03 Febroary, 2010 16:54
Nandrombaka ny "Prix Shoan '09" aho
Nampidirin'i kdaombaramita, Sokajy [ Ankapobeny ][ (11) Hametraka hevitra ] | [ (0) Verindrohy (trackback) ]
Misaotra anareo aho fa nandrombaka ny "PRIX SHOAN" (coup de coeur public '09). Raha vao nanokatra mail vao maraina dia ity no hafatra tonga tao :
Ce matin, j'ai reçu ce courriel :

Mankasitrana anareo sy ny hafatra ary ny fifaneraserana aminareo aho na dia tsy mifankahafantatra ary isika. Amin'ny mahasamy malagasy antsika no ifandraisana ary tohizantsika amim-pifanajana ny tsirairay izany. Fifaliana, teny tsotra, eritreritra mandalo, fahatsiarovana, fifampitantarana fiainana no eto koa dia malalaka ny sehatra ho antsika tia fihavanana, fifandraisana. Tohizantsika ny mahamalagasy antsika na dia eran'ny vazan-tany ary ny tsirairay.
Mahazo toraka bà kely daholo izay mandalo eto any ho any
Je vous suis reconnaissante d'avoir voté pour moi, de vos passages et de nos échanges sur mon blog même si on ne se connaît pas personnellement. Continuons de partager la joie, la vie, des petits mots simples, des souvenirs, des pensées en flash et cela dans le respect de chacun. Certains sont loin de la terre de nos ancêtres, mais les blogs (entre autres) sont là pour nous rappeler le "Fihavanana" (lien d'amitié) notre coutume précieuse malgache
Biz à tout le monde.
KDAOMBARAMITA





08/02/2010, 14:53
Toutes mes félicitations.
Et bon courage. QDTB
05/02/2010, 01:32
félicitation dia mahavitàsoa sy fahombiazana hatrany hatrany ; misaotra nampiala voly sy nanandratra ny mahamalagasy ny malagasy. Bà mamy
05/02/2010, 01:27
Tsy ho diso anjara koa ny tenanay fa dia miarahaba an'i kdaomba nahazo amboara. Mirary fahombiazana hatrany hatrany ; enga anie mba ho "santatra ambavarano io fa ny manetsa be mbola ho avy" hoy ny ntaolo. Misaotra betsaka nampialà volo, nanoro hevitra, nampihomehy, nitondra nitsangantsangana t@ alalan'ny sary sy ny tamberina maro isankarazany, nampanembona, nampikalo, nampivazo, nampandrey, nampihomehy... tao anaty blaogy. Ny toro hevitra fanaovana sakafo moa dia manginy fotsiny, kil (cliente) matanjaka aho amin'ireny satria tena indraindray tsisy hevitra na lany hevitra angamba no tena izy e mitady hoe inona indray no atao tsaky na laoka sns ; Ohatra izao inty farany inty, tsy fantako indray ilay hoe azo atao caca pigeon toy izany ireny nouille sinoa ireny ry kdaomba ! misaotra fa dia hanao io indray ny tenanay, sady nouvel an chinois zao, feno repas chinois erakin'ny grande surface aty Frantsa @ izao fotoana izao, sady 1 euro ny 5 sachets leretsy e ! ça vaut le coût, n'est-ce pas ? ka dia misaotra, mankasitraka, mankatelina t@ rehetra. Mahavità be hatrany ! Bà betsaka !
04/02/2010, 18:21
Misaotra Tahina. Aza misalasala miverimberina eto e !mitsidika matetika e !
04/02/2010, 17:27
Arahabaina eh
Dia misaotra an'ny BOMBS fa raha tsy izany tsy ho fantatro mihitsy ity blog iray ity :)
04/02/2010, 16:55
MAnahoana daholo, izao indray vao mandalo. Dia misaotra anareo hatrany aho e ! misaotra antsika isika ! "soa ny fiarahantsika" !
04/02/2010, 05:59
Félicitations akia Kdaombaramita
Ho lava dia anie ny blaoginao mahafinaritra sy malaza. Eto no fihaonana ka dia mandra-pitafa ary e ! kiss
03/02/2010, 20:40
Arahabaina Kdaombaramita ah.
Izaho koa mahita hoe hainao mihitsy ilay misarika ny olona hamaky ny blaoginao: tao ny zava-mahaliana, tao ireo jeux interactifs nandraisan'ny mpamaky anjara, tao koa ireo sary maha-te-hijery, ary tao koa ny sujets plutôt provocants, sns...
Nody ventiny izany ny rano nantsakaina. Enga anie hitohy hatrany ny fahombiazana.
03/02/2010, 20:39
voaray ny bàko fa misaotra betsaka,
dia ARAHABAINA ramatoa a !!!
Clap clap clap.
Dia araraotikao angamba mitondra fanazavana fanampiny momba ity prix coup de coeur ity izay nampitondraina ny anarana hoe "Prix Shoan" fa efa eto ihany aho :
Maro amintsika ireto angamba no mahalala an'i Shoan, na Shoan tout simplement (http://shoan.hautetfort.com/)na dia virtoaly ihany izany.
Miady mafy amin'ny aretina tsy mamela mahazo izy ankehitriny ka samy maneho firaisampo sy fitiavana aminy avokoa ireo namana maro be eto amin'ny blaogasifera, (na ireo network toa ny facebook koa aza).
Ka satria i Shoan no nandrombaka ny prix coup de coeur tamin'ny BOMBS 07, andiany voalohany, (saingy efa simba ilay blaoginy tany amin'ny GasyKaManja tamin'izany) dia ho fanehoana fitiavana azy koa no nampitondraina ny anarany an'ity loka ity.
Miarahaba ireo rehetra nandrombaka ny amboara isan-tsokajiny ary miarahaba an'i Kdaomba manokana koa ato antranony :)
Misaotra ny rehetra dia mazotoa hatrany eo amin'ny sehatry ny blaogasifera e !!!
03/02/2010, 20:18
Dia amin´ny fo feno fitiavana tokoa ny hiarahabana anao ry Kdaomba!Fisaorana mitafotafo no atolotra anao.
Eto foana isika izany no mihaona.
03/02/2010, 19:48
felicitation be akia !Tsy dia mihaona ary intsony isika roa nefa kosa mbola manaraka andry eto ihany aho !Mahereza dia tohiza hatrahy ny fizarana fa mahafinaritra ! bisous be
Faha