13 Novambra, 2009 10:27
I Kdaomba no manina !
Nampidirin'i kdaombaramita, Sokajy [ Tahiry tsy adino ][ (8) Hametraka hevitra ] | [ (0) Verindrohy (trackback) ]
Tsy misy mahalaza ny
alaheloko. Any ilay taniko, misy ireo havana tiako sy lalaiko, toerana
nitaizan'i Dada sy i Mama ahy, nahitako masoandro, nilalaovako t@ ireo namako
fahiny ary toerana nandrotsirotsian'ireo zokiko ahy. Tany koa no nahitako ilay
olon-tokana eo amin'ny fiainako. Tsy misy atakaloko azy, fa ny fitadiavana no
mahazaka maniraka. Tsy mahafafa ny fitiavako ny halavitan-tany, raha tsy nisy
azy dia tsy malagasy aho. GASIKARA : mirakitra fahatsiarovana mamy maro
ato am-poko ianao, ilay diary tsy nosoratako fa nitahiry ho ahy. Mirary anao
ho sambatra aho, tsy ianao no ratsy fa ny vola ! Veloma
indrindra amin'ireo havako rehetra any, tsy manadino hono hoe ity foko na dia
lavitra àry !






14/11/2009, 04:49
Mbola ho any e !
Tsy ho ela dia ahita azy indray
I Kdaobaramita niampita any izay
Na dia hilaozana aza Iarivo
Tsy mba hadinoina akory
Ny masoandrony mibaliaka
Ao anatin'ny endriny sariaka
Hilaozana, nefa hiverenana
Foana, foana fa tsy foy
Rediredy keliko io :)
13/11/2009, 22:54
Raosy Jamba < misaotra @ ireo tononkira
Simp < tena hira mbolatsyfandreko iny , tsara ka, misaotra
Fahamarinana < Mampi-te-hody mihitsy akia, indrindra izahay tsy misy fianakans manodidina mba hifanohatohan-tsy ho lavo
Maeva < tsara ilay tononkalo kelindry
N2D < ho aiza intsony moa, tsy hita izay haleha, maizina ny dia ... mahantra samirery ity fo mametsovetso, malahelo mbola tia (Vola sy noro)
13/11/2009, 19:06
Any ianao ry tanindrazako
Gasikarako ka mamiko
Tany nitsirian'ireo fitiavako
Tsy ho adinoko mandram-pahafatiko
13/11/2009, 18:05
Ry iarivo tsy foiko
13/11/2009, 17:13
Mbola kely ny ankizy, irina ery ho lehibe; raha vao mitsangana izy, ampianarina mandeha; io no ho dimby sy ho fara, rahoviana loatra re no ho tafita soa aman-tsara sy ho lehibe ?
Kanjo poa toy izay toa tselatra, voronkely hary elatra,efa mahaleo tena, sitrapo fa tsy terena.
Ny endrikao miramirana fa efa nahalehibe, sady faly no sahirana, manontany tena hoe: hanao ahoana ny fiainany, sarotsarotra ny dia, moa va re efa nosaininy, tsy ampy ny mitia !
Diboky ny hafaliana fa nahazo olon-tiana, tojo zavatra nirina :"ianareo no mangina fa lasa izahay"
Any volana any taona ho lehibe ny zanakay. Ary ho avy ny fotoana andaozany anay indray.Amin’izay ho tena tsapa
sy hitamberina aminay izay tao an-tsain’I Papa indray andro izay.
Izy ireo no hiteny hoe lasa izahay. Veloma i Dada sy i Neny fa lasa izahay. Izany no lalàn’ny tany.Aza arahina tomany.
Raha izany no lalàna,
Mahaleova mahalasàna !!!!!
13/11/2009, 17:13
Dia tena manina koa akia ,raha ny tenako ,indrindra tsy misy azo atao fa dia miandry izay higadonanay hono !Enga anie tsy aharitra ela loatra,na dia efa somary ela ihany aza izay ! (-:
13/11/2009, 15:18
nga hita intsony izy ty e!
mafy tokoa aloa le any alavitra any e!
nefa aleo miforotra any toy injay hiady @ adala eto
13/11/2009, 14:19
Kodiaran-tsarety ny fiainantsika Ra-zandry, mivadibadika eo ihany ka ity hafatra ity vakio :
Raha sendra embonembona any ho any
Ka voatonona ny anarako.
Dia tsarovy fa manjoy anareo any koa
Ny eritreritro.
Ireo sarin’ny sakaiza sy ny sarinao ry tiana
No fandrianako.
Isan’andro vao mifoha, na ny alina hatory,
Ho voajeriko.
Mety taona maro angamba,
Eny mbola tsy voafetra no hiverenako.
Aza malahelo foana, fa antenaiko
Hisy fihaonana ny anjarako.
Amin’izay fotoana izay, hifampiantoraka
Isika, hifamihina.
Ho eo imolotro indray irony teny
Mamintsika fahizay.