23 Jiona, 2009 12:01
Saina Malagasy (tagg)
Nampidirin'i kdaombaramita, Sokajy [ Tahiry tsy adino ][ (10) Hametraka hevitra ] | [ (0) Verindrohy (trackback) ]
Inty misy tagy kely ho anareo izay mazoto : hanagana saina ve ianao @ izao 26 juin 2009 izao sa tsia ? Lazao ny antony tsara (bon côté). Ny ahy eto ambany anombohako azy.
Atsangako ny sainam-pireneko :
- Tsy hoe akory fankasitrahako ny fahantrana eny an-toerana
- tsy hoe fandalako ny halatra, ny vonoan'olona, ny tsy fanajana lalàna, ny fampitahorana, ny habibiana, ...
- tsy fanekeko hoe mbola ambany ziogan'i Frantsa ny tanindrazako fa efa mahaleo tena tanteraka
Fa satria :
" tanindrazanay Malagasy i Madagasikara,
ka hajaiko sy lalaiko"
19 Jiona, 2009 03:29
FETIN'NY RAY
Nampidirin'i kdaombaramita, Sokajy [ Tahiry tsy adino ][ (3) Hametraka hevitra ] | [ (0) Verindrohy (trackback) ]
Dada …… ho fahatsiarovana ny soa vitanao taminay.
Dada olon-tokana, masoandro amam-bolan'ny fiainako. Tsy mitandro hasasarana tsy mety valalanina satria mitsinjo an-janany.
Dada be fitiavana, jiro nanazava ny fiainako, niafy dia niafy ianao nanao izay azonao natao. Isaorako eto ny anaranao.
Ref : Ianao indrindra no nampianatra ahy, hiatrika ny fiainako any aoriana. Niaritra ny mafy ianao tsy hisy hahasolo ny anaranao hitoetra ao am-poko ny fitiavanao. Fitia tsy manam-petra, ny fiainanao rehetra. O ! ry Dada ô, Tena tiako ianao.
Dada olon-tokana, masoandro amam-bolan'ny fiainako, nitaiza sy nanalokolo eny, na dia fotsy volo, ‘zay nataony vokatry ny fo.
Dada be fitiavana, jiro nanazava ny fiainako, nananatra, nampianatra, nikolokolo fatratra. Fitiavana tsy takatry ny loha
(Bodo)
Miarahaba anareo ray rehetra izay mandalao eto, mahità ny soa rehetra ho an'ny fianakaviana mba ho reharehan'ny ankizy sy ny reny.