13 Febroary, 2010 08:14
Aody ry Analamanga
Nampidirin'i kdaombaramita, Sokajy [ Tahiry tsy adino ][ (19) Hametraka hevitra ] | [ (0) Verindrohy (trackback) ]
Indreto sary vitsivitsy itako tetsy sy teroa, ahatsiarovako ny fahiny, misy moa azo t@ izaho mbola tsy teraka koa aloha e. Ilay loharano ao Faravohitra moa dia izao aho vao mahalala ny fisiany, taiza ho aiza ary izany ? Itanareo ao koa angambany ny tranonareo t@ izany, ny làlana izan-karazany. Jereo tsara anie ! Mbetika koa aho toa mahita ny sarin'ny dadanay sy ny mamanay teny Analakely. Fahatsiarovana e !
Vita tompoko ô !


















































13/02/2010, 20:29
Iarivo Iarivo Iarivo tiako no Edena ankamamiana
;-)
07/02/2010, 21:59
Dety < Misaota nandalo e ! Hay rehefa nodinihina dia hoe HCC io trano io, izany hoe vao mivoaka ny tunnel toy ny ho any Anosy dia ato an-kavanana. Mialoha ny Fivondronana fakàna permis. Ouf, tena efa ela ny fahiny an !
07/02/2010, 16:53
ireto tahirin-tsary ireto , tsara be , saingy tsy ampy kely ilay sary eo amin'ny tohatoha-baton'i Lido , sa ahoana ?
iza no tsy mba naka sary teo ?
07/02/2010, 16:49
tena mahamanina ! any mantsy no tanananay !
izaho koa mba velom-panontaniana ny amin'ny hotel du sécrétariat général ! Heveriko fa angamba tokony na Anjohy na place Goulette taloha , izany hoe Ambohijatovo ambany ( actuel ministère de la jeunesse et des sports ? bon , actuel peut-être plus , d'ailleurs ! )
03/02/2010, 18:52
Misaotra betsaka nizara eh :)
03/02/2010, 18:31
malagsycool < misaotra anao, dia tsy hay mihitsy izay hetahetam-po tokoa tamin'izany fotoana izany. Miankina amin'ny vanim-potoana io, ny hitako tena betsaka eto izao dia sary t@ fanjanahan-tany koa dia miankina @ izay angambany ny fitsiriritana ao ampon'ny tsirairay !
03/02/2010, 17:01
Tsy dia mitodika loatra amin'ny lasa ny malagasy, hany ka metatika tsy fantatra intsony ny toerana niaingana.....
Mba inona loatra re ny hetahetam-pon'ireo olona niaina tamin'ireny fotoana ireny ? Mitovy amin'ny nakehitriny ve ?
03/02/2010, 13:04
Fa hono ho aho ry zareo :fataiza kay no nisy io "hotel du secrétaire général" io fa tena tsy azoko an-tsaina mihitsy ?
03/02/2010, 12:47
Fali < mbola ho avy ny tantaran'i Ketaka ... lany inspiraka aloha h@ izao, ha ha ha ! Misaotra anao nandalo teto ! Izaho koa toy ny te-hody tampoka izany mahita ireo sary ireo toy ny hoe hahita izao raha tonga any nefa toa diso ny fanantenako !
MBola ho avy i Ketaka ka, aza matahotra.
03/02/2010, 12:32
misaotra e ! tena saika tazana teo mihintsiny ny tanananay an ! mahafinaritra aloha e ! za tena tiako be ny mijery azy ireny. Kdaomba a !tsy tazako intsony ange i Ketaka sy ny tantarany e ! sa za ve no tsy maharaka ?
02/02/2010, 23:53
tena nilamindamina mintsy angamba t@izany ri kdaomba,fa ankehitriny dia toa zary lasa nofy sisa,fa lazaiko anareo fa ny zavatra tiako dia ny mihaino ireo ray aman-drenibe taloha mitantara ny fahiny de avy eo za mametraka fanotaniana de varina eo,fa mba ampio we ilay sary raha mbola misy
02/02/2010, 16:30
Misaotra Kdamb fa mahafinaritra ny mijery ireto sarin'ny fahiny.
Tiako be ireny fiara taloha ireny.
Miandry ny tohin'ny sary ary e !
02/02/2010, 16:16
Bambou < toa ilamindamina tokoa ny fiainana tamin'izany e ? Araka ny tenin'i Maeva hoe "mahamanina ilay fahiny mandinika izao zava-misy ankehitriny izao dia te- hiverin- dalana nefa indrisy"
MAHEREZA e !
02/02/2010, 15:29
indrisy ry fahiny,na dia tsy nihainako aza de toa te hiverina @nao aho kanefa ho zary lasa nofinofy zany,mbola tanora aho kanefa tsy mankasitraka ny fahatanorako ankehitriny,fahatanorana izay tsy tahaka ny taloha intsony,na dia tsy nihainako aza ireo sary reo dia toa mampanembona ahy ka tiako hiainana kanefa averiko indray fa indrisy!!!mba ampio raha mbola misy sary hafa raha azo atao,de misaotra betraka ny pametraka sary
02/02/2010, 15:22
Misaotra ny rehetra nandalo sy nametraka hafatra.
N2D < mbola ho tadiavina !
02/02/2010, 15:03
ary tsy misy ilay sary ny tsenan'anjoma fahiny ve? le teo @ esplanade iny?
02/02/2010, 08:02
Tsara be ireto sary nangoninao ireto ry Kdaombaramita. Ohatry ny any amin' ny bibliothèque nationale mihitsy.
Misaotra betsaka nizara.
Mankasitraka.
02/02/2010, 04:32
Eh ! variana tokoa zah nakafy ny hakantony e!! mahamanina ilay fahiny mandinika izao zava-misy ankehitriny izao dia te- hiverin- dalana nefa indrisy.
Misaotra nizara sady faly koa nahalala ny tsy hay taloha e!!
01/02/2010, 16:58
Misaotra ê !!!
Mitapody indray ny lasa hoy Rabearivelo izay !!! Io ilay 403 familial nanalako permis tamin'izany andro izany !!!
Injao mihodina mora dia mora ny eritreritro lasa mandeha.O ry fahatanorako ho fohy, fa efa miditra ilay lava-johy.Tsy ivelaran'ny tsiky tanora,na idiran'izay rehareha! Ny fahatanorako ho fohy,ny eritreritro lasa mandeha!
Toa voron-kiantefa any an-koatra izany fiaingany anatiko izany.Efa feno dia feno fanahy,vonombonona, tsy mba manahy...Tebiteby, kanefa tsy loatra, tebiteby aminao, o ry tany!Efa feno dia feno fanahy izany fiaingany anatiko izany!
Tebiteby... Mangina! Mangina! Mangina, o ry nofoko ho rava, mangina, o ry nofoko omaly!Fitsaharana anie ampifaly. Raha ho lasa, veloma, masìna,
any an-koatra, ilay Fiainan-ko lava! Mangina, o ry nofoko omaly! Mangina, o ry nofoko ho rava!