22 Janoary, 2010 16:51
Mahantra hatrany rehefa maizina.
Nampidirin'i kdaombaramita, Sokajy [ Etsy sy eroa ][ (24) Hametraka hevitra ] | [ (0) Verindrohy (trackback) ]
Hevitro irery ity, nefa mety hisy hitovy hevitra amiko ka mametraka fanontaniana koa. Isan’ny kaontinanta lehibe indrindra ny misy afrikana. Afrika izay misy ny isan’olona mahantra be indrindra @ lafiny rehetra eto amin’ny gilaoby koa. Maity hoditra ny ankamaroany.
Eny mahantra ny tany misy ny afrikana. Tsy nivoatra ve ilay toe-tsaina fahiny, sa dia voazanaka daholo ny olona tao ka zatra nentina fa tsy mba nitarika ? Na misy ary ny mpitarika dia mivilana ny fitondrany azy, misy ilay maka be foana ho azy manokana ao aoriany ao ary mampiasa herisetra tsy hay tohaina. Marina fa ny fanjanahan-tany dia halatra tanin’olona no dikany, nefa azo lazaina fa nitondra zava-tsoa ihany izy io toy : ny fahadiovana, ny fomba fiasa, ny teknolojia. Nanandevo izy ireny fa nampivoatra ny toerana nisy azy koa : nanamboatra tanàna, nampianatra nikojakoja, sns. Fa injay nony lasa izy ireny ka mba nitondra ireto tompon-tany fa e e e, tsy tafavoaka e : potika daholo izay efa mba voavoatra tsara. Azoko an-tsaina aloha hoe tsy fitiavana ilay mpanjanaka no nanapotehina izany, nefa adalàna ihany koa satria mijanona hoan’ny tompon-tany izay navelany teo !
Ny mahagaga dia tsy ny ao Afrika ihany no milalotra ny fandrosoana, fa saika ireo tany misy olona maity hoditra rehetra dia saika toy izany avokoa. Tsy zarizary ny fari-piainana, tsy mba nahay naka tahaka ireo “mazava” amin’ny teknolojia sy ny foto-pisainana ! Lafo be ilay teknolojia, ka na lafo ary dia nahay nampiroborobo ny misy teo amin’ny taniny ireny olona ireny vao nahazo vola koa, naninona ary no tsy mba nanao izany ny afrikana ? Na atao ary hoe mba lasa mpangala-tahaka tsotra izao toy ny ataon’ireo kely maso ireo. Toa mifamono no tena hainy, ny mifanenjika @ basy sy ny lefona ! Marihiko fa misy ireo tany izay ao Afrika mandroso tokoa, toa an’i Algerie, Maroc, Egypte, sns … izany hoe ireo izay ao Afrika avaratra. Misy solika ireo hoy isika, nefa tsy ny solika ihany no mety mampanan-karena fa ny fahaizana mamolavola ny harena misy eo aminy koa. Ohatra koa ny fambolena, ny any Europe ny mamboly sy miompy no foto-piveloman’ny olona any, ny oram-panala anefa mamely saika mandritra ny taona.
Moa ve ny toe-tany no tsy mahatonga ny olona hiasa tsara ? TSIA ! Tsy itako izay ifandraisany afatsy ny hakamoana satria mampatoritory fotsiny ny hafanana ! Moa ve ny lokon’ny hoditra no mety mahatonga izany ? MAIZINA hoy ny samy maizina aty an-dafy !!! Mety ho izay angambany ilay antony : pepo ny saina, maty lolo dia hoe tsy mety hahavita ny vitan’ny mazava mihitsy ve ? Nefa maninona ireo maizina aty ivelany no misy betsaka matsilo saina sy lasa lavitra noho ireo mazava aty ? Misy koa moa izy ireny rehefa lasa matsilo saina mandao ny taniny. Dia mifandripaka ao ny sisa, mifamono fa tsy mba mifanavotra ! Samy tia kely ary ny mpitondra dia mampiasa tsy ara-drariny toy ny mpanjanatany ! Maizina e ! Manginy fontsiny rehefa tsy miady an-trano dia tonga ny loza voajanahary, toy izao mahazo an’i Haïti izao ! Toa tsy ho tafakatra mihitsy rehefa dinihina e ! Ny an’i Madagasikara moa dia ny rivo-doza no tena mpahazo azy, misy faritra avaratra iny no tena voa matetika nefa soa fa tsy nampalavo ny voly vanila izany.
Ka hoy aho hoe : tsy fitiavana ny hivoatra ve, sa tsy ampy teknolojia (io aloha marina), sa tsy be harena ankibon’ny tany na karakaina loatra ilay toerana, sa ahoana ? Ny tena itako miharihary aloha dia sady efa mahantra matin-kanohanana ny maity amin’ny taniny no sady mbola mifandripaka toy ny valala an-karona. Tena tsy haiko hoe nisy inona ary no niseho tany aloha tany, raha tsy hoe ozona angaha ! Amiko, ny fambolena sy ny fiompiana dia mety hahatafita tsara ireny tany ireny raha mahay mampiasa ny teknolojia avy aty ivelany satria tsy nandroso ilay nentin-drazana h@ izay, manginy fontsiny ny harena an-kibon’ny tany. Fa ny tena fototra iaingany dia ny FOTO-PISAINANA no mila amboarina. Mbola ho avy ve ilay maraina ho an’ny taranaka any aoriana sa voaozona hahantra mandrakizay ireo maity @ taniny ?
Farany asa raha efa itanareo ireto horonan-tsarimihetsika ireto fa ahitana ilay toe-tsaina maizina : Seigneur de la guerre (“Lord of war”) sy Blood diamond. Mila matanja-tsaina mijery azy, ao ilay foto-pisainana maizina !





27/01/2010, 22:44
LeRastah < "Moa ve ny toe-tany no tsy mahatonga ny olona hiasa tsara ? TSIA ! Tsy itako izay ifandraisany afatsy ny hakamoana satria mampatoritory fotsiny ny hafanana !" ;)
27/01/2010, 22:26
Hagamaity (Philomène) < izao ataonao izao mihitsy ilay tiako ahatongavana @ ilay resaka. Ny tena efa maizina @ volon-koditra no mbola maizina koa @ foto-pisainana : rehefa tsy manenjika ny hafa @ basy sy ny lefona dia ny vava no anenjehina sy hamonoana ny hafa izay tsy iza akory fa mpiray ihany ! Mazava ho azy ny lahatsoratro. Hay na dia aty ampita miaraka @ mazava ary mbola ao ihany ilay mahamaizina ny saina : tsy vitan’ny hoe ery ankilany ny fahazoana ny resaka fa sarotra alamina sy bevava. Na maizina ary ny volon-koditro dia tsy toy izao kosa ny toe-tsaiko ka ! Menatra be aho ny hanao toy izao ! Raha toa anao daholo ny olona maity dia mbola ho very 10 000 taona aty aoriana ny maity rehetra fa hay na dia mba nahita ny modely tokony narahina sy tokony hampitaina aza dia mbola raiki-tapisaka ilay … “foto-pisainana” ! Mampalahelo be ianao.
Peter Bota (LeRastah) < peut-être que ce sera la prochaine découverte, hi hi hi !
27/01/2010, 19:57
Sujet de thèse: "Recherche sur la correlation entre l'économie nationale, les cataclysmes naturels, et le taux de concentration de mélanine dans l'épiderme des citoyens du pays concerné". (^^) WTF
27/01/2010, 18:25
" Nefa maninona ireo maizina aty ivelany no misy betsaka matsilo saina sy lasa lavitra noho ireo mazava "
Satria nisy bitsika mangina nanambara azy ireo fa tsy misy solika any Algerie, Maroc, Egypte,,,
27/01/2010, 17:53
"saika afrikana daholo no razamben'ny maity hoditra rehetra" ???????
Christophe Colomb izany nitaingina sambo niankandrefana nahita an'i Amerika. Fanontaniana goavana iray apetraka:" fomba ahoana no nataon'ny razamben'ny sasany ho lasa aborigène tany Australie ???" Aoka hotohizako ny tantara !!!
Indray andro hono nisy baleine diso lalana ka nafangarony Sainte Marie sy Madagascar any ka tany amin'ny Canal de Mozambika izy no nitonatonana. Vao nahita io ireo afrikana tonga dia nijapy ireo baleine. Tsy nanaiky ho taingenana anefa ireto trozona ary nakifikifiny daholo izay teo amboniny. Ny kely endaka no nianjera voalohany, nikipily teo amin'ny nosy madagasikara sy ny manodidina; ny sasany tany Pondichery, malaisie, papouasie vao latsaka. Ny mafy toto nifikitra mafy tsy lavo raha tsy tany aostralia ireo nantsoina taloha hoe borizano na aborigène.
Tsy hanao hiragasy ambany tsena aho fa rahefa miteny ny mpiventso, valiako tsotra hoe :"marina io "
25/01/2010, 21:29
PtiCurieux < l'Asie n'est pas l'Afrique ! Voafaritra ao amin'ny introduction ny zvt resahiko. saika afrikana daholo no razamben'ny maity hoditra rehetra, izay no mahatonga ahy niteny hoe "Ny mahagaga dia tsy ny ao Afrika ihany no milalotra ny fandrosoana, fa saika ireo tany misy olona maity hoditra rehetra dia saika toy izany avokoa"
25/01/2010, 19:48
Nefa maninona ireo maizina aty ivelany no misy betsaka matsilo saina sy lasa lavitra noho ireo mazava aty ?
Rehefa any amin'ny mazava izany dia lasa mazava ho azy...HUMMH...
tsy nozarina ary lasa tsy zatra hamaky bokim-pikarohana sy soratra mamapnadroso hoy Dada izay isika malagasy sy ny afrikana...ka dia mitanaka lava eo...
25/01/2010, 16:57
Voaozona hahantra hatrany tsy mety handroso ny tany rehefa mbola maizina ny foto-pisainana itondrana azy.
25/01/2010, 15:01
Raha ny hevitrao m-insulter olona no heverinao hoe FANDROSOANA dia izay ilay "foto-pisainana" voalazako ! Na hitanisa ny tolona malagasy rehetra ary ianao , anisan'ny fandrosoana tsy azo lavina ny fifanajana, ary soatoavinay Malagasy izany. Manana ny hevitrao ianao fa azo avoaka am-panajana toy ny ataon'ny maro, tsotra kely sady tsy vidiam-bola. Ary ahoana moa no tokony ho fihetsiko raha miditra an-tranoko ny olona 1 nefa mi-insulter ahy (izay no ilazana ny hafatra napetrakao na tsy tianao ary, c’est dure de voir la vérité en face) ?
Fa izao e : tsy hoe rehefa mibabababa akory ianao dia hoe tsy tia ny tanindrazako aho, hevitrao manokana izany, ary azoko lazaina fa diso tanteraka ny fandraisanao ny lahatsoratro raha toa ka miafara amin'ny toy izao ny hafatrao. Fandinihiko manokana io, fijeriko ary navoakako teo satria zoako izany
25/01/2010, 13:31
Eny mantsy ry Kdaombaramita !!! Tapenambava,tsy mahazo miteny ny mpanohitra raha vao tsy mitovy hevitra amin'ny mpanoratra. Mampahatsiaro ny mpanao gazety Radio Fahazavana, Radio Viva ... " gadrao any Antanimora, alefaso any Tsiafahy, tapatapao fa ratsy fanahy". Fafana ny nosoratany na dia nibaribary nandritra ny ora maro aza. Tsy misy intsony ny henatra fa tonga ny "censure". Any aoriana rahefa mahazo toerana, fafana koa ny olona tsy mitovy hevitra. Tao ry Martin Luther King voafafa ohatr'izany, Ratsimandrava,,,, sy ireo marobe lazaina nanakorotana saim-bahoaka !!!
Tsy misy fiovana fa mahita antony foana anazavana ny fihetsika : manompa ê (antsoinao hoe mi-insulter !), manala baraka ê !!! Ratsitohinina mantsy nahazo seza avo tsy manaiky intsony ny atao hoe "démocratie" !!! "Tsy nivoatra ve ilay toe-tsaina fahiny" hoy ianao ?...Mbola ho avy ve ilay maraina ho an’ny taranaka any aoriana" hoy ianao, tsia !!! Ny rahampitso mialoha ny ao aoriana, ianao no ho rahampitson'ny firenena. Tsapa mibaribary anefa izao fa tsindry hazo lena no paika;ireo tafakatra manitsaka, ny ho rahampitso manao tohatra iakarana !!!
Malahelo anao aho ry fireneko fa ireto zanakao nanadino ny fototry ny tolon'ny Menalamba, VVS, MDRM, 13 mey ..niady mba ahafahan'ny tsirairay amoaka feo. Na tsy ny hevitry ny be sy ny maro aza fa hevitry ny latsaky ny 5% ...Raha olona mivoatra ianao avereno ny hevitra napetrako raha tsy izany esory ity lahasoratrao miresaka "maizina" ity !!!
25/01/2010, 09:13
Hagamaity < o ry tony e, hevitra no ampiadiana fa tsy fanevatevana olona, izay no nanesorako ny hvitrao mi-"insulter" ahy ;) Hajaiko ny hevitrao na dia tsy mitovy amiko ary fa raha mihoatra ny tokony ho izy kosa dia ariako ! Tsy jadona izany fa fifanajana fontsiny !
Ny loza voajanahary dia anisan'ny mampahantra ny tany, araka ny voalazako ao @ lahatsoratra. Ka tsy tokony ampiana ady an-trano tsy mampandroso. Ny fahitako ireny any haïti ireny ve ? Olon'iza no tsy malahelo mahita ireny nefa anisan'ny tany tena mahantra i Haïti ? rehefa tsy manana fijery mitovy aminao aho tsy milaza izany fa tsy olon'ny fo.
25/01/2010, 03:40
Manao ahoana kosa ny fijerin'i kdaombaramita an'ireny horohoron-tany mahery vaika miverimberina matetika any Indonezia ireny ? Maizina koa ve ry zareo Indonezianina ? Nefa ny Malayzianina mpifanolo-bodirindrina aminy sady mitovy loko, toa migalabona amin' ny harena be sady tsy mba tratran'ny voina toy ireny. (Tsy haiko moa ny norme antsoina hoe "maizina" ho an'ireo mpampiasa an'io teny ratsy io, ka dia mba manontany aho).
25/01/2010, 01:54
Mazava izany fa tsy ho afaka hiresaka ny tsirairay satria raha sendra mamoaka hevitra ka tsy mifanaraka amin'ny mpanoratra dia fafàna tsotra izao fotsiny.
Mbola tsy miova ilay toe-tsaina fa jadona no manjaka : hevitra iray ihany. Mety ho lasa mpanao politika malaza ianao raha izao no mitohy.
24/01/2010, 23:12
Misy nanesorako ny valiny teto satria toa mihevitra ny sasany fa fanenjehana azy "manokana" io lahatsoratro io raha nanao jery momba ny afrikana sy ny maity eran-tany aho. Miala tsiny fa tsy tiako ny "insulte" sady tsy izany no tanjoko nanoratra io, ary tsy mahafantatra anao manokana aho raha nametraka io. Ny tena nahalasa ny saiko dia hoe naninona no dia ity tany midadasika be feno maity irery ity no tratran'io fahantrana io ? misy raha ao ary anisany ny foto-pisainana, mampalahelo ilay zava-misy.
Nijery sinéma hariva indray andro, ary efa nilahatra; injay feo heno tany aoriana tany niresaka momba ahy sady niteny hoe "iretsy misy maizina", nitodika ilay namako ary niteny hoe "aza mifanamaizna fa samy maizina e !". Taty aoriana efa zajatra ny tena ka hay fandre matetika io fiteny io entina miteny hoe maity hoditra. Tsy misy idirany lavitra fa dia "argot" gasy fontsiny. Izay no nakako io voabolana io fa tsy misy ifandraisany amin'ny "afobe" sy ny "paradisa" araka ny hevitry ny hafa akory !
24/01/2010, 19:53
PtiCurieux < inona no tianao ho lazaina ary inona no ifandraisan'ny fanontanianao amin'ny lahatsoratra ? en tout cas, ils sont toujours 2 mais on ne les fait jamais entrer :)
24/01/2010, 15:23
Hono ho'aho, mba fanontaniana ny ahy ity: i kdaombaramita angaha mormon ? (Latter-day saints)
24/01/2010, 13:59
Gasy 100% < tsy namaky ny valin-teniko etsy ambany ianao ka nisendaotra malaky. Tena gasy tanteraka aho, ary anisan'ireo maizina koa araka ny teniko etsy ambany sy eo amin'ny lahatsoratro, vakio tsara. Raha jerena koa ny zava-misy any amintsika dia anisany tafiditra ao @ ity cas ity. Jereo ireo mpitondra fa dia maka kely ho azy daholo, ary izao miafara amin'ny ady tsy vita izao, mandreraka. Mampalahelo e !
Misy ny fanavakavaham-bolon-koditra, fa ny eo an-toerana no tokony tsy hisy izany. Miresaka ny zava-misy aty Afrika sy ny tanin'ny maity hoditra hafa aho, fa tsy ny zava-misy iainan'ny maizina any ivelan'ny taniny. Afaka mivoatra ny afrikana hoy aho, nefa nahoana ? nisy tsy nety tao, satria rehefa nojerena ireo toerana afrikana misy mazava dia misy ireo nandroso tokoa ohatran'i Algérie, Maroc, Afrique du Sud, ...
24/01/2010, 01:51
Midera an'i maeva74 fa tena olom-pahendrena ianao mba sahy nilaza hoe "antsika mainty" "amintsika afrikanina mainty hoditra"
Raha namaky an'Kdaombaramita aho dia hoy aho hoe vaza angamba ity olona ity vaza mahay teny gasy.Tena nasehonao ilay hoe maty lolo ny maizina
Tadidio fa na metisy mazava 75isan-jato aza ianao de "maizina" foana @ "mazava" 100isan-jato
23/01/2010, 23:04
Ny fahitako azy dia mbola manjaka ny fanavaham-mbolokoditra indrindra ho antsika mainty náiza náiza izany.Efa mihaezaka tokoa ny hivoatra nefa indrisy.Ny antony ve!!!Asa re!!Kodiaran-tsarety ny fiainana ka mivadibadika ihany.Mino aho fa mbola hitsiky amintsika afikanina mainty hoditra ilay masoandro be indray andro any.
Iza moa no nanam-po fa hitondra ilay firenenana matanjaka indrindra ny mainty hoditra!" Obama"
23/01/2010, 18:22
fiteny fandre any ivelany io entina miteny ireo olona maity hoditra re ! raha toa ary ka obscur, ilay toe-tsaina mifamono tena izay no filaza azy !