06 Janoary, 2009 07:22
Tsara ilay fety any e !
Nampidirin'i kdaombaramita, Sokajy [ Etsy sy eroa ][ (6) Hametraka hevitra ] | [ (0) Verindrohy (trackback) ]
Mahafinaritra ahy ny nijery ny fety noely tao Antananarivo an-tsary. Na ireo sary fontsiny ary dia milaza zavatra satria afaka nifaly ny olona na dia tao anaty fahasahiranana ary. Izaho manokana aloha raha tamin’ny andronay dia faly na dia mijery fontsiny ary, ilay atmosifera mihitsy no miteraka zavatra na tsy mandray anjara ary. Ary mahita fiilina foana ny gasy na dia tsy ary fitaovana ary, toy ny manezy ahodina tànana : ny sôvaly deboa, ny kodiarana goavana fitaingina, ny fiara kely mihodina ho an-jaza, … voa indray ny jirama t@ iny. Ao koa ny nanovana ny lalamben’Analakely ho toerana fandehana tongotra fontsiny. Dia feno sary mahafinaritra ilay sita itako : fiara, elikôptera ary fiaramanidina kely mampifaly ny ankizy, fitaingenana lamasinina kely maginy fontsiny.. Hatramin’ny volombavan’i dada koa ao manome enerzy, ny fiankaviana isan-toko tonga miaraka toy ny toerana fanamafisana rohim-pihavanana, … ets. Raha miakatra ambonimbony ianao dia tonga eo @ zaridainan’Ambohijatovo ahita ireo karazan-dalao fahita amin’ny kazinô fa ankalamanjana, tsy hita izay maharatsy azy ! Toa nisy fiovana be any Dago izany, enga anie ka hitohy ny toy izao fa tsy ho rendriky ny politika ambony latabatra fontsiny ny fiainan’ny malagasy !
Akoatra izay dia mahafinaritra koa ny nijery ireo sary tamin’ny fifaninana maka sary ny fiainana andavanandro malagasy. Tena misy sary tsotra nefa milay e ! Izaho koa mantsy tia makamaka sary izay, ka dia mba nankafy aho mijery ireto sary vitsivitsy voaray nahazo loka !
Oadray manina aho izany ry zareo mahita izao !





11/01/2009, 21:42
Miarahaba anao Tritriva ary miarahaba ny rehetra koa !!!
"Iny hono izy Ravorona, ento manaraka anao, ento misidina ambony, raha mitomany ampangino, rahefa mangina avereno !!!"
Dia namaly Ravorona :"akanga anie aho ka akanga, akanga niditra ny ala, androso anie aho tapak'elatra, hijanom-potsiny re manin-kavana"
Indrisy mantsy ô !!!
11/01/2009, 21:11
Tena mbola mivaralinan'ny décalage horaire i Finoanaranoray izany.
Eny, mpijery tsindraindray ao aho ry Mangamaso a !
Johary < Be ny fahatsiarovana tsy mety adino fa mbola hiverina any aho hahabetsaka azy mba hifaliako aty an-tany lavitra.
11/01/2009, 12:07
Azafady
Bonne fa tsy Bombe
Aloa fa tsy aloha
Antonona fa tsy antonina
efa tsy mahay mitapy itsony e (mitapy clavier)
11/01/2009, 12:05
Mandalo dia mirary soa
Bombe année 2009...
Arivo isaky ny milalao no aloha tamin'ireny e...5 minitra eo ho eo isaky ny arivo...
Faly be zalahy na dia antonina aza ny zakan'ny tsena...
08/01/2009, 16:03
Manahoana i kdaomb,
Miarahaba an'i Johary,
*
Hay ve mpitsidika any ao sobika koa in-dry e!
Misaotra nitondra ireo liens akia.
Biz :-)
07/01/2009, 18:31
Nahafeno sobika ny fahatsiarovanao izany ka tohina ny fo (mahita fiiling hoy ny fitelazanao azy).