny hangataka ary dia ontsa ny fo. Maro ny zava-misy mampalahelo iainan’ny ankizy afrikana, nefa dia tsy hita fa hany mba mampionona ny foko dia hoe : “Mbola ho avy ilay maraina”.
Ahoana anefa no mety hahatongavan’ny maraina, ary rahoviana ? Amiko dia tsy misy azoko hatao mivantana ho an’ny rehetra satria lafiny maro no mahatonga ireny fahantrana ireny. Fa ny azoko hatao dia fantatro fa misy ilay Nahary izao tontolo izao, eny misy ny tsy mino izany, nefa izaho mino koa dia milaza etoana aho fa misy akony ny vavaka amin’ilay Nahary izao tontolo izao, ilay nanome ny zanany lahy tokana mba tsy ho very izay rehetra mino azy fa hanana fiainana mandrakizay. Na tsy hahatsapa ny fiovana mivantana ary aho dia fantatro fa misy olona mila vavaka any Afrika ary ao anaty fijaliana tanteraka ka tsy mahavita na tsy afa-manao izany. Koa dia mivavaka ho an’ilay kaontinanta iray mitolona hivoatra aho, mivavaka mba hitsaharan'ny ady an-trano, mivavaka mba iraisan'ny firenena afrikana hina, mivavaka ho an’ny mponina ao mba hiova fo, mivavaka ho an’ny ankizy mba hahita vokatsoa atsy ho atsy, mivavaka mba hihinanan’izy ireo sakafo ara-dalàna isan’andro, mivavaka mba … sns. Marobe ny zava-tsoa angatahiko ho an’io tany iray io @ ilay Avo Indrindra.
Eny, mbola ho avy ilay maraina …
Asa izay fomba fijerin’ireto olona eto ambany ireto azy fa fifaliana ho ahy ny manasa azy ireto mba hanohy ity rojo ity :
- Tritriva : namana tia poezy
- N2D : ahoana hoy ise @ ity rehefa avy nijery an'i Alpha blondy ?
- Simplex : izay tia “mandrebireby” tokoa rehefa miteny ka inoako fa tena ho hafa kely ny azy @ ity indray mitoraka ity 
- Rado : ahoana no fijerin'ny olona mipetraka any Be Kintana @ izao toe-javatra misy any izao ?
- PKM : moa ve misy hira mety anandratana ilay vavaka ? Izay tianao apetraka anefany no ataovy.
Mahereza daholo 





14/12/2008, 13:08
Izay mahasoa ataon'Andriamanitra hoy isika malagasy izay!
25/11/2008, 23:15
Nandaniana andro ilay trano. Misy prob aminareo ve izy izao sa tsia fa toa tsy omby ny portable izy izany klé !
Tsy miangantra Andriamanitra fa souverain.
25/11/2008, 22:26
kdom a,
fa A/tra wa miangatra ee? :P
lasa bogosy be ny tranonao zany an
arabaina :)
25/11/2008, 22:22
EEe lasa be velarana be izany bolonganao izany an!
25/11/2008, 21:05
Eny tompoko, faly aho misy manampy miombo-peo mivavaka satria rehefa 2 na 3 na mihoatra mivavaka dia eo anivony ilay Avo Indridra. Misaotra.
25/11/2008, 17:29
>mivavaka ho an’ny ankizy mba hahita vokatsoa atsy ho atsy, mivavaka mba hihinanan’izy ireo sakafo ara-dalàna isan’andro … Avelanao hiombom-peo aminao ve izahay ?
25/11/2008, 13:18
Ka izaho lazainao fa Rangory fototry ny afo eeee
25/11/2008, 12:16
Ie tena mba misy tiako mihitsy ireny zavatra atolotrao ireny: indrindra le sary kivalavala be ireny! lol
bn jrné e!
25/11/2008, 11:16
Poika! tsy misyafo aty amiko aty! za ange tsy mifoka sigara e! hihihi
25/11/2008, 04:17
;-)
24/11/2008, 17:33
andraso fa ampidiriko e! ok
24/11/2008, 17:28
N2D < Nampiditra hevitra la vabe aho ry toi dia tsy mahazo alalana hijery hono aho ! Manome lagy koa ny blog-n'i toi an ! Nanao annif be izahay tamin'ny WE e !
Jogany < Misaotra. Tsy noheverinao hitatra izy ity an ! I Jentilisa no Rangory fototry ny afo.
24/11/2008, 17:21
zany koa ve de ilana sopapa ry kdaomba a! tantarao oe taiza no naka rivotra dia asio sary
24/11/2008, 17:15
ouaina kely mihitsiny ny mpamporisika fa lasa nihitatra be ilay tag sady lavaaaa be daholo ny any amin'ny olona. dia aleo mody aty amin'ny commentaires no atao lava be :P.
(eto amizay atao teny frantsay)
Eny, mbola ho avy ilay maraina …merci de rappeler que l'espoir est encore là et qu'il réside dans chacun de nous. On ne se réveillera pas plus riches au matin mais juste avec un peu plus de force pour poursuivre.
merci be
24/11/2008, 17:13
Tantarao aloha ny WE avy aty aminao dia ho hitako eo ny ahy raha milay noho ny an'i toi !
24/11/2008, 17:02
Enao koa manadala mihitsy an! zao zao tsy misy maneho hevitra ilay lahatsoratra nosoratako iray ao!lol
nanao ahn ny weekend e? sao mba azo tantaraina koa!
24/11/2008, 15:13
An an an, rehefa nahavita 1 ianao dia tsy maninona e ! Adidy angaha moa izy ity fa toa niteny izany koa Ikalamako etsy ambony ?
24/11/2008, 03:05
Sarotra be amiko ilay adidy ry kdaomb nefa nataoko ihany, na dia kely monja aza, rahoviana aho no ahay manoratra toy in-dry ? :-)
24/11/2008, 02:24
arahabaina nahaefa adidy :-)
23/11/2008, 23:47
haingana mihitsy kosa aloha ny namalianao azy fa misaotra tsy nihambahamba nanoratra izay tao an-tsaina. Mety tsy ho ampoizin'i Jogany akoryizao fa efa lasa lavitra sahadyny rojo nalefany.