17 Janoary, 2010 09:02
'Ty blaogy-blaogy ity !
Nampidirin'i kdaombaramita, Sokajy [ Hehy ][ (13) Hametraka hevitra ] | [ (0) Verindrohy (trackback) ]
Mba nifoha maraina aho, nikarakara sakafo alohan'ny handehanana. Natokona ny laoka, ary natao anaty 'cocotte minute' mba halemy. Teo ampiandrasana izany dia nijery blaogy aloha ! Kinanjo variana teo ! Tsy tsaroako hoe naharitra no nijanonako teo, ka nony nandeha hijery ilay laoka aho dia SETROKA BE NO TAO AN-DAKOZIA !!!!! Ny olana dia io no mety hatao laoka farany tao anaty frigo ry reto a, izany hoe voatery hiantsena aho izany anio ! Nefa rehefa miantsena raha zavatra kely no kasaina ho vidiana, atsasaky ny caddie no mivoaka ao ! Loza be faharoa !
'Ty blaogy-blaogy ity kay ahitan-doza ...
aleo asiana fisainana fa tssss ! Sosotra aho izany, aleo tsy aseho an-drangahy aloha fa asa fontsiny !
Misy fanontaniana faharoa izay nanitikitika ny saiko efa ho 3 andro izay : fotoana maro no laniantsika eto ary misy ary ireo tahiry izay irina tsy ho lefy dia apetraka eto toy ny manao diary. Rahatrizay, mety ho foana ve ity blaogy ity ? Amiko mantsy mety ho jereko rahatrizay izy ity ahatsiarovako ny hatanorako sy ny nataoko fahiny. Ka raha afaka 20 taona, mety mbola ho eto ve izy ity sa ho lefin'ny teknôlôjia vaovao ka ho foana izay voasoratra eto ? Asa !





18/01/2010, 05:31
Izaho aloha mbola eto foana na dia tsy mahavitrika loatra ilay blaogy keliko. Efa iray taona lasa izao no ato i mangamaso (tsy manga akory ny masoko) tsy mahafoy azy aho na dia manana blaogy hafa aza.
Ato no tena mamporisika ahy hiteny gasy, sarotra ihany ny ahazoana hevitra anaovana lahatsoratra. Mbola hitohy anefa na dia izany aza :-)
18/11/2009, 08:51
Hasehoko anareo ilay ho sariko efa drodroka be raha mbola eto ity blaogy ity afaka 20 taona :)) Hangina daholo ny vava @ izay fotoana izay angambany an LOL
18/11/2009, 01:20
eny mbola hiblaogy foana afaka 20 taona :-)
fa izy ity moa araka ilay fiteny mahazatra izay tsy hita izay maharatsy azy dia ny hoe: fikasana no an'A/tra fa ny olombelona no mandidy... ka asa
mifankahita eto ihany afaka 20 taona
;-)
18/11/2009, 01:18
kiiiiiiiiiiiiiiii
fa adiny firy izany no fijerena blaogy? :)
ny hitako tena mahatsara ny blaogy noho ny hoe tele manko hoe en tant que loisir dia ny blaogy tsy manin na mi-paozy kely 2 minitra hijerana kaly any andakozia aza...
ny tele ra vao lasa 2 minitra enao dia efa maty ny baolina :-)
17/11/2009, 21:33
'Ty rahraha ty anie
ka raharaha ikambanana
matoa tonga aty izahay
dia hanambatra fihavanana ôô !
Iaee, iaee !
17/11/2009, 16:33
Misaotra mitsidika² e ! LeRastah ve manana blaogy ? toy ny fantatro ianao @ fomba famaly sy @ ity tia mijery blaogy ity ! Miverena @ zay ;)
17/11/2009, 16:17
Ny ahy koa ry Kdaomba, isaky ny manokatra pejin-gazety malagasy aho (Midi, Tribune, L'Express de Mada, etc...) dia tsy maintsy mandalo eto amin' ny blaogy.com mijery hoe inona indray no resak'i Kdaomba sy i N2D sy ireo namana rehetra androany :-)
17/11/2009, 14:38
Nanomboka nidirako tato koa de tena niova be aho lasa mazoto mifoha maraina na miari-tory mihitsy , indraindray hadino hoe " tokony hiasa " hihihi, ny faniriana de ny aha-lava-andro ny blaogy e! Ho ela velona i Tsiky dia Ampy
17/11/2009, 13:16
Izaho tsy hitantara fa voalazandry aby ny tiako lazaina !hihi !
Resaka blaogy,asa moa fa ny hirariana dia ny aharetany !Ny ahy manokana ny irariako dia ny ahitako zavatra hafa resahana fa efa manomboka lany ny Aingam-panahy ka tsy misy afatsy ny diary no tena no miompampana .Hanahirana eky raha ty atsy ho atsy ! :-)
17/11/2009, 12:49
Misaotra anareo namaly. Inona fa tsy nandeha niantsena ihany dia nitombo ny zavatra novidiana !!! Mahasosotra mihitys io zavatra iray io. Sady nony niditra i rangahy mbola re be ihany ilay fofona dia nijery hoe inona no may tao, menatra be aho !!!
Dia asio fisainana koa izany ny blaogy Ra-N2D ô, aiza dia adino ny zavatra tena important eo amin'ny fiainana noho io LOL
17/11/2009, 12:48
Mahalasa saina ilay fanontaniana faharoa. Angamba hanoratana lahatsoratra hafa mihitsy ny valiny ao aoriana ao.
Ny ahy dia ity no blaogy ofisialy hatramin'izao. Nanomboka t@ 2006 aho vao tena nampiasa azy ho ofisialy.
17/11/2009, 10:32
Mpahazo indraindray tokoa io sakafo may io rehefa variana amin'ny zavatra iray fa dia aleo malina hatrany e ! jereo anie ny vokany e ? Ka tsyt maintsy hiantsena fa dia fero izay vidiana e ! sa ahoana ? Raha tsy hoe tena ny vola ho entina no ferana dia izay !
Izaho koa mba mieritreritra an'izany hoe mba haharitra oviana re ity blaogy ity e ? fa izaho efa nanana blaogy tsara be izay dia maty any fa tsy mandeha intsony koa nefa dia satry izany hoe any aoriana any (20 taona...) mba tokony hanetsetra izany fahiny !!!
Mazotoa ary o
17/11/2009, 10:24
tsy mety lefy zany io ry twa a! ny ahy indray ny mafamadika @ ny anao no mahazo a matetika adinoko ny miredy fa varina manokatra blaogy a hi hi hi