05 Novambra, 2009 09:01
Ilay fiadiana tsara indrindra (updated)
Nampidirin'i kdaombaramita, Sokajy [ Tahiry tsy adino ][ (7) Hametraka hevitra ] | [ (0) Verindrohy (trackback) ]
Lakalaka ihany lahy ity tontolo izay ombàna ;
Be ny zava-mampanahy sy ny olana ho vahana,
Koa fidio 'zay fiadiana tsara indrindra eto an-tany
Mba hamela fitsikiana ka hanala ny tomany.
Fiadiana avy ao am-po : io no azo ampiasaina
Hitadiavana ny soa sy fifaliana ho zaraina.
Hamamiana tsisy farany ho fiainanao, rahavana ;
Kanto loatra ny anarany : io no atao hoe "Fitiavana"
(Benjamina RAZAFINJATOVO 1988)
NB : Ho porofo dia tsidio E T O : lakalaka ny fiainana ! Mahagaga ny fitiavana !





21/12/2009, 16:17
Izay fa hitako ilay lien ry Kdaomb. Nalaiko hapetrako ary blaogy tritriva rehefa manana fotoana. Belle histoire d'amour izany an ! misaotra nametraka azy. Kiss :)
10/11/2009, 19:06
Ouaaaaaaaahhhhhhhh !!!!
Mena valala
Izay tiana malala
Ny tsy tia mahazo miala !!!!
07/11/2009, 23:22
Fa izao kosa aloha e :
Raha izay fitia
tsy ho hajaina
aoka hifarana eo !
fa mampijaly, mampitomany,
mandratra fo !
tsy ho lany zara
ka omeko anao
ny fitiavako
vonoy, adinoy,
izay lasa izay !
...
Ka mivavaha hahita izay ho tiavina
fa ny antsika foana rava hatreo,
HAfa indray tolorana fitia,
f'izaho anie efa manana fitia ! Adinoy izay lasa rehetra ireny.
06/11/2009, 14:10
tsy voatery izay ho tiana,
no hamaly koa hoe tia
tsy voatery fifaliany
no hiainana ety!
05/11/2009, 22:14
Tia,
mitia,
tiavina,
tiavo,
tiana,
te-ho tia,
itiavana ...,
ireo no teny azo ampiasaina,
hamahana ny olana eto an-tany.
Koa meteza re ry 'lay raha mbola velon'aina,
araraoty ny andro sisa,
hampijoro ilay fanahy.
05/11/2009, 21:39
Mahafinaritra, izay sisa no tanterahina ny mampiada-tena @ fomba tsotra
05/11/2009, 17:54
tsara be ry twa a!