18 Jolay, 2009 20:46
Veloma vetivety
Nampidirin'i kdaombaramita, Sokajy [ Ankapobeny ][ (10) Hametraka hevitra ] | [ (0) Verindrohy (trackback) ]
Tonga ny fialan-tsasatra ity. Hisinda kely koa i Kdaombaramita. Nefa tsy mitovy aminareo. Ianareo hiala voly, izaho hanao raharaha mafotaka : mameno baoritra, dia ampidirina anaty fiara fitanterana, dia mandeha lavitra be .... tssss hainareo ny tohiny :( Tsy ho moramora ny azoko ilazàna azy e ! Asa, inty sisa no farany hametrahako lahatsoratra aloha fa afaka andro vitsivitsy indray vao ho tafaverina. Asa raha hahita izany hoe faritra rakotry ny wifi izany eny an-dàlana eny ka hanokatra internet mba hahazo ilay ranony, fa dia ho hita eo. Ny mpanome ranon'aina azy itony koa moa maharitra vao mahazo valiny araka izay ilaina, koa dia miandry ny fahatapahan-kevitry ry zareo @ fotoana izay heveriny ho mahamety izany. Dia hifanoratra eto ihany isika raha tahiny ka mahita omem-potsiny eny aho :)
Eny ary, koa dia mahazoa fahafinaretana daholo ianareo izay mandalo eto, aza adino ny mametraka hafatra fa mahafinaritra foana ny mahita olona mitsidika ity blaogiko ity, tsy adino ny hanihany na tsy mifankahalala ary isika na mifampitra hevitra fontsiny dia efa mahafaly ... Raha toa ka mametraka hafatra ianareo, ka lavalava ilay voasoratra na mety ho nijanona ela teo ianareo dia mety ho mafimafy kely ny fandavorariana izany. Hafatra kely ho an'izay mbola tsy mahalala : alohan'ny hametrahana ilay hafatra dia ataovy copier aloha ilay hafatra, tsindrio ny bokotra F5 (actualiser), dia avy eo ataovy coller, dia fenoy ny sisa dia alefaso avy hatrany, dia izay ! Tsotra foana fa aza misahotaka :)
Hira tonga ato an-tsaiko tampoka :
" Ento aho hanaraka anao,
hifalifaly sy hilalao,
hitazana ny fahitanao,
madio sy tsotra re ny fiainana ! "
(Del Orchestra)
Soava daholo ô !





01/08/2009, 02:01
Manaova fialantsasatra (sa demenazmà moa hihihi) mahafinaritra e :).
Sao dia hankaty aminay aloha le fiara feno baoritra e? :)
21/07/2009, 22:28
Misaotra nitsidika teto ianareo ô !!! Ahoana izany blaogy mipoaka² izany kay ?
20/07/2009, 17:01
ie de mampamangy @ havana rht any e!
ho tsara dia ianareo . de bon vakansy ko,aza adino ny voan-dalana. tys vatokely a!aza mataotra fa ho be ny mpanome ranon'aina eny andalana
mandrampiaona
19/07/2009, 09:09
Hoy ilay hira izay:
"Soava, soava, soava, soava, soava dia éé... "
Ho tsara mandroso sy tsara miverina e.
19/07/2009, 04:23
mandra-piblaogy indray o !
19/07/2009, 01:41
dia itondray voandalana ary izany an. Manatena blaogy mipoapoaka be mihitsy izahay afaka koelikoely.
18/07/2009, 22:27
Veloma mandra-pihaona ary,
Soa ilay tononkira :-).
18/07/2009, 22:09
Tsy vakansy leisy ilay izy a !!! léé, nareo koa mbola tsy kôpy ihany ! BAoritra no ampiasaina fa tsy valizy hoa e !
18/07/2009, 22:05
bn vakansy e!
18/07/2009, 22:03
Tandremo ary sao ela loatra an !
Andrasanay eto fa izahay moa mba ho aiza !
Dia mba itondray voandalana avy any