11 Oktobra, 2009 00:20
Malagasy avy aiza ianao ?
Nampidirin'i kdaombaramita, Sokajy [ Etsy sy eroa ][ (32) Hametraka hevitra ] | [ (0) Verindrohy (trackback) ]
Avy aiza daholo isika malagasy jiaby mandalo eto e ? Finaritra mahafantatra izay toerana misy anareo, dia asio tantarany kely rehefa mametraka hafatra.
" Izaho avy ao Antananarivo, fokontany Mahavoky, manelanelana an'i Besarety sy Andravoahangy, tao no teraka. Rehefa talata no tsenan'i Besarety, ary rehefa alarobia ny an'Andravoahangy. Dia tsy misy olana fa na misy ary ny delestazy ka tsy azo antoka ny vata fampangatsiahana, dia iantsenako matetika io
. Misy ny rehetra iny faritra iny ry zareo a ! "
. Misy ny rehetra iny faritra iny ry zareo a ! " 






22/10/2009, 11:44
Avaradoha, EPP nandalovako ary anisan'ny izahay no nianatra voalohany tamin'ilay fanampiana EPP vao vita. Rakotovao ny direktera tao t@ zany ! Haiko daholo iny elakela-trano iny satria mifampaka izahay rehefa andeha hianatra. Ilay Mahatazana ve mbola quartier snob-na vozongo ihany ?
21/10/2009, 10:33
Milay io tanana io ry zareo an !!Nga adinonareo le milaatra matsaka rano:P....De refa ariva avy mianatra de mividy katlesy sy frity 50Ar(Mmmh!! matsiro!!)
Za zao efa ho 3taona tsy tany .Malaelo nge za io e!!!
OUINNNNN:-P
11/07/2009, 02:34
Kdao & Izaho > eo @ " tanimalalaka " tokoa no misy ny fokontany Avaradoha, @ ilay lalàna miakatra ho any @ girard et robic iny raha avy aty Besarety.
Kdao > mbola any ilay hopitaly be n'ny sinoa any Mahitsy, mandeha be mihitsy. Dia io nolazainao io mihitsy ilay Ambanitsena kah :)
08/07/2009, 16:34
Ie! tam-faha tanorana izany ry Kdaomb. Izany no anton'ny nametrahana ahy any pensionnat... hihi!! hendry tsara avy teo :-).
07/07/2009, 21:37
Izaho < toa ilay anaty tanàna ilay fokontany ka, misy tany malalaka izay ao anaty tanàna ao. Toa vao miampita ilay EPP dia ao.
Mangamaso < "mpampiaraka" tany angaha njy ?
Ikalamako < hay va re !
07/07/2009, 21:07
Efa nihaina tao mahamasina atsimo koa aho ry kdaomb :-) fantatro daholo eny ambany rova eny, sy ireny toerana fanaovana rendez-vous taloha LOL
07/07/2009, 20:06
ny avy any Andilamena akia antanosimboahangy a, fa bebenay avy any, dia zah hono tena manao endrika antanosimboahangy mihitsy, fa dadabe indray avy any avaradrano moa rabainina indray avy any betafo dia metisy zany fa mifangaro koh, Sa ?
07/07/2009, 17:37
Booboo>>> Ny fokontanin'Avaradoha ve moa tsy teo amin'ny tanimalalaka, sa efa niova ny anarany ilay fanaovana fety taloha sovaly de bois sy ny karazany efa ela aloha izany tadidiko izany ee,eo ambanin'ny institut pasteur mihampita arabe sa tsy izany?
07/07/2009, 03:01
Ka izay ilay tiako tenenina. Mizara roa Ivandry dia ny iray no residentiel. Dia iny foana no eritreretin'ny olona vao maheno ilay anarana.
Tonga dia tranona ambassadeur sy president no ao an-tsainy vao hoe Ivandry.
Kanefa ilay faritra iray no tena feno olona.
06/07/2009, 18:07
Texas poteau-double paraky
Ambohibao Andranomena
ireo no kianja filalaovana fony kely
(efa ela aho tsy tany)
06/07/2009, 13:24
Ao vohitra nisy ny rova ( ville haute) no misy azy, zereo ao blaogy http://tritriva.unblog.fr/
misy article momba azy.
06/07/2009, 12:54
Lhltrs< tena tadidiko tokoa ilay milahatra lavabe eo amin’ny gara rehefa ho any Toamasina taloha. Vao maraina be amin’ny 5 ora dia efa eo miaraka amin’ny entana, Hanao vakansy io na hiaraka hibizna amin’ny rad. Dia maharitra 1 andro ny dia eny amin’ny fiaran-dalamby, faly ery vao mahita ilay masoandro miposaka anaty zavona vao maraina any amin’ny faritra atsinanana maitso mavana.
Mangamaso < aiza ho aiza amin’io faritanin’i Madagasikara io akia izany Tananambony ?
Izaho < haiko daholo ireo tany nahalehibe anao ireo afatsy Ambotrimanjaka, toerana be vary moa ? Nianatra teny @ CEG Nanisana mantsy ny tena dia toerana fandalovanay ireny rehefa tsy tonga ny mpampianatra, mandeha² any mitady làlana akaiky. “Mandeha amin’ny tsy faleha” hoy ny fiteny. Indray andro ary nentin’ilay namanay tany Ambohitrarahaba mihitsy izahay nandeha tongotra avy aty Nanisana. Lavitra tokoa ny toerana nipetrahany nefa dia gaga fa vitany isan’andro io làlana io. Avy eo niverina nody t@ bus fa reraka.
Fahamarinana < Tena nitety ani’ Gasikara tokoa ianao izany. Mahafinaritra, izaho dia mbola tsy nahita toerana maro toa anao tany an-tanindrazana.
Simp < tena tsy haiko indray ireo tanàna voalazanao ireo afatsy ilay Ambatomanga no efa reko fa mbola tsy nalehako. Ampio ilay tantara leiroa !
Ikalamako < Aiza ho aiza any Antsihanaka moa izany Antanosimboahangy ? Dia maninona no hoe metisy avy any Antananarivo avaradrano akia ?
Boboo < Sao dia mifankahalala isika ? Nianatra tao amin’ny EPP Avaradoha aho fahiny mantsy, fa tsy tadidiko intsony hoe aiza ny fokontany izany, toa tao afovoan’ny tanàna e ? Nisy kala iray kilasy taminay izay nipetraka tany : Norosoa no anarany, sipa “maneno” izay. Ary Mahitsy ve ilay nisy toeram-pitsaboana sinoa, mbola misy foana ve izany ankehitriny ? Tadidiko ! Ambanitsena moa tsy ilay làlana mankany Carion (raha tsy diso ny fitadidiko) ? Tadidiko tany fa misy mofo baolina misy hena matsiro be izay !!! Miamm !
05/07/2009, 17:24
oudrry toa tapaka !!!
Metisy Antanosimboahangy/Antananrivo avaradrano/Betafo antsirabe. (Antanosiboahangy et fière de l'être na dia mbola tsy tany Andilamena any Antsihanaka aza - hihihi).
Lehibe eny @ Haute-Ville (nanao tour an'Ambatovinaky,coucou DadaRabe - Anjohy - Andohalo) fa efa avy nitety ihany ny koa ny ville-basse (Ambalavao Isotry sy Anosibe eny @ Texas).
05/07/2009, 17:22
drano. (Antanosiboahangy et fière de l'être na dia mbola tsy tany Andilamena any Antsihanaka aza - hihihi).
Lehibe eny @ Haute-Ville (nanao tour an'Ambatovinaky,coucou DadaRabe - Anjohy - Andohalo) fa efa avy nitety ihany ny koa ny ville-basse (Ambalavao Isotry sy Anosibe eny @ Texas).
05/07/2009, 16:33
tsisy tantara afatsy ny hoe naditra be za t@ mbola kely (sy @ mbola lehibe :))
ary tiako be ny bebeanay :P
05/07/2009, 16:30
teraka tao Befelatanana,
lehibe teny Avaratr'Ankatso ary
hilevina any Antsahaseva-Ambato-Alarobia/Ambatomanga... manaraka RN2 fa mivily rehefa eny Ambohimalaza... lavidavitra kely ny tanana andr'i dada (misaotra azy rahateo nanao goudron milay be ny lalana :) )
;-)
05/07/2009, 14:36
Izaho ndray dia teraka tany Diaego-suarez,nipetraka tany rahateo,Ihosy,Manjakandriana,dia niakatra bitika tao Antananarivo,dia lasana tany Toamasina indray ary niafara tany Fianarantsoa alohan'ny nanidinana aty andafin'ny Riaka !Ny marina dia tsy dia hay hoa aiza ny Fiaviana satria na ny tao Antananrivo aza tsy fantatra mihoatra ny tanana hafa nipetrahana sy efa nahalehibe ny tena ihany koa ary tsy foy sy tsy hay adinoana!
Na ny fiteny aza moa mivadibadika be ihany e !
Toamasina sy Fianarantsoa no tena tanana tadidy satria tao ny fahatanorana ary tao koa no tena nisy tsiaro tsy hay adinoina e ! hihi !
04/07/2009, 22:19
Mahafinaritra daholo ny fitantaranareo rehetra.Toa miverina ato an-tsaiko tsikelikely ireo toerana voalaza rehetra ireo. Misaotra e, raha mbola misy arosoy fa aza adinoina ilay tany nahalehibe antsika !
04/07/2009, 21:05
Teo Avaradoha koa no nahalehibe ahy.Teo akaikin'ny fokontany teo mihitsy zahay no nipetraka :). Ny ray aman-dreniko indray avy any Mahitsy ( RN4 ), Ambanitsena ( RN2 malaza menakely hihihi )ary Anosivavaka Ambohimanarina ; dia tany @ ireo toerana ireo foana zahay no " naondrana " rehefa vacances :)
04/07/2009, 21:03
Ilay Ambatovinaky dia etsy akaikin'Ambohijatovo ambony, Faravohitra, Ambatonakanga, Andohalo é
Ny tantarako no nanomboka tao kah ! fa avy eo dia nivezivezy erak'iao rehetra izao. Marobe ny toerana efa nipetrahana (raha tadidiko) : Antananarivo, Toamasina, Antsiranana, Mahajanga, Montpellier, Marseille, Aix-en-Provence, La Charité sur Loire, Guyane (amerika atsimo), St Pierre et Miquelon (Amerika avaratra). Mieritreritra aho io hoe mbola misy ve ? Mangamila (Anjozorobe), izy aloha sao be loatra